Tianao ve ny teny malagasy ? Fantatrao va fa efa nivoha ny Global Voices Online teny malagasy?
Nivoha androany izy io. Afaka manaraka vaovao amin’ny teny malagasy avy amin’ny mpitoraka bilaogy eran-tany ianao manomboka an’io. Eny tsy ny “faits divers” ny hoe nisy namono, nisy nandroba, nisy nanery ranona sy ranona ihany akory no vaovao mendrika vakiana amin’ny teny malagasy.
Global Voices Online dia manezaka mampiseho ny hevitr’ireo teny vitsy mpihaino, toa ny teny malagasy, sy ny vaovao tsy dia arahan’ny mpanao gazety, toa ny vaovao momba an’i Madagasikara.
Olona 17 tapitrisa ihany no miteny malagasy eran-tany fa kosa manana ny maha izy azy anie io teny malagasy io. Vitsy ny teny aty amin’ny kontinenta afrikana voasoratra, fa isan’izany ny teny malagasy. Afaka hireharehantsika izany. Misy tokoa araka izany ny haisoratra malagasy, E.D. Andriamalala, Randza Zanamihoatra, sy ny hafa tsy azo tanisaina, ary hafaliana ho antsika ny fahazoana manoratra amin’ny tenindrazantsika, fa tsy voatery akory mindrana ny tenin’ny hafa foana toa ny firenena voazanaka taloha hafa.
Ho hitanao ao amin’ny Global Voices Online ny torak’i Lova Rakotomalala momba ny GVO teny malagasy. Amin’ny teny anglisy izy io ary nadikan’i Mialy Andriamananjara amin’ny teny malagasy. Jereo koa ny torak’i Jentilisa.
Afaka mijoro miaraka amin’ny teny hafa be mpiteny toa ny Bangla, Hindi, Shinoa, Japoney, Frantsay, Arabo isika eo amin’ny sehatra eran-tany.
Raha toa ianao ka mazoto (Antso manokana ho an’i Lili, McMalagasy, Su), dia afaka mandray anjara ary mandika teny, ho voninahitry ny tenindrazantsika e !
Mandefasa imailaka any amin’i mialytiana atsy amin’ny gmail com na koa atsy amin’i lova.rakotomalala atsy amin’ny gmail com
fanontaniana kely : iza moa no manoratra ireny lahateny ireny ?
dia mahasoava ry tanora ô !
Olona bloggers ny sasany, mpanao gazety pros ny sasany, mpampianatra ny sasany, etc… samihafa no manoratra ireny lahateny ireny.
Misaotra betsaka manohana e !
Mbola mitady volontaires fa tongava izay mazoto e.
OH lala tu m’as devancée sur le coup….bon ben je joue la carte de la Kamo vavy…je post sur le premier article GVGasy…jeu de mot terrible GVG not GVT….lame i know..
oaina kely t@ iny….kay efa misy ….ouinnn bon aloha ary ihany lé post (avec un intense copy past de celui-ci !!)
ok well i did my bet to ….. spice up the post on MM but I ended bloqueroting your entire post with a great full aknowledgment at the end, hope your ok with it, its a kind of … celebration and recoginition of you guyz work on GVG (je ris tout le temps en pensant à ça! GVG…lol)
bisesss
salut fellow GVG (pas mal pas mal)
merci bcp pour le post sur MM. Je ris beaucoup aussi en pensant a ca. Et non, I really do not mind at all.
Antsika izany ny mitondra ny baolina e.
:-)