Fa nankaiza tokoa ilay borisa misy ny vodiondry ? Tena tao anaty vatasarihana izao no nampiriman-dRasoanoro azy nefa tsy hita popoka. Lany haika ny eran'ny trano ka niezaka ny tsy hieritreritra ny hikaroka azy intsony fa samy hiomana daholo satria antomotra ny ora tokony hiaingana.
I Andro no tafaomana voalohany indrindra. Mijaridina tokoa izy amin'izato tsanganany mova tsy toy ireny amin'ny katalaogy ireny. Jereo koa izato volony niangalian'i Mavo ery ny fanetezana azy ka mifanaraka amin'ny tokotanin'endriny. Tovolahy marirandrirana endrika izay izy. Ankonankona ery reniny mahita azy mikiravato miaraka amin'ny ny palitao tsara pasoka sy ny pataloa velon-drirana.
Toy ny tsy nateraka ny fijery anao anaka, hoy Rasoanoro lasa fisainana.
Toy ny tsy nateraka ?
Toy ny zana-javatra ny fahitako anao.
Zana-javatra ahoana ?
Zana-javatra e.
Inona no mahatonga an'i neny hiteny izany ?
Ny fahitako anao izao. Izany tokoa angaha no hoe sady taviny no volony.
Izaho angaha matavy ?
Izaho ange tsy niteny hoe matavy ianao fa hoe sady taviny no volony e. Izany koa tsy midika hoe be volo ianao. Fomba fiteny izany ry Andry, hoy reniny, sady tolaky ny hehy izy. Fomba fiteny ilazana olona manana ny toetra soa rehetra izany. Ao aminao ny fahaizana, ao aminao ny fahendrena, ao aminao ny hatsaram-panahy, ao aminao koa ny hatsaran-tarehy. Sambatra tokoa aloha i Tiana nahazo anao ho tokantrano.
Dia efa dokafan'i neny ery izaho izany. Izaho izao ve dia azo lazaina ho sady taviny no volony ? Aiza akory aho izay hendry eo ? Tsy hendry izany aho.
Raha tsy nanam-pahendrena ianao tsy ho nanome valopy sy vola hasolo ilay borisa kely sy ny vodiondry efa nomanina.
Ka lôjika mihitsy raha nanome izany aho. Ianareo ihany no miteny fa tsy fomba ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
Toy ny vay an-kandrina izany, ry Andry ka sady mahamenatra no maharary. Tsy fomba amam-panao mihitsy ny hitari-bady tsy lasam-bodiondry. Fa izao e : tsy fitia te handoka na hoe amin'ny maha zanako anao fa tena sady taviny no volony tokoa ianao. Sambatra aho manana anao.
Izaho koa sambatra manana anao ho reny, hoy Andry. Izaho no toa izao dia noho ianao, dia ianao izay nitondra ahy folo volana an-kibo.
Mahavariana tokoa ny fiainana. Ianao izao moa dia nivoaka avy tao an-kiboko ! Aiza no hanampoizako hoe izaho Rasoanoro, vehivavy tsotsotra toa izao dia hiteraka zanakalahy hanana toerana ambony any amin'ny banky any ? Ary angaha izaho ihany ? Rainao koa dia sambatra manana anao. Sambatra izahay e !
Na izaho aza ve moa ho nisy akory raha tsy teo koa i Dada ? Vavolombelona hita mason'ny fifankatiavanareo ny fisiako eto an-tany.
Marina ny filazanao, hoy Rasoanoro. Nifankatia tokoa izahay mivady.
Nitaiza ny tontolon-tsaiko sy ny tontolon'eritreritro ny fitaizana azoko taminareo sy ny fiaraha-monina misy ahy. Manan-dray aman-dreny tokoa aho manana anareo.
Tamin'izay dia niditra tao an'efitra Randriambero ka tapaka teo ny dinika nifanaovan'izy mianaka. Gaga ny lahy mahita an-dramatoa vadiny mbola tsy tafakanjo foana.
Fa inona ihany no mahavarian-dresaka anareo mianaka ato ? Mandeha ny ora. Isika no mpangataka ka tsy tokony handiso fotoana.
Mbola naveriko nopasohina indray ny akanjoko, hoy Rasoanoro tsy naka sarotra.
'Ndao hanainga amin'izay fa hahamenatra raha amin'ny sivy sy sasany isika vao ho tonga any amin-dry zareo.
Nijolohan-dRasoanoro ny akanjony mavokely novidina vita tany amin'ny magazay malaza iray tany an-drenivohitra. Finaritra ery izy nihogo volo sy namboamboatra endrika teo anoloan'ny fitaratra ary veloen-kira.
Efa mety re izao reniny fa aok'izay ô ! hoy Randriambero sady nosintoniny ny fitaratra teo anoloan-dRasoanoro. Ianareo vehivavy itony aloha dia be filatro mihitsy ka...
Mba andro iray re ity Randriambero fa aza miteny izany kosa ianao ô ! Izaho koa aloha tsy hitsnga-menatra eo anatrehan'ny olona eo fa mba mikarakara ny vatako araka izay azoko atao e ! Oadray ! Varian-dresaka aminao eto aho ka saika nohadinoiko ny nanosotra lokomena.
Ao anatin'ny pôketra maintimainty efa nomaniny hatry ny omaly hihaingoana amin'ny raharahan'i Andry no nampirimany azy. Tsy fombany mihitsy manko ny hoe handeha ka tsy hisy lokomena ao anaty pôketra. Tao amin'ny lalimoara tao an'efitra fatoriany no nametrahany ilay pôketra. Akory anefa ny hatairany sy ny hagagany ! Hitany tao koa ilay borisa misy ny vodiondry. Tsy tao an-dohany intsony ny hieritreritra izay lokomena. Taitra ny eran'ny trano nandre ny hiakam-pifaliana sy ny antsoantsony :
Ilay borisa kely. Ilay borisa kely, ilay borisa kely, hoy izy sady naderaderany sy nahofahofany ilay kitapo kelin'ny fanantenany.
Ilay borisa kely ? hoy Randriambero mianaka sy Rabehevitra niara-niteny.
Hita ihany ilay borisa kely, hoy Rasoanoro. Hita ihany ilay borisa kely. Misaotra anao aho Andriamanitra Andriananahary.
Fa taiza no nahitan'i neny azy ? hoy Andry ravo am-panahy.
Taiza tokoa ? hoy Randriambero sy Rabehevitra, niara-nanontany.
Fa taiza fa tsy tao anaty pôketrako ? hoy Rasoanoro. Ary mba fomba ahoana àry no nahatongavany tao ?
Fomba ahoana tokoa àry no nahatongavany tao ? hoy Randriambero nanamafy. Izaho izao mihitsy no vavolombelona nahita ny nampirimanao azy tao anaty vatasarihana halina.
Fomba ahoana tokoa no nahatongavany tao ?...
Tsy misy mpahalala fa Randriambero dia mpandehandeha manonofy rehefa alina ny andro ("somnambule"). Koa ny alin'ny zoma hifoha asabotsy io dia nandehandeha nanonofy izy. Niarina avy tao am-pandriany izy. Niarina izy saingy mbola tena tao anatin'ny torimaso laliny. Niarina izy ary nandehandeha eran'ny efitrano, mova tsy ny mikarokaroka zavatra nefa tena mbola matory, tsy mahatsiaro saina, tsy mahatsiaro tena. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nandraisany ilay borisa tao anaty vatasarihana sy namindrany azy tao anaty pôketra maintimaintin-dramatoa vadiny. Nataony tsara toerana tao anatin'ilay pôketra hoentin-dRasoanoro amin'ny raharahan'i Andry ilay izy. Vita izay dia niverina namonjy fandriana moramora Randriambero. Nony tonga ny maraina dia nifoha avy tao anatin'ny torimasony izy. Tsy misy tsaroany ny zavatra rehetra nataony tamin'izany fandehandehana tao an'efitra tao anatin'ny torimasony izany na kely akory aza.
Nijanona ho misitery ho an'ny rehetra ny fahitana ilay borisa kely tao anaty pôketra maintimainty.
Frantsa, desambra 2008
Antsiva