NY HAISORATRA
MALAGASY

TONGA SOA !


Amin-kafaliana lehibe no hanoloranay anareo an'ity tranonkala ity, tranonkala natokanay ho fampahafantarana sy ho fanomezan- tsehatra ireo rehetra tia sy mankafy ny haisoratra malagasy mahakasika ny fomba fanehoana rehetra misy: manomboka amin'ny hainteny sy ny kabary ka hatramin'ny tantara sy ny tononkalo na amin'ny teny malagasy izany na amin'ny teny vahiny.

Ity tranonkala ity dia natao ihany koa ho fandraisana anjara amin'ny fampahafantarana ny asa soratra mbola tsy voatonta sy ireo mpanoratra mitady fomba hanaparitahana ny asany mba ho fanomezam-bahaolana vetivety na maharitra ny fahasarotana mipetraka eo amin'ny fanontana boky any Madagasikara na aty ivelany.

Fampahafantarana fa indrindra koa fandraisana anjara avy aminareo mpitia na efa mpandray anjara amin'ny asa soratra eran-tany satria izahay tsy hahavita ny hiresaka sy handalina ny onjan-kevitra rehetra mahaliana anareo. Ato amin'Ny Haisoratra Malagasy dia malalaka ny toerana ho an'ny hevitra sy ny fomba fanehoana rehetra.

Noho izany rehetra izany dia nofidianay ny SPIP (Système de Publication pour l'Internet Partagé. URLs : www.uzine.net/spip/ ) mba hahafahan'ny rehetra mandray anjara mora foana amin'ny fiainan'ny tranonkala satria ato dia ny mpamaky ihany no mpanoratra fa izahay mpitandrina fotsiny ihany. Ny vokatra rehetra dia avy aminareo mpandray anjara.

Mba ho fitandrema fisipika tsotra vitsivitsy (fifanajana, tsipelina, sns.) dia misy vondron'olona mitsidika ny asa alefantsika ary afaka mitsikera ny fomba fanehoana fa tsy ny hevitra akory, nefa ny mpanoratra ihany no tompon'andraikitra feno amin'ny asa atolony.

Koa inona ary no andrasanareo:

· Manoratà aty aminay milazalaza ny momba anareo dia omenay solon'anarana sy fanalahidy ianareo, tsindrio eto

· Vakio tsara ny fitsipi-panoratana eto amin'ny tranonkala,

Koa manainga anareo rehetra te hamoaka na talenta na tsikera na fandalinana àry izahay mba havitrika amin'ny fandefasana ny biriky masaka rehetra, fa izay no hampiakatra haingana ity tranoben'ny HAISORATRA malagasy mamintsika ity.

Ho an'ny HAISORATRA malagasy.

Ny vondrona mpitandrina ny tranonkala.


Nous sommes très heureux de pouvoir vous présenter aujourd'hui un projet qui nous tient à cœur : un site dédié à la promotion de la littérature malgache sous toutes ses formes d'expression, brassant le continuum des genres, de l'oralité à l'expression écrite, de la poésie au roman en passant par des formes plus spécifiques à l'espace littéraire malgache comme le Hainteny ou le Kabary.

Le site Haisoratra s'est aussi donné pour objectif de pourvoir un support électronique aux textes classiques et inédits de l'espace littéraire malgache, afin de proposer une solution peut-être immédiate, mais qui pourrait devenir pérenne, aux problèmes d'édition qui se posent ici et à Madagascar.

Promotion et donc Participation car nous n'avons pas la prétention de parler nous-même de ce vaste, si vaste ensemble que nous ne pourrons jamais entièrement décrire sans vous les spécialistes, critiques et écrivains ; vous les écrivains amateurs et vous les amoureux de la littérature. Sur ce site, vous aurez entièrement le choix des langues, des formes et des idées, et tout l'espace pour parler et faire parler la littérature malgache.

Le site Haisoratra a été architecturé avec le système SPIP (Système de Publication pour l'Internet Partagé. URLs : www.uzine.net/spip/ ) qui propose un système " auteur ", où les internautes seront ainsi à la fois les lecteurs et les rédacteurs du site. Ce site ne constitue alors qu'une armature technique dont la richesse et le contenu dépendent entièrement de votre participation.

Toutefois, afin de veiller à ce que les règles minimales de bienséances et de rigueur -scientifique- soient respectées, un comité de rédaction composé de spécialistes vérifie un certain nombre de points, relevant essentiellement de la forme et non pas du fond, avant de publier les articles, textes et autres écrits proposés par les internautes.

Alors, qu'est-ce qu'il vous reste à faire :

· Nous écrire pour vous présenter et nous demander un nom d'utilisateur et un mot de passe pour obtenir le sésame aux fonctions de rédacteurs, en cliquant ici

· Et lire très attentivement la notice de connexion ci-jointe.


En espérant une participation active et soutenue de votre part, nous vous remercions par avance pour toute future contribution à un projet qui pourra enrichir de multiples façons le patrimoine littéraire malgache.

Le comité d'administration du site.

 

Le comité d'administration est actuellement composé de :
(par ordre alphabétique)


RAILOVY
RAJAONARIMANANA NARIVELO
(Qui veut s'y inscrire !)


HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ