ALAHELO IARAHA-MANANA
Tadidiko lava ny endrik'Iarivo
Tsy miala ao an-tsaiko ny bikan'Imanga ;
Ka lena ny maso, fa dobo marivo,
Injany ny sento fa tamy mitranga !
Ny tampon'Ankaratra tonga tsaroana,
Ny tendron'Andringitra zary tadidy ;
Toneko ny foko ka tsy azo toroana
Fa saro-tsatsoina ny sento mangidy !
Ibetsimitatatra, reny nitaiza,
Ikopa malala, tonian'ny aina,
Dia samy tsaroana, kanefa hankaiza,
Fa lasan-ko nofy ny mamin'ny saina !
Avelao re Ankaratra hijojo maraina !
Avela Andringitra haneri-kariva !
Ny fo manina azy ka velon-taraina,
Malemy fitepo sy latsaka iva !
Ny Avana,
In- Ny akon'Iarivo, n° 123, 1925