NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Nodimandry i Nirhy-Lanto Rakotonindrina
Nodimandry i Nirhy-Lanto Rakotonindrina

samedi 5 juin 2004

 Nodimandry i Nirhy-Lanto Rakotonindrina

Mpitolona tia tanindrazana, poety sy mpanoratra

 Nodimandry ny alakamisy 3 jona teo amin'ny faha-81 taonany Atoa Nirhy-Lanto Rakotonindrina Charles Victor. Mpitolona tia tanindrazana tamin'ny 1947. Efa filoha lefitra tao amin'ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains de Madagascar). Nanoratra tamin'ny gazety ihany koa, dia ny gazetin-tsekoly "Malagasy" tao amin'ny "Le Myre de Villers" izay nataon'izy sy ny namany roalahy tamin'ny sora-tanana fony izy mbola nianatra. Isany koa ny "Gazetin'ny Malagasy", ny gazety mpiseho isan'andro "Malagasy vaovao"...

Nanoratra tononkalo maro izy ankoatra ny maha mpanao gazety azy. Fa mpiandry tao amin'ny toby Ankaramalaza ihany koa izy. Teo amin'ny ara asa dia fantatra tamin'ny naha "administrateur civil en chef de classe exceptionnelle honoraire" izy rehefa nandalo làlan-tsarotra maro noho ny firohana politika narahiny.

 • Atody niady tamim-bato :

 "Izaho, atody niady amim-bato" : io no lohatenin'ny boky nosoratany taona vitsy lasa izay, nitantarany ny fiainana nolalovany hatramin'ny nahaterahany, ny nianarany, ny fahatanorany, ny tokantranony fa indrindra ny niainany ireo vanim-potoana nolalovan'ny firenena, nanomboka tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ka hatramin'ny fotoana nanoratany ny boky. Ary dia tamin'izany boky izany koa no nakanay ny sombin'ny tantaram-piainany. Raha zaza narani-tsaina nampiaiky ireo mpampianatra azy izy fony kely, dia nampiaiky ny vazaha nampiasa azy kosa ny fahitsiany sy ny fitandremany ny asany. Nampihoitra azy ny fahenoana fa " tsy misy cadres mahay hono amin'ny Malagasy, ary tsy misy firy koa no azo antoka amin'ny fahamarinana". Nanindrona ny fony izany, ka dia niezaka naneho fa tsy toa izany ny Malagasy nandritra ny fotoam-piasany, nanomboka tamin'ny niasany tao amin'ny "agence spéciale", nikarakara ny raharaha sy fitantanam-bola tany Ankazobe. Ary dia vitany ny nandresy lahatra ny mpampiasa fa azo itokisana tsara ny Malagasy, ka hatramin'ny fitazonana ny lakilen'ny "coffre" aza. Nisy fotoana nandraisany izany tamin'ny tsy nahateo ny vazaha lehibeny tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany. "Izaho, atody niady amim-bato" nanehoany koa anefa ny tantaram-pirenena izay tsy hita na voatantara hatramin'izay, ny ahafantarana ireo anaran'olo-maro niara-nitolona taminy sy tena nitolona, ary ireo namadika ny fireneny.

 • Fianianana ho an'ny tanindrazana :

 Fa ny niainany tamin'izany koa no namolavola azy ho tia tanindrazana ka niarahany tamin'ny namany tantsambo iray mpikambana tao amin'ny Panama (Parti nationaliste malgache) nanao fianianana niantsoana ny anaran'Andriamanitra ny hanompo ny firenena malagasy eo ambany fitahian'Andriamanitra. Zava-nokinendriny ny hitia ireo mpitia tanindrazana aminy, hianatra ny tantaran'i Madagasikara, hanentana ho amin'ny fahatsiarovan-tena, hanatontosa ny asa sy adidy rehetra miankina amin'ny fanompoam-pirenena. Fianianana manana ny hasiny tsy voafetran'ny taona, najainy nandritra ny fotoam-pahavelomany, araka ny filazany tao amin'ity boky ity ihany.

 Nitohy tokoa izany, ka dia lasa isan'ny mpanorina ny MDRM tao Ankazobe tamin'izany. Fironanana nitondra azy ho any amponjan'Antanimora nandritra ny roa taona, nanaovana sesitany azy ka tsy nahazoany nandia ny faritanin'Antananarivo nandritra ny dimy taona ihany koa. Nitondran'ny ankohonany ny mangidy rehetra koa anefa.

 Tsy ny mangidy ihany anefa no hita nasongadiny tamin'ny tantaram-piainany, fa tao ny mamy, niarahany tamin'ireo taranany.

 Mbola hisy ny fotoana hitondranay ny momba ity boky ity sy ity olomangam-pirenena ity bebe kokoa, indrindra fa antomotra ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena.

 Raha voalaza tamin'ny tantara nosoratany fa nananosarotra ny reniny teo ampiterahana azy, dia tao anaty torimaso tsotra, tsy nahafahany nifoha intsony kosa no nialany teto an-tany. Amin'ny alahady izao no hanaovana ny fandevenana azy eny amin'ny fasan-drazany eny Avarabary Imerintsiatosika. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny gazety "Madagascar Tribune".   Madagascar Tribune du 05/06/04 - Raoel


Dans la même rubrique :
« Voninkanto », Tsangan-tononkalo iarahana amin'i Felana
Et le Rova devint concept
Michèle Rakotoson « Mettre en place une politique des livres »
« Maé, l'enfant rouge » sur le net
Foibe nasionaly momba ny teny
Identité et identification d'une Malgache en Bretagne
Exposition sur l'histoire de la langue malgache au MAE
Académie nationale malgache : hommage au général Ratsivalaka et Richard Razafindrakoto
Samuel Ratany (Tanicus) Herinandro ho an'ny sanganasany
Aft - Andavamamba Mivelatra amin'ny sehatra maro

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ