NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne > Tononkalo / Poésie > Fredy JAOFERA > ISAKY

ISAKY

lundi 1er octobre 2007, napetrak'i / mis en ligne par Nary


Isaky ny nisy ady mafy nanatrehako ny fiainana,
tsy teo akory ianao
nanampy hitari-dàlana sy mba azo nitarainana
fa naneso, nankalao !

Isaky ny nisy zava-tsarotra nilako vahaolana,
tsy reko akory ianao
fa nitsinjaka aza, na tsy niteny, tsy nivolana
no tsapa fa natao.

Isaky ny nisy faharesena nitakiako vonjy marina,
tsy avy akory ianao,
fa mainka nanakivy sy nikendry tsy hahatafarina
no fohaziko eto izao.

Isaky ny nisy ranomaso nilatsaka tsy fidiny,
tsy hita akory ianao
nanaiky hizara tamiko ny vesatry ny ngidiny
fa namely sy nandao.

Fredy JAOFERA


Dans la même rubrique :
TSY NY SISASISAM-BOLA...
IARIVO
TSY KAMBOTY TSINONA
FIRY TAONA ? !...
HENATRA
NY HATSARAM-PANAHY
NANANTENA
FILAFILA
KETRAKA
ARAHABA

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ