|
FITSIPIKY
lundi 5 janvier 2009, napetrak'i / mis en ligne par Nary LOKA NIRHY- LANTO 2009 FITSIPIKY NY FIFANINANA Andininy 1 : Ny fianakaviana NIRHY-LANTO miaraka amin'ny Fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy HAVATSA - UPEM dia manomana fifaninana famoronana asasoratra mitondra ny anarana hoe : "LOKA NIRHY-LANTO , RINDRAMBOLANA SY KOLOTENY". Malalaka ny lohahevitra. Andininy 2 : Afaka mandray anjara amin'ny fifaninana ny olom-pirenena malagasy rehetra , eto an-toerana sy any ivelany . Andininy 3 : Afaka mifaninana amin'ny iray na ny roa miaraka amin'ireto sokajy ireto ny mpandray anjara :
Marihin'ny mpifaninana tsara ny sokajy andraisany anjara. Andininy 4 : Asasoratra iray isaky ny sokajy iray ihany no azon'ny mpifaninana alefa. Andininy 5 : Ny mpifaninana dia olona iray fa tsy vondron'olona na fikambanana. Andininy 6 : Amin'ny teny malagasy ôfisialy no anoratana ny asasoratra. Andininy 7 : Ny amboaran-tsombintantara dia ahitana sombitantara dimy (5) ary tsy latsaky ny dimampolo (50) takila ary tsy mihoatra ny fitopolo (70) takila ny amboara. Andininy 8 : Tsy latsaky ny zato (100) takila kosa ny tantara foronina. Andininy 9 : Ataon'ny mpifaninana izay maha mendrika ny fanehoana ny sanganasa alefa hifaninana : • Atao sora-tsolosaina ny asasoratra ; • Taratasy mirefy 21 sm x 29,7 sm no ampiasaina ary ny lafiny iray ihany no anoratana ; • Asiana elanelan'andalana iray sy sasany ( 1,5 ) ; • Tarehin-tsoratra Times New Roman 12 no ampiasaina ; • Asiana elanelana mirefy 2,5 sm ny ambony sy ny ambany amin'ny taratasy, elanelana 3,5 sm kosa ny amin'ny ilany havia ary 1,5 sm amin'ny ilany havanana ; • Atao mazava tsara ny mariky ny takila ; • Akambana tsara ireo takila mandrafitra ny sanganasa. Andininy 10 : Sanganasa tsy mbola nivoaka no alefa mifaninana Andininy 11 : Atao ao anaty valopy lehibe ny dika roa (02) mitovy amin'ny asasoratra alefan'ny mpifaninana. Tsy asiana marika mety hahafantarana ny mpanoratra. Ampiarahina amin'ireo asasoratra ireo ny CD iray misy ilay asasoratra ary tsy asiana marika mety hahafantarana ny mpifaninana ihany koa. Atao ao anaty valopy kely iray mihidy kosa ny anaran'ny mpifaninana , ny solon'anarany ( raha misy ), ny lohatenin'ny asasoratra nalefany, ny adiresiny mazava sy ny telefaonina ahazoana mifandray aminy. Ataon'ny mpifaninana anatin'ilay valopy lehibe misy ireo dika mitovy sy ny CD amin'ny asasoratra alefany io valopy kely io. Andininy 12 : Avantana amin'izao adiresy manaraka izao ny sanganasa : FIFANINANANA "LOKA NIRHY-LANTO, RINDRAMBOLANA SY KOLOTENY " FIKAMBANAN'NY POETY SY MPANORATRA MALAGASY - HAVATSA-UPEM, TAHALA RARIHASINA - ANALAKELY -ANTANANARIVO 101 Andininy 13 : Ny Sabotsy 02 mey 2009 amin'ny 12 ora antoandro no fotoana farany handraisana ny sanganasa . Azo atao ny mandefa ny sanganasa amin'ny alalan'ny paositra na manatitra izany mivantana amin'ny adiresy voalaza etsy ambony. Andininy 14 : Ny fianakaviana NIRHY-LANTO sy ny HAVATSA-UPEM no manendry ny olona hitsara ny fifaninanana. Tsy azo iverenana intsony ny fanapahan-kevitry ny mpitsara. Andininy 15 : Toy izao ny fitsinjaran'ny loka : LOKA VOALOHANY FAHAROA FAHATELO SOMBINTANTARA Ar 400 000 Ar 300 000 Ar 200 000 TANTARA FORONINA Ar 600 000 Ar 400 000 Ar 200 000 Andininy16 : Azon'ny mpitsara atao ny tsy manome loka raha tsy misy mahafapo azy ireo ny sanganasa mifaninana. Andininy 17 : Tsy haverina amin'ny tompony ny asasoratra nalefany hifaninana fa anjarany ny mitazona dika iray ho tahiry ho azy. Andininy 18 : Amin'ny fiandohan'ny volana aogosotra 2009 no hanambarana ampahibemaso ny vokatry ny fifaninanana amin'ireo sokajy roa ifaninanana . Andininy 19 : Midika ho fanekena izao fitsipika izao ny fandraisana anjara amin'ny fifaninanana. |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||