Gina, sina ny rehetra raha nandre fa lasa ianao,
Lasa nialoha làlana. Hatramin'ny lanitra jerena,
Lanitra ory, malahelo. Mitroatra avy ao anaty ao
Ny fahatsiarovana rehetra. Tsiaro tsy hay fefena.
Gina, sina ny rehetra, gina sina anefa ho aiza ?
Lalàm-piainana izao, lalà-mifehy ny manana aina.
Malahelo ny mpianakavy sy ny namana, sakaiza
Nefa tsy afaka manoatra. Lasa ilay nandrandraina
.
Gina, sina ny rehetra, vata-mangatsiaka sisa,
Nindaosin-dRafahafatesana Ilay Zanak'i Gasikara
Kintana iray niavaka tamin'ireo kintan-tsy ho voaisa,
Nitondra anjara biriky ho voarakitra an-tantara.
Gina, sina ny rehetra, manoloana izato lahatra.
Gina, sina ny rehetra nandre ny fahalasananao.
Rehefa tonga izany ora tsy misy afaka mamahatra
Koa mandria am-piadanana, eny veloma no atao.
Frantsa 25 septambra 2008
Antsiva