NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne > MALALA !…

MALALA !…

dimanche 28 janvier 2007, napetrak'i / mis en ligne par Nary


Malala !…

Hataoko ahoana no hanadino
Tsy hahatsiaro anao lalaiko ?
Hataoko ahoana koa no fino
Fa ianao ho foana ato an-tsaiko ?

Fa na aiza na aiza tany aleha,
Na aiza toerana itodiana,
Dia tsisy zava-kafa re
Ao an-tsaina, ao am-po,
Afa-tsy ianao, ry Tiana
Ianao foana no ao an-doha.…

Na inona na inona atao,
Na inona na inona kasaina,
Dia tsisy dika tsotra izao
Raha tsy ho anao, Sombinaina !…
Dia mbola ianao foana ihany
Ianao hatrany, sesilany
No manenika, manerana
Mambabo fo, tsy azo ferana !…

Fa feno anao manontolo
Ny tontoloko, ny fiainako
Ny eritreritro, fisainako…
Ny taloha ? : toa voasolo !
Ny ankehitriny ? : miova volo !
Tsaroako ho foana ilay Izaho
Sy ireo zava-mifamaho
Izay nandrafidrafitra azy,
Marina io, tsy vazivazy !

Fa Ianao sisa no tavela
Dify, takona ny ela.
Ny omaliko, ny lasa :
Tsisy hita fa voafafa,
Voafafan'ny fitiavanao :
Sary-nofy, kilalao…
Ka tontolo vaovao
Tontolo hafa noho ny hafa
Feno hanitra sy tafa
No natolotrao ho ahy
Ka maninteraka fanahy…
Tonga ianao sy ny aminao
No andrefesako ny fiainana
Fa tena ianao tsotra izao
No mibaiko ny fisainana…

Tiako ny mitia anao.
Mamiko aho tiavinao.
Sambatra aho fa tianao !
Nofy ve sa tena izy,
Fa manao ambozizy
Ao anaty foko ao
Ny hanolotra tsy mihambatra
Fitia ho anao mahasambatra ?…

…Dia misonanina aho, migoka
Ao anaty foko kely
Mankafy
Ilay fitia
Tena mamy toa tantely !
…Dia indro aho milokaloka
Fa hianoka doria
Satria isika hifangia
Eny an-dalan'ny fitia
Sy eny an-davan'ny fotoana
Tsisy farany, antaranoana…

Fa misy ve ny doria ?
Raha ny fitia :
Maniasia ?…
Misy ve ny tsy ho rava ?
Raha isika, lalandava
Tsy afaka hifanatri-tava ?…
…Raha toa tantara indray miseho
No nolalaovintsika teo,
Hataoko ahoana no fananaiky
Izaho koa tsy te hiaiky
Fa ho foana ny fitia
Ka hisy farany ny misy ?
…Indrisy !…

Na izaho, na ianao
Tsy afa-maminany izany
F'izay no trosan'ito tany !
Dia ahoana ? dia ahoana ?
Moa tsy hitafy lamban-tsaona ?
Mankarary ny aiko izany,
Te hampitroatra ny tomany…
Fa hararaotiko ny anio
Dieny mbola eo ianao
Itondrako tambitamby
Sy fitia manana amby
Ho anao, sombinaiko,
Izay tsy foiko sy lalaiko !
Malalako !…

Ny Hanitra


Dans la même rubrique :
TSY ALEO MIFAMPIAKAMA ?
VELOMA
IZA MOA I HILA ?
JAMBA SA MANJAVONA ?
ANJARAN'I JESOA
Misy namana tena tia
IZA MOA I HILA ?
ANTSAM-PITIAVANA
RESA-BEHIVAVY
MPANOLANA ZAZA

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ