Nodimandry i Nirhy-Lanto Rakotonindrina
Mpitolona tia tanindrazana, poety sy mpanoratra
Nodimandry ny alakamisy 3 jona teo amin'ny faha-81 taonany Atoa Nirhy-Lanto Rakotonindrina Charles Victor. Mpitolona tia tanindrazana tamin'ny 1947. Efa filoha lefitra tao amin'ny UPEM (Union des Poètes et Ecrivains de Madagascar). Nanoratra tamin'ny gazety ihany koa, dia ny gazetin-tsekoly "Malagasy" tao amin'ny "Le Myre de Villers" izay nataon'izy sy ny namany roalahy tamin'ny sora-tanana fony izy mbola nianatra. Isany koa ny "Gazetin'ny Malagasy", ny gazety mpiseho isan'andro "Malagasy vaovao"...
Nanoratra tononkalo maro izy ankoatra ny maha mpanao gazety azy. Fa mpiandry tao amin'ny toby Ankaramalaza ihany koa izy. Teo amin'ny ara asa dia fantatra tamin'ny naha "administrateur civil en chef de classe exceptionnelle honoraire" izy rehefa nandalo làlan-tsarotra maro noho ny firohana politika narahiny.
• Atody niady tamim-bato :
"Izaho, atody niady amim-bato" : io no lohatenin'ny boky nosoratany taona vitsy lasa izay, nitantarany ny fiainana nolalovany hatramin'ny nahaterahany, ny nianarany, ny fahatanorany, ny tokantranony fa indrindra ny niainany ireo vanim-potoana nolalovan'ny firenena, nanomboka tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ka hatramin'ny fotoana nanoratany ny boky. Ary dia tamin'izany boky izany koa no nakanay ny sombin'ny tantaram-piainany. Raha zaza narani-tsaina nampiaiky ireo mpampianatra azy izy fony kely, dia nampiaiky ny vazaha nampiasa azy kosa ny fahitsiany sy ny fitandremany ny asany. Nampihoitra azy ny fahenoana fa " tsy misy cadres mahay hono amin'ny Malagasy, ary tsy misy firy koa no azo antoka amin'ny fahamarinana". Nanindrona ny fony izany, ka dia niezaka naneho fa tsy toa izany ny Malagasy nandritra ny fotoam-piasany, nanomboka tamin'ny niasany tao amin'ny "agence spéciale", nikarakara ny raharaha sy fitantanam-bola tany Ankazobe. Ary dia vitany ny nandresy lahatra ny mpampiasa fa azo itokisana tsara ny Malagasy, ka hatramin'ny fitazonana ny lakilen'ny "coffre" aza. Nisy fotoana nandraisany izany tamin'ny tsy nahateo ny vazaha lehibeny tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany. "Izaho, atody niady amim-bato" nanehoany koa anefa ny tantaram-pirenena izay tsy hita na voatantara hatramin'izay, ny ahafantarana ireo anaran'olo-maro niara-nitolona taminy sy tena nitolona, ary ireo namadika ny fireneny.
• Fianianana ho an'ny tanindrazana :
Fa ny niainany tamin'izany koa no namolavola azy ho tia tanindrazana ka niarahany tamin'ny namany tantsambo iray mpikambana tao amin'ny Panama (Parti nationaliste malgache) nanao fianianana niantsoana ny anaran'Andriamanitra ny hanompo ny firenena malagasy eo ambany fitahian'Andriamanitra. Zava-nokinendriny ny hitia ireo mpitia tanindrazana aminy, hianatra ny tantaran'i Madagasikara, hanentana ho amin'ny fahatsiarovan-tena, hanatontosa ny asa sy adidy rehetra miankina amin'ny fanompoam-pirenena. Fianianana manana ny hasiny tsy voafetran'ny taona, najainy nandritra ny fotoam-pahavelomany, araka ny filazany tao amin'ity boky ity ihany.
Nitohy tokoa izany, ka dia lasa isan'ny mpanorina ny MDRM tao Ankazobe tamin'izany. Fironanana nitondra azy ho any amponjan'Antanimora nandritra ny roa taona, nanaovana sesitany azy ka tsy nahazoany nandia ny faritanin'Antananarivo nandritra ny dimy taona ihany koa. Nitondran'ny ankohonany ny mangidy rehetra koa anefa.
Tsy ny mangidy ihany anefa no hita nasongadiny tamin'ny tantaram-piainany, fa tao ny mamy, niarahany tamin'ireo taranany.
Mbola hisy ny fotoana hitondranay ny momba ity boky ity sy ity olomangam-pirenena ity bebe kokoa, indrindra fa antomotra ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena.
Raha voalaza tamin'ny tantara nosoratany fa nananosarotra ny reniny teo ampiterahana azy, dia tao anaty torimaso tsotra, tsy nahafahany nifoha intsony kosa no nialany teto an-tany. Amin'ny alahady izao no hanaovana ny fandevenana azy eny amin'ny fasan-drazany eny Avarabary Imerintsiatosika. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny gazety "Madagascar Tribune". Madagascar Tribune du 05/06/04 - Raoel