|
(GEORGES ANDRIAMANANTENA ANTSOINA HOE RADO : 01 OKTOBRA 1923-15 SEPTAMBRA 2008) lundi 22 septembre 2008, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Lasa ianao ka nandao ity tany fivahiniana Lasa ianao ka nandao. Tsy hoe fanahy iniana Fa tonga ny fotoana dia tsy maintsy mandeha Na dia tsy foin'ny rehetra, Tabiha sy Rehareha. Voarabe endriky ny saha, ka tsy hainay fefena Tsy hirotsaka ny ranomaso. Mivoaly mainty koa Indrisy ny lanitry ny literatiora, banga anao !... Lasa ianao ka nandao. Ny asa soratrao mitoetra. Tsy ho lovin'ny fotoana, mampitraka raha joretra. Ny mamy navelanao hotohofin'ny taranaka, Azo anovozana hery raha sendra valaka sy lanaka. Vata-mangatsiaka sisa. Ny Firenena injao tomany. Kintan-Telonohorefy,... dify teo Ilay Olomanga, Lasa tsy hifody intsony. Ny toeranao dia banga. Frantsa 19 septambra 2008 Antsiva |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||