NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Vaovao Farany / Actualités littéraires > Ny teny malagasy : teny enti-mampianatra ny taranja siantifika

SOLONAVALONA ANDRIAMIHAJA
Ny teny malagasy : teny enti-mampianatra ny taranja siantifika

mardi 25 novembre 2008, napetrak'i / mis en ligne par Nary


Ny teny malagasy : teny enti-mampianatra ny taranja siantifika


--------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- ----

Lahatsoratra fintina natokana ho an'ny mpanao gazety ity.

Ireo mpanao gazety sy olona mila ny lahatsoratra feno dia angataho amin'ny adiresy ery ambany izany


--------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- --------- ----

Niteraka ady hevitra lava ary mbola mitohy eo amin'ny haino aman-jery sy eto amin'ny firenena ny fanambaràn'i Rtoa Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Mahajanga tamin'ny volana Jolay 2008 momba ny fampiasana ny teny malagasy eo amin'ny fampianarana.

Ny antony mety nahatonga an'izany dia ny tsy fahampian'ny fanazavàna avy amin'ny Fanjakana sy ny tsy fisian'ny fifanakalozan- kevitra mialoha amin'ireo ankolafin-kery voakasik'ity raharaha lehibe ity : fikambanan'ny Sekoly tsy miankina, Firaisamonina sivily na fikambanana ara-kolontsaina, ohatra.

1 Tanjona

Iombonana ny tanjona voatondro ao amin'ilay Lalàna N° 2008-011 tamin'ny 17/08/2008 navoakan'ny Ministeran'ny Fanabeazana sy Fampianarana ary Fanofanana manavao ny rafi-pampianarana dia « ny ampakarana ny firenena ho anisan'ny firenena mandroso eran-tany nefa koa mitazona ny fahendrena nentim-paharazana ».

Izany fandrosoana izany dia azo avy amin'ny fifehezana ireo fahalalàna sy fahaiza-manao entin'ny siansa sy teknolojia, miteraka famokarana mahomby kokoa sy tsara kokoa eo amin'ny sehatra maro : fambolena, fiompiana, taozavatra, indostria, kolontsaina sy maro hafa.

Mba hanatrarana izany tanjona izany no anavaozana ny rafi-pampianarana : ilaina ny mampita ireo fahalalàna sy fahaiza-manao siantifika sy teknika ireo amin'ny fampianarana ny taranja antsoina hoe « taranja siantifika sy teknolojika », fampianarana atao dieny any amin'ny Ambaratonga Fototra EF1 (T1-T7) sy Ambaratonga Fototra EF2 (T8-T10), tohizana any amin'ny Ambaratonga II (T11-T12) sy manaraka.

Fanazavàna : ny antsoina hoe « taranja siantifika sy teknolojika » dia : ny taranja matematika (aljebra, aritmetika, jeometria, trigonometria, sns . . .), ny taranja siansa fizika (fizika, shimia, . . .), ny taranja siansin'ny zava-boary, ny taranja teknolojika samihafa, . . .

« Mahazo fahalalàna sy fahaiza-manao tsara fototra, mafy orina, azo ampiharina eo amin'ny fiainana andavandro ny mpianatra ».

« Tsy very intsony ny fahaizan'ny ankizy mamaky teny sy manoratra ary manisa », hoy ny Ministera.

2 Misy olana ve ?

Maro tokoa ireo olana eto amin'ity sehatry ny fampianarana ity, ohatra : tsy fahampian'ny mpampianatra, tsy fahaizan'ireo mpampianatra sasany ny teny frantsay, ny fandaharam-pianaran a, ny karaman'ny mpampianatra FRAM ambany loatra, fiovaovan'ny fomba fampianarana, ny teny malagasy, ny fampiasana ny teny frantsay, tsy fahampian'ny trano sekoly, tsy fahampian'ny boky fianarana amin'ny teny malagasy, tsy fahampian'ny vola, . . .

Ny ifantohan'ny ady hevitra ataon'ny maro sy eo amin'ny haino aman-jery aloha hatramin'izao dia ny teny malagasy : momba ny teny malagasy amin'ny maha teny azy ve sa momba ny fampiasana ny teny malagasy eo amin'ny fampianarana ?

3 Olana fototra sy vaha olana

Na tsy mbola manomboka aza ny tetikasa fampiharana dia efa azo atao dieny izao ny mandinika ny fotokevitra natsangana sy ny paika hanatanterahana an'izany ; vokatr'izany fanadihadiana izany dia efa azo vinavinaina sy tombanana ny olana mety hitranga : ny fotokevitra sy paika fanatanterahana, tsoahina avy amin'ilay lalàna novolavolain' ny Ministera mihitsy no loharanon'ny olana.

Tsy hamaivanina ireo olana hafa nefa dia heverina fa ireto ny olana 3 lehibe indrindra eo amin'ny fampianarana ankehitriny :

-  ny teny malagasy amin'ny maha teny azy ;

-  ny fampiasana ny teny malagasy ary

-  ny fampiasana ny teny frantsay (atao teny enti-mampianatra ireo taranja antsoina hoe « taranja siantifika » ao amin'ny T6-T7).

Toa tsisy mpahita na tsisy mpiteny ity olana fahatelo ity ? Io anefa no tena olana lehibe indrindra miteraka ny tsy fahombiazan'ny fampianarana eto Madagasikara nanomboka tamin'ny 1960 ka mandrak'ankehitriny ka tokony ho vahana amin'ny fomba hentitra sy feno fahasahiana.

Mifamatotra ny famahana ireo olana 3 ireo ka ndao hojerentsika tsirairay.

3.1 Ny teny frantsay

Tsy mahay teny frantsay ny maro an'isa amin'ny Malagasy araky ny statistikan'ny Foibe momba ny teny/Akademia Malagasy : 99,4% : miteny malagasy ; 0,6% mahay teny frantsay tsara (ny atao hoe mahay teny frantsay dia manoratra sy mamaky teny frantsay ara-pitsipika, afaka maneho hevitra maharitra amin'ny teny frantsay, afaka manao ady hevitra ifamaliana amin'ny teny frantsay, mahafantatra ny kolontsaina sy sivilizasiona frantsay) : tsy tenindrenin'ny Malagasy ny teny frantsay, tsy tenim-pireneny, tsy hain'ny ankamaroan'ny Malagasy satria tsy milona ao anatin'ny tontolo frantsay ny ankamaroan'ny Malagasy koa ahoana no terena ampianarina amin'ny teny frantsay ireo mpianatra malagasy ireo ?

Ny UNESCO dia manaporofo fa ny fampianarana amin'ny tenindreny/tenim- pirenena ihany no hitondra fahombiazana eo amin'ny fampianarana amin'ny Ambaratongam- pianarana rehetra : Ambaratonga I, II sy Ambaratonga Ambony/Universite.

Porofo : ireto firenena ireto dia mampianatra amin'ny tenim-pireneny daholo :

USA : teny anglisy-amerikanna

Japon : teny japoney

France : teny frantsay

Korea Atsimo : teny koreanna

Vietnam : teny vietnamianna.

Noho izany, ny fampianarana eto Madagasikara ho an'ny mpianatra malagasy amin'ny Ambaratongam- pianarana rehetra dia tokony hatao amin'ny teny malagasy tahaka ny ataon'ireo firenena voatanisa eo ambony ireo sy ataon'ny firenena lehibe maro eran-tany koa, na firenena heverina ho madinika toa an'i Korea Atsimo na Vietnam aza (nefa toa matanjaka noho isika ?).

3.2 Ny teny malagasy amin'ny maha teny azy

Maro tokoa ny fanakianana atao amin'ny teny malagasy : tsy ampy voambolana ny teny malagasy ankapobe, tsy mahay manisa, osa ny voambolana amin'ny sehatra siantifika sy teknolojika, . . .

Tsara anefa ny mampiseho mialoha eto ho fantatry ny ray aman-dreny sy ireo mpanao gazety amin'ny haino aman-jery rehetra ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ireo mpahay teny eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa ny teny malagasy dia voasokajy ho anisan'ny teny matanjaka izay miisa 73 (fitopolo telo amby) amin'ny teny miisa 6800 (enina arivo sy valonjato) misy eran-tany.

Mason-tsivana 3 no iorenan'izany fandinihana izany : (i) fisian'ny teny : ny teny malagasy dia miorina amin'ireo fitenim-paritra maro misy izay endrika maro isehoan'ny teny malagasy tokana ihany ; (ii) fisian'ny mpiteny : 19 Tapitrisa ny Malagasy miteny an'io teny io (efa maro izany) (iii) famaritana ny faritra jeografika onenan'ny mpiteny : Madagasikara, voafaritra mazava nohon'ny maha nosy azy ary midadasika (600000 km2 latsaka kely). Voavalin'ny teny malagasy ireo mason-tsivana ireo : lazaina hoe matanjaka izany ny teny malagasy.

Porofon'io : matanjaka ny teny malagasy eo amin'ny kabary na eo amin'ny literatiora izay mampiasa ny teny malagasy ankapobe.

Na izany aza, nohon'ny fivoaran'ny teny sy ny filàna eo amin'ny teny (eo amin'ny sehatra siantifika sy teknolojika indrindra) dia ilaina ny manamboatra sy manatsara tsy tapaka ny teny malagasy.

o Ahoana ny voambolana tsy ampy eo amin'ny siansa sy teknolojia ?

Tsy marina izany. Misy ireo saingy tsy nampahafantarina na ratsy ny fampahafantarana na fampielezana azy.

Efa tamin'ny 1968 dia nisy ny « Voambolana matematika » (amin'ny teny malagasy rano iray) noforonin'ireo mpampianatra tao amin'ny IREM (Institut de Recherche pour l'Enseignement Mathématique) /Faculté des Sciences, Universite Antananarivo : misy voanteny 600 (eninjato) ahafahana mampianatra ny matematika hatrany amin'ny Maîtrise/DEA.

Marobe ireo tenivao noforonina teo amin'ny matematika, fizika, shimia, siansin'ny zava-boary, teknolojia tamin'ny andron'ny Repoblika II : ahafahana mampianatra ny taranja siantifika rehetra ireo hatrany amin'ny taona famaranana T12 sy mitohy koa any amin'ny Universite.

Raha mbola tsy ampy izany dia efa misy paika azo antoka, manaraka ny fenitra siantifika hamoronana tenivao novolavolain' ireo manampahaizana malagasy.

Ho fampidirana ireo tenivao siantifika fampiasa sy iombonana eo amin'ny siansa sy teknolojia ireo eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia efa nohatsaraina ny abidin-dRadama 1823 ka nampiana ireo litera 5 vaovao : c, q, u, w, x hita amin'ireo tenivao ireo.

o Tsy mahay manisa ny teny malagasy ?

Efa voahitsy izany ankehitriny amin'ny alalan'ny « Fomba fanisana malagasy vaovao » : tena mahomby sy matanjaka, anisan'ny tsara indrindra eran-tany ny fomba fanisana malagasy vaovao, azo ampiasaina tsara eo amin'ny matematika, informatika ka tsy sakana intsony eo amin'ny fampiasana ordinatera na mashinna mpikajy isan-karazany.

Rehefa namboarina sy nohatsaraina ny teny malagasy eo amin'ny lafiny maro dia afaka misolo ny teny frantsay tanteraka izy ary azo atao teny enti-mampianatra ny taranja siantifika eo amin'ny Ambaratongam- pianarana rehetra.

3.3 Fahefana ho fampiasana ny teny malagasy

Inona no tsy ampy amin'ireo hetsika sy tetikasa eo ambony ireo ? Ny fahefana politika omena ny teny malagasy mba hampiasana azy amin'ny maha tenim-pirenena sady teny ofisialy azy (tsy manana an'izany toetra izany ny teny frantsay na ny teny anglisy, noho izany tsy omena izany toerana izany ireto teny vahiny 2 ireto).

Lalàna iray atsangan'ny Fitondram-panjakana no mamaritra an'izany : ny lalàna « Politikam-pirenena momba ny teny ». Io lalàna io no hamaritra, hanara-maso, hanitsy raha ilaina, hanapaka izay hetsika rehetra momba ny teny malagasy ka anisan'izany indrindra ny fisafidianana ny teny enti-mampianatra sy fampiasana azy. Fomba fiasa mahazatra ny manangana an'io politika io ary maro ny firenena eran-tany no efa manana sy mampiasa lalàna toa an'io ao anivon'ny firenena isanisany.

Efa natolotry ny Vaomieran'ny Akademia Malagasy tamin'ny Fitondram-panjakana ny drafitr'io lalàna io tamin'ny voalohan-dohan' ny taona 2008.

Rehefa voavaha ireo olana fototra 3 lehibe ireo dia azo tapahina ny teny malagasy ho teny enti-mampianatra ny taranja siantifika amin'ny Ambaratongam- pianarana rehetra.

Ny fanovàna lehibe toy itony dia mila fanomanana ka tsy azo ampiharina eo no ho eo, fanomanana indrindra indrindra mikasika ny fampiasana ny teny malagasy siantifika, manan-kery ho an'ny Ambaratongam- pianarana rehetra : Ambaratonga Fototra, Ambaratonga II sy Ambaratonga Ambony/Universite.

Fanazavàna : ny antsoina hoe « teny malagasy siantifika » dia ny teny malagasy namboarina sy nohatsaraina araky ny voalaza etsy aloha, § 3.2.

4 Fampiharana 2008-2009 ao amin'ny EF1

Ny ifantohana eto ary ny tena maha maika dia ny « Ambaratonga Fototra Dingana 1 EF1 : T1-T7 » izay maharitra 7 taona satria ao no misy mpianatra maro indrindra, mahatratra 4 Tapitrisa.

T1-T2 : Tsy misy olana, tsy miova, efa amin'nyn teny malagasy tanteraka teo aloha ;

T3-T5 : Tamin'ny teny frantsay ny fampianarana ny taranja siantifika teo aloha : amin'ny teny malagasy tanteraka ankehitriny. Tsy misy olana : efa misy ny boky, ny fanofanana sy fampirisihana ny mpampianatra hiteny teny malagasy tanteraka eo amin'ny fampianarana ny taranja siantifika no tokony hiezahana. Tokony tsy hisy olana.

T6-T7 : Tetezamita : mbola hofanina amin'ny teny malagasy siantifika ny mpampianatra + mbola hatonta ny boky taranja siantifika amin'ny teny malagasy.

5 Fampiharana 2009-2010 ao amin'ny EF1

T1-T5 : Efa amin'ny teny malagasy.

T6-T7 : Efa voaofana amin'ny teny malagasy siantifika ny mpampianatra + efa voatonta ny boky tandrify amin'ny teny malagasy : ampiharina anaovana fisedrana amin'ny 20%-n'ny sekoly miparitaka amin'ny Faritra 22 ny fampianarana amin'ny teny malagasy siantifika (fiparitahana voarindra amin'ny fomba statistika manara-penitra : tanan-dehibe ka anisany ny renivohitra Antananarivo sy tanan-dehibe toa ireo renivohi-paritany teo aloha + Antsirabe sy ambanivohitra) .

6 Fampiharana 2010-2011 ao amin'ny EF1

T6-T7 : Efa vita ny fisedrana amin'ny 20%-n'ny sekoly. Ampiharina tanteraka amin'ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara na sekolim-panjakana na sekoly tsy miankina.

N.B. : Ny fanadinam-panjakana rehetra dia amin'ny teny malagasy, tsy misy intsony safidy omena ny teny frantsay.

7 Fehiny

Ny teny dia marika iray lehibe anehoan'ny firenena iray ny « maha izy azy » sy « maha izay azy ». Ny fampiasana ny teny malagasy dia endrika tena lehibe anehoantsika ny « tsy fiankinan-doha amin'ny teny frantsay, teny vahiny », anehoan'ny firenena malagasy ny fahaleovantenany sy ny fiandrianam- pireneny.

Ny fampiharana hentitra an'ireo fepetra isan-karazany ireo, miorina amin'ny fampiasana ny tenim-pirenena eo amin'ny fampianarana izany hoe : « ny teny malagasy », ho an'ny taranja rehetra (afa-tsy ny teny vahiny) ary amin'ny Ambaratonga- pianarana rehetra no hitarika fahombiazana ho an'ny fampianarana malagasy, izany dia hitarika famokarana bebe kokoa sy tsara kokoa ho an'ny firenena, vokatra hampandroso sy hampiakatra ny firenena : eo amin'ny fari-piainana sy eo amin'ny fahefa-mividin' ny mponina ary eo amin'ny HF (Harin-karena Faobe isam-batan'olona) , tanjona ilokalokantsika rehetra : tsy misy lalana hafa ankoatr'ireo, efa voaporofon'ny UNESCO izany.

Solonavalona Andriamihaja

Tel : 033 06 109 10

email : sandriamihaja@ yahoo.fr


Dans la même rubrique :
Symbolisme des signes utilisés dans la construction du Rova d'Antananarivo
Lavo ilay voara..
RADO
NY MALAGASY SY NY « FAHENDRENY »
LEXICOGRAPHIE MALGACHE ET AFRICAINE
Aza ampijaliana ny tenintsika
Krizy eran-tany
"Tsy tsianjery akory ny kabary na dia misy tsianjery aza ao anatiny"
Le monde de la littérature en deuil :
Sabatra roa lela ny fomba amam-panao

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ