NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Vaovao Farany / Actualités littéraires > Maty ilay poeta

RADO (1923-2008)
Maty ilay poeta

mercredi 17 septembre 2008, napetrak'i / mis en ligne par Nary


Rado Maty ilay poeta Tribune su mercredi 17 septembre 2008

Maty ny alin'ny alatsinainy 15 septambra, tamin'ny 12 ora i teo amin'ny faha 85 taonany Georges Andriamanantena, Poêta sady Mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe « Rado ». Noho ny harerahana vokatry ny fahanterany sy ny aretim-po izay nitsaboana azy nandritra ny iray volana teny amin'ny « hôpital militaire Soavinandriana » no anton'izany. Efa nanao izay azony natao ny mpitsabo manoloana izany tsy fahasalamany izany. Omaly no niala teny amin'ny tranompaty teny Anjanahary ny nofo mangatsiaka ary nentina teny Ivato, trano fonenany fahavelony. Araka ny nambaran'ny fianakaviany, dia hatao veloma farany eny amin'ny FJKM Faravohitra ny razana alohan'ny andevenana azy eny amin'ny fasam-pianakaviana ao Anjanahary.

Olomanga

Azo lazaina fa very olomanga tokoa ny firenena, indrindra ny tontolon'ny literatiora. Maro ny asa soratra vitany, anisan'izany ny fanoratana tononkalo, izay tena nahafantarana azy indrindra. Ao koa ny boky nosoratany anisan'izany « Dinitra », « Zo », « Fiteny roa », sns. Nana-talenta taminin'ny fanoratana tononkira koa i Rado toy ny hiram-pivavahana. Teo ihany koa ny fanaovana sary hosodoko sy sary paik'afo. « Malahelo izahay ary tena mahatsapa fa very mpanakanto mana-talenta mihitsy ny firenentsika satria nahavita betsaka izy teo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy. Ny irina dia mba hisy hisolo izy », hoy Tsiory Randriamasy, mpiara-mivavaka aminy ao amin'ny FJKM Faravohitra.

Ravaka sy Diana ary Rivo

=========================== Iza moa i Rado

I Rado mihitsy no nanoratra ity CV atolotra ho anao ity. Tamin'ny 21 mey 2008 lasa teo no nanaovany azy. Asa, toa efa nandindona azy angamba izao fandaozana antsika izao.

Anarana : ANDRIAMANANTENA Fanampinanarana : Georges Teraka tamin'ny : 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo Ray : ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina (eLa-maty) Reny : RAZAFINDRAFARA (efa maty) Fiaviana : lafin-dray : Betsizaraina - Antananarivo Lafin-dreny : Amboanana - Arivonimamo Solon'anarana amin'ny asa soratra : Rado noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe : "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado" (mitory hatsaran-tarehy) Vady : RAVOLOLONA Edwige Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy) Zafikely : 14 Zanajafy : 12 Sekoly nianarana :

• 1929 - 1931 : Ecole Officielle Faravohitra • 1932 - 1940 : Ambohijatovo Atsimo (FFMA) • 1941 - 1942 : Kolejy Paul Minault • 1943 : Chambre de Commerce (fianarana comptabilité) • 1959 - 1960 : Centre International d'Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- France)

Asa natao : • 1943 - 1955 : Préservatrice Assurances • 1955 - 1966 : Gazety Hehy (nanao gazety) • 1967 - 1974 : Talen'ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra • 1975 - 1977 : Niverina tao amin'ny Gazety Hehy • 1977 - 1989 : Tale tao amin'ny Ministeran'ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera

Asa soratra : « Dinitra » (1973) ; « Ando » (1977) ; « Zo » (1980) ; « Sedra » (1993) ; « Ny Teny Malagasy » (1994) ; « Tsy maintsy mipoaka » (2002) ; « Voninkazo adaladala » (2003) ; « Fiteny roa - En deux Langues » (2005)

Manana tononkalo voadika amin'ny teny : Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema. Fikambanana misy azy : Havatsa - Upem : Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan'ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy (Membre Titulaire)

Talenta hafa : Sary hosodoko, paik'afo (pyrogravure), kiky fitaratra (gravure sur verre), tosi-by (métal repoussé), famoronana hiram-bavaka. Ala voly : Jono (ranomamy sy ranomasina), filalaovana amin-jafikeliny Mariboninahitra : (nomen'ny Fanjakana fa tsy nangatahana) : Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l'Ordre National Malagasy Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto : Antananarivo, Francoville, Paris (Frantsa)

Fanolokoloana : Tao an-tokantranon'ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan'izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin'izy ireo.

Isaky ny Alarobia hariva, alohan'ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan'ny fitaizana azonay teo anivon'ny Fiangonana isan'alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon'ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.

Aorian'io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan'Idada tamin'izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin'ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.

Ankoatra'ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin'izao toerana misy anay ankehitriny izao : mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.

Nampidirina tany amin'ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany : hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon'ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an'Andriamanitra.

Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin'ny andron'ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan'olona tsy misy ilana azy ny firenena.

Antananarivo, 21 mey 2008. ANDRIAMANANTENA Georges RADO

Rado abandonne sa plume Hospitalisé depuis un certain temps, son cœur s'est arrêté hier matin. L'une des figures emblématiques de la littérature de la Grande île s'est éteinte à l'âge de 85 ans.

Une des dernières apparitions en public de Rado (ici avec le maire Andry Rajoelina). Georges Andriamanantena, alias Rado, tire sa révérence à l'âge de 85 ans. Doyen de l' Académie malgache et président d'honneur de l' Havatsa Upem (Union des poètes et écrivains Malgache), il a laissé une veuve et six enfants, dont quatre filles et deux garçons lesquels ont engendré pour le poète 26 petits et arrière petits-enfants. L'amour, Dieu et la Patrie, trois thèmes qui lui sont chers. Un parolier de renom et un poète engagé, la vraie particularité de Rado réside dans son universalisme. La beauté de ses textes basés sur la fraternité qu'il prêche et celle de toute l'humanité est née de son sentiment de partage. Il a approfondi ce sentiment pour donner le goût de la poésie à ses compatriotes. Solidarité Le poète à laissé un héritage inégalable pour le peuple malgache tout entier. A noter que l'éminent membre de l'Académie malgache a sorti dix ouvrages contenant ses poèmes. Toujours souriant, Rado a tissé des liens étroits avec les artistes de la Grande île. Pour preuve, en 2007, quelques artistes comme Solo Andrianasolo, Fanja Andriamanantena, Bodo, Bessa, Poopy, Rija Ramananantoanina, etc.... ont montré leur solidarité en aidant sa famille à recueillir des fonds pour son évacuation à l'étranger lors de la première crise cardiaque. La dépouille mortelle est actuellement veillée à Mandrosoa Ivato. À la demande du ministère de la Culture, des sports et des loisirs, un jour de plus sera consacré à une veillée mortuaire, demain jusqu'à l'aube au Gymnase Ankorondrano. Un culte au temple FJKM Faravohitra sera programmé avant l'inhumation au caveau familial « Makipela » du cimetière d'Anjanahary. Les artistes seront invités à rejoindre ce matin à 9 heures le Palais des Sports et de la culture Mahamasina avant la conférence de presse du ministre chargé de la Culture concernant la cérémonie de deuil du grand poète qu'est Rado.

Encadré Le parcours d'un poète engagé Georges Andriamanantena est né le 1er octobre 1923 à Ankadivato dans le quartier d'Antananarivo situé à l'est du Palais de la Reine. Il entra en 1929 à l'École officielle de Faravohitra, puis continua ses études à l'École d'Ambohijatovo Atsimo (de 1933 à 1941) et les termina au Collège P

Un poète éclectique ouvert à toutes les notions : famille patrie, politique…aul Minault en 1942. Georges Andriamanantena est le dernier fils des cinq enfants du pasteur Gaston Andriamanantena et de Razafindrafara. Dès son jeune âge, son père qui eut beaucoup d'influence sur son parcours littéraire, lui inculqua le goût de la langue et des valeurs anciennes malgaches, l'initia aux toriteny (sermon) ainsi qu'au kabary (discours) et à la musique. Il développa ses connaissances avec des enseignants émérites comme le pasteur Ravelojaona connu pour son patriotisme et Alphonse Ravoajanahary, un des premiers romanciers de la littérature malgache moderne. Hymnes d'espoir Il entre dans la vie active comme comptable dans une société d'assurances (La Préservatrice) à Tananarive mais n'y resta pas longtemps car son goût de l'indépendance l'incite à quitter ce travail pour rejoindre son frère Célestin Andriamanantena à la rédaction du journal Hehy (Rire). Il exercera ce métier de journaliste dans un premier temps jusqu'en 1966. Il n'a interrompu cette collaboration que pour poursuivre ses études à l'École de journalisme de Strasbourg en 1960. En 1961 lors de la enième saisie de leur journal, il écrit son célèbre poème « Ry fahafahana » (Ô Liberté). Pendant une dizaine d'années il travaillera à la maison d'édition protestante d'Imarivolanitra. Il reprendra pendant deux ans son métier de journaliste, de 1976 à 1978, puis sera employé par le ministère de la Culture et de l'art révolutionnaire. Son premier recueil, paru en 1973 sous le titre « Dinitra » (Sueur) et préfacé par son frère, contient tous les thèmes chers à Rado. On y trouve des poèmes sur l'apartheid en Afrique du Sud, sur les luttes fratricides notamment en Rhodésie, sur la guerre du Vietnam. Comme, « Mahazo maty » (Tu peux mourir maintenant) écrits en mai 1972 et inspirés par la manifestation des étudiants. Il appuyait la jeunesse porteuse d'espoir et il ne craignait pas non plus de mettre en cause les pouvoirs en place. Rado peut être considéré comme l'un des meilleurs poètes engagés malgaches dans tous les sens du terme. Chaque situation d'injustice éveille en Rado des sentiments de honte, d'impuissance et de révolte. Mais, dès lors qu'on s'attend à y trouver des lamentations et des cris de désespoir, ses poèmes sont au contraire des hymnes d'espoir. Outre la poésie, il possède des dons incontestés pour la musique et la peinture. Rado a composé une vingtaine de chants religieux qui sont connus à travers l'Ile et même à l'étranger, non seulement par les protestants, pour qui ils ont été composés mais par tous les Malgaches.

Juliano Randrianja
L'Express du 17-09-2008

HOMMAGE

Elie R. se souvient…

Trois évènements ont marqué Elie Rajaonarison. Il a rencontré le grand poète en 1971 lorsqu'il était étudiant à l'université d'Antananarivo à la faculté des Lettres et sciences humaines. Avec l'association des étudiants, il a participé à un montage poétique où il a déclamé un des poèmes de Rado : « Mainty aho ». Ce dernier qui ayant assisté à ce montage a bien aimé la façon dont Elie Rajaonarison à déclamer son poème, « ce fut un grand honneur d'être félicité par le grand Rado », lance-t-il.

La deuxième rencontre fut en 1984 lorsque Elie Rajaonarison publie « Ranika ». Il a invité Rado à écrire la préface. « J'ai été touché car il a accepté même si on n'a pas la même approche poétique, en plus il m'a encouragé dans ce que je faisais, il m'a fait confiance. Rado m'a fait avancer. Je crois qu'il l'a fait pour beaucoup d'artistes de mon époque et même pour les jeunes talents d'aujourd'hui ».

L'année dernière, les deux poètes ont eu l'occasion de travailler ensemble lors de la soirée poétique de l'exposition « 30 et presque songe » à Ankorondrano. « Je pense que c'était sa dernière sortie en public ».

Rado est avant tout pour Elie Rajaonarison, un « Raiamandreny » mais aussi un grand patriote, « Je l'appelle Dada car c'est comme cela que je le voyais. Tout ce qu'il a entrepris, il l'a fait pour son pays. C'est aussi le seul artiste qui a été célébré de son vivant, c'est vraiment rare. C'était un artiste inspiré, talentueux, plein de qualité mais surtout engagé ».

Dans ces propos, il a également fait référence à notre habitude de ne reconnaître le talent d'un artiste qu'après sa mort, il a clairement dit : « Fini le « Maty voa ramalalako », c'est sûr que tout le monde va lui rendre hommage de manière classique, il est temps de changer cela .

Le message que Elie Rajaonarison veut faire passer c'est que la mort de Rado doit être une prise de conscience pour tous les artistes, « Si un jeune de 18 ans apprécie ce que Rado a fait pour le pays et qu'il pleure sa mort, il doit se dire : il me reste 67 ans pour faire mieux que ce poète a effectué », réagit-il.

Annick Sedson
Les Nouvelles du 17-09-08
Adidy hitadidy

I Rado… tanora lalandava

Amin'izao fahalasanan'i Rado izao, tsy aritra ny tsy hanolotra izay sendra voatsirambin'ny fahatsiarovana. Adidy hitadidy fa tanora lalandava i Rado.

Nanomboka ny volana avrily 1988 no nifaneraserako tamin'i Rado. Nanan-pikasana hamoaka boky izahay tanora mpanoratra vitsivitsy, nampamaky azy ny asasoratra nofantenana. Vao nahalala anay hoe mpanoratra izy dia tsy nanaiky raha tsy notononina anarana mivantana : i Rado. Samy mpanoratra, hono, ka foana ho azy ny elanelana. Tsy fomba eo amin'ny mpahaikanto ny manisy hoe Rtoa na Atoa, na nandeha ho azy taminay ihany ny hoe « raiamandreny » rehefa mitafa aminy.

Nahay nifanerasera tamin'ny tanora i Rado, saika izy hatrany no nanolotra ny bokin'ireo tanora mpanoratra... ampolony. Samy nanaraka ny dian-tsoratr'i Rado koa ny maro taminay, na tsy afa-dindo tamin'izany noho ny toerany eo amin'ny haisoratra. Sarotiny tamin'izany izy ! Indray mandeha, nisy mpanoratra nampanao teny mialoha azy, efa an-taonany maro taty aoriana vao navoakan'ilay sakaiza ny bokiny saingy novainy ny asasoratra sasany tao anatiny fa tsy arak'ilay nanaovan'i Rado teny mialoha. Tsy faly tamin'izany i Rado.

« Voninkazo adaladala »

Manao sy mahatanty vazivazy zary tenany izy : taona 2001, sendra nifanena taminy teny Ankadifotsy aho. « Ahoana ny Akademia Malagasy, fa ny vahiny indray ity no mankalaza ny faha-100 taonan-dRabearivelo ? » hoy aho, raha vao vita ny arahaba. Ny anaran'ny minisitra tomponandraikitra tamin'izany no norasainy toy ny fanaon'ny mpianatra, dia fihomehezana ny fisarahana. 6 novambra 2003, tafahaona tamin'ny fanginana teny amin'ny kianjan'Andohalo noho ny fahamaizan'ny Rova izahay. Talohan'io, oktobra 2003, nankalaza ny faha-80 taonany izy : « Voninkazo adaladala », hany mbola nihetsika tamin'ny haisoratra malagasy raha nangingina ny hafa. Nisy lahatsoratra nameno takila iray momba azy navoakako tao amin'ny gazety mpiseho isan-kerinandro iray. « Dia efa tafahoatra loatra ny filazan'ise », hoy izy, toa nanome tsiny. « I Rado ngezalahin'ny taonjato faha-XX » no lohatenin'izay lahatsoratra izay, tsy nierako na nifampidinihako taminy. Nanao vazivazy namiliana resaka no niafarako : « Ary mbola tanora sy mitana ny tovolahy vao avy nankalaza ny faha-80 taona fa mbola manao « jean » ? » Nihomehy izy, dia vita ny resaka.

Sahy milaza ny marina

Tsy menatra milaza ny zava-tsy mety na ny tokony hatao i Rado. Volana jona 1988, nasainy tamin'ny varotra fampisehoana ireo sary paikafo sy hosodoko teny amin'ny Misy Galérie, Analakely, izahay tanora mpanoratra vitsivitsy : nilaza ho tsy nanampo fa tsy niaiky fotsiny. Toa fitsarana ambony ihany, hono, izany, fa ny zava-bita no itsarana ny mpamorona. Manoratra izay iainany i Rado, miaina izay soratany. Taona 2004, nanao varotra fampirantiana tao amin'ny Tahala Rarihasina izy sy ny fianakaviany, saika sahirana aho fa noteneniny mafimafy ihany ny amin'ny tokony hamoahana ireo asasoratra fa tsy tehirizana fotsiny. Tsaroako ny filazany fa midi-trosa izy amin'ny famoahany ny bokiny.

Rafalindranto Ramy, mpanoratra

Andalana nosoratan'i Rado tamin'ny varotra fampisehoana tao amin'ny Misy Galérie, Analakely, 1-4 jona 1988

« RADO sy ny soratsorany

RADO sy ny sarisariny,

no haneho aminao

izay mba nofy notakariny,

ary hanasany anao

sao mba sendra tokotokony

mety hahaliana anao

ny sarisary sy hosodokony. »

TOPIN-TSAINA

Atolotra an'i Rado

Sarisary, soratsoratra

indray mitambatra : fiainana

ladin-kevitra faroratra

tohi-nofy sy fisainana

amin'ny misy andavanandro

satry ihany horantoina

ny hery-aina 'zay fitandro

avy hatrany dia manoina

ny hetaheta ao anaty

hirona amin'ny fara lafatra

vontoaty tsy ho faty

fa raki-tsaina tondra hafatra

Rafalindranto Ramy

(Jona 1988)
Taratra du 17-09-08
Banga ny tontolon'ny haikanto

Nodimandry i Rado… saro-dimbiasana

Banga ny tontolon'ny haikanto

Nodimandry i Rado… saro-dimbiasana

Nodimandry afakomaly halina teo amin'ny faha-85 taonany i Rado, Andriamanantena Gœrges. Namela dindo lehibe eo amin'ny tontolon'ny teny malagasy sy ny haikanto malagasy izy, indrindra eo amin'ny sehatry ny haisoratra. Andrarezina ! Sarotra dimbiasana sy hihoarana…

Tsotra am-pijerena fa lalina fakafakaina, miavaka sy manana ny maha kanto azy eo amin'ny haifanoratra. Izay ny asasoratr'i Rado. Io no nahavaky vava an'ny Pr Siméon Rajaona, tamin'ny fankalazana ny faha-80 taonan'i Rado, oktobra 2003, fa nanenenany, hono, ny tsy nampiditra an'i Rado tao amin'ny tantaran'ny haisoratra malagasy tamin'ny namoahany ny boky « Takelaka notsongaina I », taona 1969. Ho an'izay maharaka ny tantaran'ny haisoratra malagasy, taorian'ny 72 vao tena nahazo toerana teo amin'ny tontolon'ny fampianarana sy ny tanora i Rado tamin'ny nivoahan'ny boky Dinitra, taona 1973. Taty aoriana, saika nisy dindo tamin'ny tononkalon'i Rado izay nosoratan'ny ankamaroan'ny tanora mpanoratra, indrindra momba ny haisora-pitolomana fironan-kevitra nahazo vahana tamin'izany.

Tsy azo dinganina

Tsy azo dinganina eo amin'ny tantaran'ny haisoratra malagasy i Rado, niaiky ny fahaizany avokoa ireo ngezalahy indray nihira taminy toa an-dry E. D. Andriamalala (1918-1979), na Randza Zanamihoatra (1925-1997) samy sakaizany akaiky. Raha mino ny fitsanganan'ny tena na ny mpanoratra amin'ny soratra, ohatra, i Randza Zanamihoatra : mba iza kosa no handimby na hihoatra an'i Rado eo amin'ny tontolon'ny haikanto : kabary, famoronan-kira, fanaovana sary paikafo, indrindra ny fanoratana ? Mpahaikanto feno ! Fiteny mandrakariva ny hoe : tsy misy olona tsy azo soloina na tsy azo hihoarana. Sarotra ihany izany eo amin'ny sehatry ny famoronana sy ny haikanto : samy manana ny maha izy azy sy izay entiny amin'izany ny tsirairay. Ary vao mainka marina izany amin'ny toa an'i Rado.

Ny fahaizana ny teny malagasy, ny fanatevenam-pahalalana amin'izay efa ananan'ny tena, ny fanarahana hatrany ny zava-misy sy ny tantaram-pirenena, ny fivelarana amin'ny hafa, filozohana amin'izay atao na toa "voninkazo adaladala" amin'izany aza... Tsy niala vehana tamin'ireo i Rado ho an'izay mahalala azy. Mba firy amin'ny tanora mpanoratra ankehitriny no toy izany ? Hisy mpandimby àry ve ny toa an'i Rado ? Eny, hihoatra ny zava-bitany aza, fa izay adala no toa an-drainy. Mba tokony hamela dindo amin'ny taranaka ankehitriny koa izany filamatra sy toetra takiana mba hahavitan-javatra izany. Tsaroana eto ny andalan-tononkalony, nivoaka voalohany tao amin'ny Gazety Hehy, taona 1977, fiventinay tanora taty aoriana isaky ny misy mpanoratra modimandry :

"Laingalainga fa raha misy sombin-tsoratra tsy may

Noheverinao ho kila kanjo hay tsy kila akory,

aiza ianao no tsy hahatsiaro ilay nanoratra azy indray

maka sary ilay salovany tsy maty fa matory ?"

Tsy fanohizana ny lalany sy fihoarana ny zava-bitany ve no tena fahatsiarovana mendrika ho an'ny toa an'i Rado ? Indrindra raha ho an'ny zandry zanaka aty aoriana manjohy ny lalan'ny famoronana sy fitiavana ny haikanto... Mirary fampionona feno ho an'ny fianakaviana, ny mpianakavian'ny finoana, ary ny tapaka sy namana rehetra ny Gazety Taratra.

R. Nd.
Taratra du 17-09-08
Misaona ny kanto malagasy

Nodimandry i Rado, andrarezin'ny literatiora

Lavo ny andrarezina ! Nindaosin'ny fahafatesana teo amin'ny faha-85 taonany i Georges Andriamanantena, fantatry ny rehetra amin'ny anarana artistika hoe Rado. "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho Rado", hoy izy ny dikan'io. Ny alin'ny alatsinainy 15 septambra tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany alina no nitolefika ity andry lehibe niankinan'ny literatiora malagasy ity. Zovy no tsy hahalala ny tononkira sy ny tononkalo mamirapiratr'ity kintan'ny literatiora malagasy ity ? Namorona hiram-bavaka toy ny "Mba tantanonao ry Raiko", "Aza avela hahalala" izy. Zovy amin'ireo mpianatra tanora nandalo tao amin'ny kilasy faharoa no tsy nametsovetso ilay tononkalony hoe "Hafatra" : "Ho any ianao kanefa, aza ataonao fantany izao fahoriako izao"(…) sy ny hoe "Sambatra iny lalana iny, lalovanao marain-tsy hariva, ka izay angamba no hanirian'ny voninkazo eny antsefantsefany eny". Firifiry ny tokantrano natsangany tamin'ny kabary ka tsy mety levona ao am-pon'izy ireo hatramin'izao ny fahatsiarovany azy ? Mahasahana lafim-piainana maro ny tononkalo sy ny tononkiram-bavaka noforoniny ka tsy mahagaga raha nitaiza sy namolavola talenta ary namboly ilay "fanahy mahaolona" tamin'ireo mpankamamy ny sanganasany. Iza moa i Rado ? Teraka tamin'ny 1 oktobra 1923 i Rado, pasitera ny rainy ary farany tamin'ireo dimy mianadahy iray tampo aminy izy. Nobeazin'ny ray aman-dreniny tamin'ny fitiavana sy fankamamiana ny teny malagasy izy, ary saro-piaro amin'izany tenin-dreny izany. Tamin'ny 1943 izy no nanomboka niasa, ka "Comptable" no antom-pivelomany tamin'izany. Lasa mpanao gazety tao amin'ny Gazety Hehy izy avy eo ary nandranto fahalalana momba izany tany Strasbourg. Mpikambana tao amin'ny Akademiam-pirenena hatramin'ny taona 1988. Manan-talenta momba ny fanaovana sary hosodoko (paik'afo na pyrogravure), ary fanampin'ny fidiram-bolany io. Namoaka boky maro izy, ka isan'ireny i "Dinitra", "Voninkazo adaladala", "Teny roa", "Zo", "Sedra". Ny tenany arak'izany no nandao, fa ireny no tsangambato hahatsiarovana azy. Izy rahateo nanana finoana lalim-paka fa resin'ny fahatsiarovana ny fahafatesana, araka ilay andalan-tononkalony hoe "Fitsanganana amin'ny maty" : (…) Lazaina fa rakotry ny fahalovana Ny Lasa, ny nisy : milevina anaty Fa ny fiseran'ny fahatsiarovana No ilay fitsanganan'ny tena amin'ny maty. (Rado, marsa 1991, Sedra, tak30) Programa : Hiainga eny an-tokantranony eny Ivato ny razana ary handrasana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina Mahamasina manomboka rahampitso. Ny zoma kosa no fandevenana. Izahay eto amin'ny Gazetiko dia mirary fiononana feno ho an'ny vady aman-janany sy ny fianakaviany manontolo.
Nangonin'i Fy
Gazetiko du 17-09-08

Georges Andriamanantena na i Rado

Olomangan'ny zava-kanto, artista feno

Lavo ny andrarezina, very olomanga ny firenena, ireo no azo hamintinana ny raho-mainty mitatao amin'ny lanitr'i Madagasikara raha nilaozan'i Rado na Georges Andriamanantena. Nodimandry teo amin'ny faha 85 taonany izy. Maty toy ny fahafatesan-tantely, ka maty namela mamy ho an'ny taranak'i Gasikara. Anio ny fara-veloma atao aminy.

Rado ihany no nanoratra ny mikasika azy sy ny mombamomba azy. Hita tamin'ny fikarohana natao tao amin'ny tranom-bokim-pirenena izany.

Ny 01 oktobra 1923 no teraka teto Antananarivo i Georges Andriamanantena, fantatra amin'ny solon'anarana hoe Rado. Andriamanantena Betsizaraina Gaston ny rainy ary zanak'Amboanana- Arivonimamo kosa Razafindrafara reniny. Manambady i Rado ; 6 ny zanany (2 lahy, 4 vavy) ary 14 no isan'ny zafikeliny. Nobeazina tamin'ny karazan-dalao malagasy ary notinaiza hahay mandala ny maha malagasy i Rado Tily ihany koa moa izy koa tsy mahagaga raha mahay miara-monina sy mifandray amin'ny manodidina azy. Manana herin-tsaina, finiavana ary fanantenana ihany koa izy amin'ny maha kristiana azy. Taranaka mpitandrina izy avy amin'ny lafin-drainy, ary anisan'ny mpanohitra tamin'ny Menalamba ihany koa ny fototra niaviany avy amin'ny reniny. Izany indrindra no nahatonga azy ho mpanoratra anisan'ny mifandray betsaka ary nanakaiky kokoa ny vahoaka teo amin'ny fiainana ankapobeny. Hita taratra tao amin'ny asa sorany ny andraikitra lehibe iantsorohan'ny mpanoratra amin'ny maha mpanentana sy mpanabe ary mpitahiry azy ireny. Ny sekolim-panjakana tao Faravohitra no nianarany voalohany ; ny 1939-1941 no nianatra tao amin'ny sekoly Ambohijatovo Atsimo ; tamin'ny 1942-1943 kosa dia nifindra tao amin'ny Paul Minault izay sekoly anisan'ny namokatra mpanoratra betsaka tokoa ; ny 1943-1955 izy no niasa tao amin'ny trano fiantohana « La preservatrice » ; tamin'ny 1955-1966 indray izy dia nifototra tamin'ny fanaovan-gazety ; ny 1960-1961 dia nianatra mikasika ny fanaovan-gazety tany amin'ny sekoly ambony momba izany (oniversiten'i Strasbourg) ; ny 1967-1975 no niangaviana hiandraikitra ny trano famoaham-boky protestanta tao Imarivolanitra saingy tsy nitsahatra tamin'ny raharaha fanaovan-gazety izy na izany aza ; ny 1975-1991 indray dia feno telopolo taona latsaka kely ny niantsorohan'izy mirahalahy ny gazety « Hehy » izay azo lazaina fa gazety tena nalaza tokoa tamin'ny fotoan'androny ; ny 1978 dia lasa talen'ny fanapariahana ny kolontsaina sy ny zava-kanto tao amin'ny ministeran'ny Fanolokoloana sy ny Zava-kanto Revôlisiônera izy. Ankoatra ireo dia Mpikabary am-panambadiana ihany koa izy hatramin'ny taona 1949, mpamoron-kiram-pitiavana ary mpanao sary hosodoko sy loko afo. Mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy sy ny fikambanan'ny pôety sy ny mpanoratra malagasy (Uoem). Nitety firenena sy faritra maro. Tany Frantsa izy no nanao ny fianarana momba ny fanaovan-gazety ; tany Moscou sy Nairobi dia nanao fitsidihana tamin'ny maha mpanao gazety azy, nitondra mpanakanto ihany koa ; tany Allemagne sy Roumanie dia nitondra mpanan-talenta ; tany Tanzanie dia nanao valan-dresaka momba ny radio miankina amin'ny finoana ; tany Algérie dia nanomana horonan-tsary mikasika ny tantaran'i madagasikara ; tany Maurice dia nanao fampisehoana ny zava-kanto malagasy.

Ny fiainany ny kanto

Anisan'ny loharano niteraka ny maha mpanoratra azy ny fianakaviana nipoirany. Ny fiainany (eo anivon'ny fianakaviany sy ny fiarahamonina eo amin'ny lafiny sosialy, toe-karena, teti-pitondrana.. ), ireo toerana nalehany notanisaina tetsy ambony dia azo ambara fa sompitry ny aingam-panahy sy ny talenta tsy azo notohaina tao aminy, ka nahatonga azy ho mpanoratra nanomboka hatrany amin'ny faha-14 taonany (1943), izay nanoratany ny tononkalony voalohany indrindra. Mahasahana lafim-piainana maro ny tononkalo sy ny tononkiram-bavaka noforoniny ka tsy mahagaga raha nitaiza sy namolavola talenta ary namboly ilay fanahy maha olona tamin'ireo mpankamamy ny sanganasany. Tsy afaka ao am-bavan'ny maro ankehitriny ilay tonon-kira sy feony midera an'Andriamanitra, miventso fitiavana. « Aza avela ahalala », hira noforonin'i Rado, hita ao anatin'ny fihirana fanampiny an'ny fiangonana protestanta. Hitoeran'ny haren-tsaina sy finiavana ary fanantenana mandrakariva izy. Isan'ireo 14 mirahalahy nanorina ny Fikambanan'ny mpikabary malagasy eto Madagasikara na ny « Fimpima » ny tenany, 45 taona lasa izay. Tia mananatra sy manoro hevitra ny manodidina azy. Averimberiny matetika ny hoe « aleo aloha mitrandraka ny voambolana efa nisy, izay tsy fantatry ny taranaka taty aoriana izay vao mieritreritra ny hamorona vaovao ». Nahavita betsaka teo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy.

Mivelatra manerana ny vanim-potoana maro nifandimby ny asa sorany, raha ny tantaran' i Madagasikara izay mifanindran-dàlana amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy ihany koa no ifotorana, dia ny 1930-1945 no nivoaka ny « Mitady ny very » ; ny 1945-1960 kosa ny « Mitolona ho amin'ny fahaleovantena ». Azo itarafana ny vanim-potoana nifandimby rehetra ny asa-soratra nataony.

Tao anatin'ny mpikatroka « Akfm » izy ary tao no nisian'ny faharesen-dahatra nananany ka nanoratany. Tao anatin'izany ny zava-nisy tamin'ny taona 1972 namoronany ilay tononkalo hoe « Dia ho nisy ve ? » na koa « Mahazo maty » ; ny 1975-1993, teo amin'ny fiainam-pirenena dia vanim-potoana izay nahitana ny fampanantenana poaka aty nataona mpitondra, ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny hakivian'ny valalabemandry ; ny 1990-1991 indray dia vanim-potoana nanovan-drafitra ; ny 2002 no nivoaka ilay boky « Nipoaka ny sarom-bilàny », tamin'ny tolom-bahoaka teo amin'ny 13 mey ; ny 2004 indray no nivoaka ny « Voninkazo adaladala » ; ny 2005 no boky farany navoakany dia ny « Fiteny roa » tamin'ny teny malagasy sy frantsay. Azo tarafina ao amin'ny asa sorany avokoa izany zava-misy izany. Ankoatra ireny, dia misy ihany koa karazam-pifandraisan'ny olona samy olona toy ny fitiavana ny zanaka, ny raiamandreny, ny fanavakavahana amin'ny endriny samihafa. Azo tsongaina ny fanavakavaham-bolon-koditra tatsy Afrika atsimo, olona ho amin'ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Ny taona 1991 izy no nanoratra ny « Boloky » mba hisainan'ireo olom-boafidy amin'ny fanekena mandrakariva izay lalàna naroso, ny famakiana bantsilana ny tsy mety ataon'ny mpitondra fanjakana, ny tsy fanekena ny tsy rariny nisy teto amin'ny firenena niteraka ny raharaha 2002…Telo no asa soratra tena malaza natontany : "Dinitra, Zo, Sedra". Mbola misy anefa ireo izay mbola tsy nivoaka boky saingy hita any amina gazety lehibe maro hatramin'izay, indrindra ny gazety « Hehy ». Niara-niasa tamin'i Celestin Andriamanantena izy tamin'izany. Tsy ny tononkalo ihany anefa no sehatra nivelaran'ny taleny fa teo ihany koa ireo tonon-kira fiderana an'Andriamanitra (17) sy ny hiram-pitiavana. Mikasika itsy farany, dia betsaka tokoa ireo mpihira kalaza ankehitriny no mindrana ny sanganasany. Filohamboninahitry ny Fikambanan'ny Mpikabary eto Madagasikara

Zanak'Ambila izy

Nikoizan'iero rehetra mpanao fialan-tsasatra tany Ambila Lemaitso, ny fahaizany sy ny rahalahiny mikarakara sy manentana lalao samihafa. Tamin'ny taona 1960 ka hatramin'ny 1970 dia mpaka rivotra any Ambila izy sy ny fianakaviany. Mikarakara afon-dasy izy ireo amin'izany. Misy ny tantara kely lalaovin'olom-bitsy, ny fifaninanan-kira, ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, izay hifanandrinan'ny tompon-tany sy ny mpiala sasatra, ny fampihomehezana nataon'i Clim, sakaizany, fifaninanana manao sary amin'ny fasika ary tena nampiavaka ny fialan-tsasatra tamin'izany dia ny fifaninanana lomano eo amin'ny lakan-dranon'i Pangalàna. Rehefa fakan-drivotra dia tsy mba manadino ny mankany Ambila i Rado sy ny fianakaviany.

Manan-talenta manokana

Mahay sary hoso-doko izy, ny paik'afo na "pyrogravure", ny kiky fitaratra na "gravure sur verre", ny tosi-by na "métal repousé". Ireo mari-boninahitra efa azony Efa nahazo ny "Commandeur, Chevalier, Officier ; Grand croix de 2ème classe de l'ordre national Malagasy ", izy. Tsy mba nihetry voninahitra izany i Rado ary tsy nihena mihitsy ny fitiavan'ny olona azy. Manana tononkalo voadika tamin'ny teny frantsay, rosiana, anglisy ary alemana izy.

Notezaina tamin'ny fomba kristiana

Novolavolaina sy notaizain-dRay aman-dreniny tamin'ny fivavahana kristiana ry zareo mianadahy avy. Araka ny fitantarany fony fahavelony, dia "sarotiny tamin'izay ny Ray aman-dreniny. Isaky ny alarobia hariva alohan'ny hatory, dia manao fotoam-pivavahana fohy iombonana izahay mianankavy, ka mifandiby isan-kerinandro amin'ny fitarihana izany vavaka izany. Aorian'izay dia ampianarina ny fomba amam-panao maha malagasy izahay mba ho tia sy hahay ny teny malagasy. Ampahafantarina anay ny ohabolana malagasy. Tsy maintsy mahay ohabolana iray isan-kerinandro izahay mianadahy avy. Ankoatra izay anefa, dia nampianarina ho tia hira sy mozika ary zava-maneno. Ao koa ny fampianarana ho tia angano, tantara, sy sary. Ireo rehetra ireo no namolavolana any ka nahatonga anay ho lasa mpanoratra, mpamorona ny kanto, mpanao gazety, mpamoron-kira ara-pilazantsara. Tsy izay ihany anefa, fa nampanaovin'ny Ray aman-dreninay Tily ihany koa izahay. Ny fitaizana amin'ny skoty dia manampy betsaka amin'ny maha olona satria mampianatra ny tena mba hahay hiafy, hahay mikaroka vahaolana sy mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahay mahaleotena amin'ny zavatra atao, fianarana ny fiarahamonina indrindra mba ho tia tanindrazana sy ho tia an'Andriamanitra. Ireo rehetra ireo no nitambatra ka lasa lasitra nibeazana anay mianadahy avy, ka naharesy lahatra ahy fa ny fanolokoloana sy ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano toy izay natao anay, no antoka voalohany maha firenena ny firenena iray ary indrindra maha olom-banona ny taranany. Isaorana etoana ireo nanampy tamin'ny fikarohana ny momba azy tao amin'ny tranom-bokim-pirenena, Randrianarisoa Eugène, Raveloarison Felaniaina, Razafimantsoa Malalatiana, Rakotondrabe Nirina.

La Vérité du 22-09-08


Dans la même rubrique :
Harivariva amorom-patana
"Madagascar aujourd'hui, pays ouvert sur l'avenir"
Lavo ilay voara..
« Firesahana indonezianina-malagasy »
Littérature et poètes malgaches d'hier et d'aujourd'hui
Mafy izany te ho vazaha
RADO, l'illustre poète malgache nous a quittés
Vers la découverte des métiers du livre
Femmes et société à Madagascar : regard d'une historienne sur les femmes malgaches merina
Poésie en liberté

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ