ENY HO AHO
Eny ho aho ray vitsika momba kitay
Mivetso saingy mikalo ny hiran'andafy
Mihary an-davitra e ! Lavitra anay.
Manina ny akany fodiana ka mihafy
Mahatsiarotsiaro fa tsy afa-manoatra
Ka na manina aza, ny fo no mitroatra.
Eny ho aho ray Ramatoa sy Andriamatoa.
Naterak'ilay Vohitra anivon'ny riaka
Nitady ianareo ka nahita ny soa
Nizaha ianareo ka tsy ho resy tomika
Ka ianareo no basy, ianareo no rehareha
Sady tafondro midoboka no varatra mipoaka
Mahasahana hitoetra, tsy very mandeha
Tsiron'ny tany, rehareham-bahoaka.
Fa hono ho aho iky ry zareo ?
Ilay ala nahavanon-ko lakana ve
Efa ritra ?
Eh !... ilay toerana nisy an'i Besakana
Sady kila no triatra
Ny toerana nahahendry an-dry Kaky
Anjakan'ny ditra... !
E ! Tsy ho vitan-tsento raha izay efa rava
Ka inona no atao...
Hihoby ireo biby masiaka
Izay miletra toa gisa manihika ?
Sa hiaro ity vohitr'i Kaky
Dieny mbola tsy tantely vaky ?
Indrisy ! Tsy afa-milaza izay mbola tsy efa
Ka atao ahoana anefa ?
Hitehin-kiho hanarama
Sa hiroboka hihosy honahona ?
Hisedra ny maina malama
Sa hiala sarotra amin'ny hoe mionona ?
Eny ho aho ry zareo
Ny an'ny olona toa vitany ihany
Ny azy toa mirobona foana
Ny antsika toa milefitra hatrany
Mila hampiteny ny moana
Fa ilay fandrotrarana tao an-tanana-Ntaolo e toa lavitra ka tsy hita hantsoina !
RAZAFINDRATSIMA Ndremahery - MOIRAX 07 AOGOSITRA 1997