NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne > NANKAIZA ILAY VODIONDRY ?

NANKAIZA ILAY VODIONDRY ?

TOKO I
lundi 22 décembre 2008, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva


Anisan'ny fotoana mampisomebika ny mpianakavy ny andro fampakarambady. Misomebika satria androm-pahasoavana io, fetim-pianakaviana. Raha tsorina aza dia tsy am-pihambahambana no ilazana sy anambarana fa fianakaviana roa no hitambatra ho iray noho ny vonam-pitiavan'izy roa. Mahavariana tokoa ny herin'ny fitiavana. Moa tsy fandre aza ve moa ny hoe : "mahery noho ny fahafatesana ny fitiavana" ?

Mpifankatia i Andry sy Tiana. Nifankatia dia nifankatia fatratra izy ireo ary tapa-kevitra fa hiroso amin'ny làlan'ny fanambadiana. "Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka", hoy ny ray aman-dreniny. Sarotiny amin'ny fitaizana ireo nahitany masoandro ka tsy tantiny ny mahita azy miaraka lava sy mifanorokoroka etsy sy eroa nefa tsy inon-tsy inona vita. Koa rehefa nifampidinika ny fianakaviana roa tonta dia samy naneho ny fahavononany amin'ny firosoana amin'ny raharahan'ny ankizy. Teo ihany dia nifanarahana ihany koa fa andro iray ihany no hanateram-bodiondry sy hisoratana ary hanatanterahana ny fitsofan-drano any am-piangonana.

Tsy mba nitera-bavy ny ray aman-drenin'i Andry. Fifaliana ho an-dRandriambero mivady tokoa ny fahalalana fa i Tiana no ho vinantovaviny. Tsy ho vinanto fotsiny ihany no niheverany sy nandraisany azy fa toy ny zanakavavy mihitsy. Ao rahateo ny fitenenana hoe : "fozalahy natakalo fozavavy". Nividy tapa-dandy ramatoa Rasoanoro renin'i Andry. Avy eo dia iny no nanamboarany borisa ("bourse") kely hasiana ny vodiondry. Nokaliany fatratra ny fanamboarana azy ka akory ny hatsarany ! Toy ny tsy nataon-tànana ny fijery ilay borisa kely ka nahavariana ny ankohonany. I Andry izany moa dia tsy naharitra fa nametra-panontaniana tamin-dreniny.

-  Fa maninona i Neny no dia nisahirana nanjaitra ity borisa kely ity ?", hoy Andry. Tsy aleo ve mividy eny an-tsena na mampanjaitra ?

-  Fifaliana ho ahy tokoa ny namboatra ity, hoy ny navaliny azy, velon-tsiky aoka'izany.

-  I Neny koa dia misahirana. Efa be anie izay vitanao izay e !

-  Hita ve izay hoe be no vita anaka, hoy izy taminy, izao aho vao hanan-janaka vavy.

-  Hanan-janaka vavy ahoana ?

-  Ka hita fa hanan-janaka vavy ka i Andry ity koa re !...

-  Fa... manana anaka angaha i Neny ?

-  Ity i Andry ity koa mba milaza angano...

-  Milaza angano ahoana ?

-  Fa firy taona aho izao no mbola eritreretinao hanana anaka ihany ?

-  Ka i Neny ihany ange teo no niteny hoe "hanan-janaka vavy e" !

-  Dia tsy ho azonao an-tsaina ve ny tiako hambara sa te hisafary fotsiny ianao ?

-  Tokoa raha mba fantatro...

-  I Tiana no ho zanakovavy e !

-  Izany tokoa moa ô ?

-  Hita fa izany koa ianao ity koa re anaka ! Hampiditra zatovovavy ato an-tokantrano isika. Io no ho taolan-tehezanao. Aminay kosa izy dia sady vinanto no zanakavavy.

-  Izany tokoa moa no fomba fiteny ?

-  Aza hadinoina fa isika mpangataka no mpampakatra ary ny ray aman-drenin'i Tiana izay angatahina no mpamoaka.

-  Fa ahoana tokoa moa izany no tena maha mpamoaka azy ?

-  Ka hita fa izany ka de... Dia tena tsy mazava amin'i Andry ve ?

-  Azoko an-tsaina ihany aloha e !

-  Azonao an-tsaina ahoana ?

-  Izany hoe mivoaka ny tokantranon'ireo nahitany masoandro i Tiana ary miditra indray kosa ao amin'ilay tokantrano vaovao izay iarahany manorina amiko.

-  Izay indrindra.

Andro zoma tamin'izay. Nientanentan-kafaliana ery i Andry mahita ny haravoan-dreniny fa hahazo zanakavavy. Tsy ho ela intsony fa ny ampitson'io ny fanateram-bodiondry sy soratra ary ny fitsofan-drano any am-piangonana. Nalaina ny vola efa nomanina hatao vodiondry ary natao tao anatin'ilay borisa kely vita amin'ny lamba landy.

-  Ka tena ilaina tokoa ve ry Neny ity fanateram-bodiondry ity ? Tsy ohatry ny mividy olona ve ? Izahay ange ka tena mifankatia e !

-  Raha tsy inona ka hividy olona, hoy Rasoanoro. Fomba amam-panao nentin-drazana io.

-  Ary maninona raha tsy asiana vodiondry vodiondry izany fa avy dia misoratra sy mankany am-piangonana ?

-  Hitari-bady tsy lasam-bodiondry izany ? Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka. Fomba amam-panao nentim-paharazana io. Tsy hita izay maharatsy azy.

-  Sady toa mandany fotoana koa ange fa roritinareo amin'ny kabary e !

-  Roritina roritina inona ry Andry ô ! Tena ilaina ny kabary. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanatontosana ny vodiondry ny kabary.

-  Dia naka mpikabary koa izany isika ?

-  Efa milamina ny amin'izany, lehiroa fa aza rerahan'ise amin'ny fanontaniana toa izany eo ny renin'ise a, hoy rainy nandray fitenenana.

Tsy te hifamaly tamin-drainy i Andry ka naleony nivoaka moramora namonjy ny efitranony. Variana ery izy mijery ny sarin'i Tiana napetany ho mora hita teo an-doha fandriana. Toa manonofy izany izy. Tsy ho nofy intsony tokoa fa tsy ho ela dia ho tanteraka ny faniriany. Rahampitso izany no haterina ny vodiondry. Raha ny marina dia tsy mampaninona azy velively ny hisian'ny mpikabary eo amin'izany fanateram-bodiondry izany. Ny nahiany kosa dia sao dia ho diso vava ny mpikabary nalainy ka tsy ho tanteraka rahampitso indray ny raharahany. Araka ny reny manko dia hoe mifampitana mihitsy ny mpikabary. Izy moa mpangataka hany ka te hahazo toky izy fa tsy hisy vato hanoha-riana ny fikasan'izy roa.

-  Ka tsy efa vonombonona daholo tokoa moa ve izao ny zavatra rehetra r'ise ? hoy Randriambero tamin-dRasoanoro vadiny.

-  Efa milamindamina daholo ihany aloha ny zavatra rehetra, hoy ny navaliny. Ny manao zavatra moa tsy mora ka tsy maintsy miomana hatrany ihany isika.

-  Miomana amin'ny inona indray moa r'ise ? Ise ihany eo no milaza fa efa milamindamina daholo ny zavatra rehetra.

-  Oadray, hoy Rasoanoro, sady tafatsangana izy no nandray ilay borisa namboariny misy ny vodiondry. Saika nohadinoiko ny nampiseho ity an'ise. Borisa kely namboariko ity. Efa nataoko ao anatiny ao ny vodiondry hoentina rahampitso. Manahoana no fijerin'ise azy ?

-  Ny fijeriko azy ahoana indray ? Ise ihany no efa miteny fa borisa namboarin'ise. Dia tena ise tokoa ve no namboatra azy ?

-  Aza mba mankaloza eo r'ise fa izaho ve hihambo raha zavatra tsy nataoko akory a ! Raha tsy matoky ahy ise dia anontanio i Andry fa izy no nahita ny nanjairako ity.

-  Aiza no hoe tsy hatoky an'ise aho, hoy Randriambero, sady notehatehafiny ny sorony havanana. Iza indray no hatokisako raha ny andefimandriko no tsy hinoako teny ?

-  Ka manahoana ho'aho no fijerin'ise azy ?

-  Hita fa tsara ko... Tena tsara. Fatratra e ! Ise ve hanao zavatra ratsy.

Dia natolotry Rasoanoro am-badiny ilay borisa mba hobikainy tsara. Noraisin'Randriambero ilay izy ka nobikabikainy fatratra. Notsirihiny koa ny habetsahan'ny vola tao anatiny. Miramirana endrika ery Rasoanoro mahita ny fankasitraham-badiny ny asa tanany.

Noraisin-dRasoanoro nony avy eo ilay borisa ka nampiriminy tao amin'ny efitra fatorian'izy mivady sady narahiny fitenenana hoe :

-  Ato anatin'ity vatasarihana ity no ampirimantsika azy r'ise.

-  Aiza ? hoy Randriambero nanontany.

-  Ka hoe ato anatin'ity vatasarihana ity, ho'aho, no ampirimantsika ny vodiondry, hoy ramatoa vadiny sady nosarihany ilay izy hahitany azy tsara.

Rehefa izany dia niomankomana ny hatory ry zareo satria efa mandroso ho alina tokoa ny andro. Tsy hitahita akory dia tonga ny maraina. Samy somadodoka ny rehetra. Andro fampakarambady moa ka samy tsy misy tafandrimandry. Efa vita kalamina ny omalin'iny daholo ny kojakoja samihafa. Tsy aritry Rasoanoro ny tsy hijery ilay borisa ka nosintoniny moramora ilay vatasarihana. Akory anefa ny hatairany ? Tsy tao amin'ny nametrahany azy ilay izy. Fa nankaiza ? Nipepipepy sy nitotototo eran'ny trano ramatoa.

-  Nafindranao toerana angaha ilay vodiondry Randriambero no tsy hitako ao amin'ilay nampirimantsika azy ?

-  Tsy hitanao ahoana ? Tsy hitanao ahoana ?

-  Jereo ange e :tato anaty vatasarihana no nampirimantsika azy halina. Nony maraina ny andro dia tsy ao intsony. Ka ho aiza foana eo ilay izy ? Tsy misy afa-tsy izaho sy ianao anefa ato an'efitra.

-  Tsy ao intsony ahoana ?

-  Ka hoe nanjavona ilay izy. Raharaha ity, raharaha tokoa ! Nanjavona ilay borisa. Very aho zanakovavy ! Dia ahoana ?

Nokorofohin-dramatoa ny entana eran'ny trano.

-  Fa inona ity mampipepipepy an'i neny toa izao ? hoy Andry tsy naharitra.

Halohalika ny ranom-bary ka tsy afaka ny tsy hilaza aminy ny vaovao reniny na dia tsy tian-dRasoanoro aza ny hanakorontana ny sain-janany amin'izao andro hampakarany an'i Tiana izao.

-  Ho aiza moa izany fa tsy ho ao amin'izay nampirimanareo azy ihany, hoy Andry te hampahery an-dreniny.

-  Tena nanjavona tokoa anie ilay izy ry Andry fa tsy somonga na vazivazy e !

-  Misy lolo mihitsy angamba ity trano ity, hoy Rabehevitra, vahiny anisan'ny nasaina tonga ny omalin'iny.

-  Misy lolo ahoana ? hoy Andry te hanadihady.

-  Tsy tao amin'ny efitra fatorian'izy mivady ray aman-dreninao ve no maty ny raibenao ? Somary be sangisangy izay izy fahavelony ka iza no mahita na mba te hanao sangy mahery amintsika izy...

-  Aza miteniteny foana eo Rabehevitra a, hoy Rasoanoro somary nitrerona. Aza korontaninao amin'izany resaka izany ny lohan-janako.

-  Be sangisangy tokoa ange iny rafozandahinao iny Rasoanoro e !

-  Na be sangisangy toa inona aza izy, tsy izy mihitsy no hanao izay hampitondra fahasahiranana ny taranany, indrindra amin'izao andro fampakarambady izao. Aiza ve ka efa voaomana tsara izao ny vodiondry ka dia nanjavona fotsiny izao ?

-  Asa ko..., hoy Rabehevitra somary nisafosafo loha.

Sahiran-tsaina mafy sady nalahelo fatratra Rasoanoro. Efa mba nisahiranany aok'izany ilay borisa kely nefa izao dia nanjavona tsy hita popoka. Amin'ny sivy maraina no nifanarahana hanateram-bodiondry. Raharaha ity ! Fa nankaiza ilay vodiondry ? Nankaiza ilay borisa ?

Frantsa, desambra 2008

Antsiva


Dans la même rubrique :
FAMBARA VE ?
ANJOMARA
HATRAMIN'NY NIARAHANTSIKA...
NOFY LASA TENA IZY
NANKAIZA ILAY VODIONDRY ?
Angano ... Arira ...
IZA ARY I DADARABE ?
ANTSAM-PITIAVANA
RAHA FANTATRAO RY NENY...
MPANOLANA ZAZA

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ