|
RAMAROSAONINA EMILE JOSEPH
ILAY FITIAVANA TANINDRAZANA NANDAMOKA jeudi 19 octobre 2006, napetrak'i / mis en ligne par Nary Ramarosaona Emile Joseph Vavolombelon'ny fitiavan-tanindrazana… nandamoka Atoa Ramarosaona Emile Joseph, talen'ny kabinetran'ny minisiteram-panjakana nisahana ny toekarena notantanin'Itompokolahy Rabemananjara Jacques (1960-63) tamin'ny Repoblika I, kaomisera jeneralin'ny fanentanana ny tantsaha sy ny servisy sivika (1963-68), sekreteram-panjakan'ny teti-pivoarana sy ny raharaham-bahiny (1968-71), minisitry ny teti-pivoarana (1971-72). Talohan'ireo, filohan'ny « Union des Intellectuels et Universitaires Malgaches » (Unium) izy (1956-62), anisan'ny nanomana ny Kongresin'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara (1958), izay vao namoahany boky... « Adidy itadidy » no nanoratan'Atoa Ramarosaona Emile J., 83 taona, ny boky « Ny kongresin'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara, Toamasina 2, 3, 4 mey 1958 » na « Ilay fitiavana ny tanindrazana nandamoka », tamin'ny volana jona 2006, araka ny nambarany trao amin'ny « Radio Alliance 92 » omaly. Fitadidiana ny tantara niainany niaraka tamin'ny vadiny, Rtoa Razafindrakotohasina Zaïveline, 80 taona, izany ny boky. Voarakitra amin'izany fa ny Unium no tompon-kevitra niantso ireo antoko pôlitika 11 tamin'ny Kongresin'ny Fahaleovantena tany Toamasina, nandinika izay hiverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara. Tsy nandray anjara tamin'izany ny antoko Parti Social Democrate (Psd). Izay no nahafolo ireo antoko tamin'ny kongresy. « Mamela izay mampisaraka, mampijoro izay mampiray » no teny filamatry ny kongresy, nihevitra fa tsy herisetra no hiverenan'ny Fahaleovantena fa fifanarahana sy fiaraha-miasa amin'i Frantsa. « Repoblika Malagasy iray tsy mivaky entim-bahoaka » no hajoron'ny kongresy, ka natsangany ny « Delegasiona maharitry ny kongresy » hiasa mandritra ny enim-bolana. Atoa Andriamanjato Richard no filohany tamin'izany, Atoa Rabemananjara Raymond William no sekretera jeneraly. Nampifidy ny « Tsia » ny kongresy tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin'ny 28 septambra. Ny « Tsia » dia fahazoana Fahaleovantena mivantana, manapaka ny fifandraisana amin'i Frantsa. « Izany no hany ahazoana antoka fa hiverina tokoa ny Fahaleovantena », hoy ny mpanoratra (tak. 46). Nandresy ny « Eny », izay fizakan-tena miandalana amin'ny fiaraha-miasa amin'i Frantsa. Na teo aza izany, izay firosoana amin'ny Fahaleovantena ihany, dia mbola nanana adidy ny Delegasiona maharitry ny kongresy fa hanao kongresy faha-2 ny volana novambra 1958. Nisy koa ny volavolam-pandaminana maharitry ny antoko 10 : rafitra vaovao iray na antokon'ny kongresin'ny Fahaleovantena. « Tsy nisy anefa izany rehetra izany », hoy ny zana-dohateny ao amin'ny boky (tak. 50). Dia niverina tanteraka ny adilahy pôlitika tamin'ireo antoko pôlitika natambatry ny Unium, fa nisaraka roa na telo ny antoko folo tany Toamasina. « Nitsangana ny sasany tamin'ireo samatsamaka nandrombaka tamin'ny fomba tsy marina sy tsy nifanarahana ny anarana be voninahitra hoe « Antokon'ny Kongresin'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara » notarihin'Andriamanjato Richard tamin'ny novambra 1958 » (tak. 50). « Fahadisoana tsy hay arenina ny nandavan'ny Unium handray ny fitarihana ny Delegasiona maharitra natolotra azy. » (tak. 55). Izay raha fintinina ny boky « Ilay fitiavana ny tanindrazana nandamoka », tsy mbola tena nisy nilaza sy namoaka hatramin'izay. Araka izany, mendrika hananana sy hovakiana… Vavolombelon'ny tantara ! Nangonin'i R. Nd. Mbola hosoratana… Maro tamin'ireo efa namaky ny « Ilay fitiavana ny tanindrazana nandamoka » no nanipy teny tamin'izy mivady fa tokony hosoratana koa ireo zava-bitan'izy ireo teo amin'ny sehatra hafa. Mbola misy àry ireo boky hafa hivoaka atsy ho atsy, eo am-panoratana azy ireo izy mivady ankehitriny : « Quatre années de Loi Cadre » - L'Aube de "la Souveraineté Internationale", « La Force de la Conviction, l'avènement des Laïcs au sein de la FJKM », « FFKM, fiangonana mpaminany manambara », « Les turbulences de la première République », « Zanaka vavin'i Eva, tsy anjorom-bala », « La grande marche de la Liberté 10 août 1991 ». |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||