Fa ny fanenon'ny taitso
any an'ala ve,
na ny varika takariva,
sa ny fitongilan'ny
tsinam-bolana eny amin'ny lanitra andrefana,
no andrasanao
vao hanamboatra
ny tafo-ravinalanao ?
Fa fahavaratr'i Ambanitaza ny aty
ka tsy hiandry kotroka
vao handrotsaka ranonorana.
Sady anamamin'i Ampompotra,
vao mitsimoka dia dofodofotra !
Ento ny harona,
tsongoy dia laoka !
Ary tsy voalobo-jaza tsy akory
ka ho terena vao masaka !
Fa ny todinga masaka ve
hanambara aminao ny fahamasahany !
Fa amboloy izy, dia
hamerovero
sady hamelovelo
toy ny hiram-pitiavana
takariva !
Ary tendreo
amin'ny ratsan-tananao sakaizan'ny
valiha,
dia hikalo ho anao izy !
Ary ny fifaliana omeny
dia antsiva volamena,
hambabo ny mamatonalinao !
Ny Savoka
Janoary 2001