2006 : taona / année DOX (1913 - 1978)
Karakarain'ny taranak'i Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny :
Ambasadaoron'i Madagasikara eto Frantsa, Andriamatoa Jean Pierre Razafy-Andriamihaingo
Ambasadaoro Solontena maharitr'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO, Ramatoa Yvette Rabetafika Ranjeva
Sampana malagasy ao amin'ny sekoly ambaratonga ambony INALCO
Fikambanan'ny poety sy mpanoratra malagasy, HAVATSA-UPEM, sampana Frantsa
Ho fahatsiarovana io poety manan-danja eo amin'ny literatiora malagasy io, ny sampana malagasy ao amin'ny Inalco dia faly manasa antsika rehetra hiara-mankalaza ny vaninandro natokana ho an'i Madagasikara,
ny talata 20 jiona 2006 manomboka amin'ny 9 ora sy sasany maraina, izay hatao ao amin'ny INALCO, centre RIQUET, 10 rue Riquet 75019 Paris, Mo Riquet (ligne 7).
Fandaharam-potoana : Maraina : 9 ora 30 - 12 ora 30
Fanokafana - Sarimihetsika momba an'i Madagasikara
* Madagascar. Terre de missionnaires, notontosain'i Nadine Picard * Saisons de riz en Imerina, notontosain' Andriamanivohasina Rakotomalala Tolakandro : 2 ora - 5 ora 30
-Famelabelarana momba ny asa soratr' i Dox, ataon-dRamatoa isany :
* Jeannette Ratovoson Andriamanantena
* Nirina Razaimiandrisoa
* Nivohanta Randrianarisoa Rasendra
- Famaranana
JOURNÉE « MADAGASCAR » : HOMMAGE au poète DOX (1913-1978)
En hommage à ce grand poète de la littérature malgache, la section malgache de l'Inalco vous invite à honorer de votre présence la Journée Madagascar qui aura lieu le 20 juin 2006 de 9h30 à 17h30 à l' INALCO, centre RIQUET, 10 rue Riquet 75019 Paris, Mo Riquet (ligne 7).
Programme : Matin : 9h30 - 12h30
Ouverture - Projection de films sur Madagascar
* Madagascar. Terre de missionnaires, réalisé par Nadine Picard
*Saisons de riz en Imerina, réalisé par Andriamanivohasina Rakotomalala
Après-midi : 14h - 17h30
-Conférences-débats sur l'œuvre poétique de Dox par Mesdames :
*Jeannette Ratovoson Andriamanantena
*Nirina Razaimiandrisoa
*Nivohanta Randrianarisoa Rasendra
- Clôture
Contacts : Mme Nirhy-Lanto : 01 43 53 42 92 (s.nirhylanto@free.fr) Mme Patricia Salomon : 06 22 16 22 56 (raivopatricia@yahoo.fr)
Fisaorana
Ny taranak'i DOX Razakandraina Jean Verdi SALOMON dia maneho etoana ny fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo tamin'ny fahombiazana tanteraka ny zavatra vita tamin'ny 20 Juin 2006tamin'iny andro lehibe manan-danja, 20 Juin 2006, voalohany indrindra teto Paris mikasika ny mpanoratra iny, indrindra ny fanampiana feno natolotrareo ho anay izahay Tompoko.
Isaoranay manokana eto ny solon-tenam-panjakana, Ramatoa Rabetafika Ranjeva Yvette, Ambasadaoron'I Madagasikara eo anivon'ny Unesco, ary ireo mpiara-miasa aminy tonga nanotrona, izay mivatsy hery lalandava ho an'ny mpitahiry ny Vakoka sy ny fiarovana ny haren-tsain'ny Tanindrazana.
Indrindra ny mpampianatra Malagasy ao amin'ny Inalco, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka iny "Journée littéraire : Madagascar et hommage à DOX iny. Tsy ampy ny teny fa dia mankasitraka re Tompoko ô !
Toy izany koa ireo nandray anjara izy efatra mianadahy dia : n Atoa Malanjaona Rakotomalala (Repermad Unesco Paris) n Rtoa Jeannette Ratovoson Andriamanantena n Rtoa Nirina Razaimiandrisoa n Rtoa Nivohanta Randrianarisoa Rasendra izay namelona sy nampahafantatra ary nampiaina ny adi-hevitra tamin'ny fahitan'izy ireo avy an'i Dox .
Ary ireo mpianatra sy ny vahiny marobe rehetra tonga nanome voninahitra ny « Andron'i Madagasikara » sy ny mpanoratra Dox tamin'ny alalan'ireo rehetra ireo, Tsy hadino koa ireo mpiara-miasa sy mpanohana : Echos du Capricorne, Sobika.com, Madagate.com, Madagascar Magazine, Association Rainizafimanga, Association Heli's Magagascar, Fiangonana Tafo Saint-Simon Paris19è, iRecords, Repermad-Unesco.
« Sitraka ho enti-matory, ka ho valiana raha mahatsiahy », hoy ny Razantsika izay. Toy ny tantely tokoa mantsy i Dox ka maty namela mamy ho an'ny taranaka Malagasy mahay mankasitraka.
Ho ela velona anie ny Teny Malagasy !
Ny Komity mpanomana, Patricia SALOMON sy Hanitr'Ony ary ny fianakaviana.