|
MARGUERITE RAZARIHELISOA
BOKY MOMBA NY ANARANA SY FITENY ILAZANA NY VOAHARY MANONTOLO jeudi 1er juin 2006, napetrak'i / mis en ligne par Nary Marguerite Razarihelisoa Professeur-Chercheur des Universités Docteur-ès-Sciences & Docteur-ès-Lettres Membre Titulaire de l'Académie malgache Chercheur au CEROI-INALCO Académie malgache Sokajy Haikanto sy Hailaza Tsimbazaza, 3 novembre 2005 BOKY MOMBA NY ANARANA SY FITENY ILAZANA NY VOAHARY MANONTOLO (Lexicologie et Terminologie sur l'Environnement) Fikarohana nataon'i Professeur M.Razarihelisoa, Famintinana I. ANARAN'IREO VORONA 225 KARAZANA ETO MADAGASIKARA, amin'ny fiteny efatra samihafa : latina, frantsay, anglisy, malagasy ofisialy sy tenim-paritra. (Nomenclatures de l'Avifaune de Madagsacar, en latin, français, anglais, malgache officiel et formes régionales) Etudes africaines, n,s, 19-20,1993, Inalco, Paris Misy voambolana 1002 ny anaran'ireo vorona 225 karazana, voangona avy tamin'ny boky maro nivoaka efa hatramin'ny taon-jato faha-17 sy tamin'ny mponina avy amin'ny lafivalon'ny Nosy, am-polo taona maro.(64 pages) II. ANARANA ILAZANA NY VOAHARY MANONTOLO, na ny Tsimananaina, ety an-tany, an'habakabaka, sy ny eny an-danitra na ny Mananaina, zavamaniry sy zavamihetsika, amin'ny anarana siantifika sy amin'ny fiteny malagasy noforonin'ny mponina, amin'ireo toerana samihafa itsinjarana ny tontolo iainana vita-Nanahary eto Madagasikara. (Lexicologie sur le monde physique et le cosmos, sur la flore et la faune dans les écosystèmes naturels malgaches). -(110 pages) Fikarohana natao tamin'ireo toerana samihafa itsinjarana ny tontolo iainana vita-Nanahary, notsidihina eran'ny Nosy (saritanin'i Madagasikara misy ny lalana sy toerana niasana), Fampahafantarana ireo harena voa-Janahary amin'ny anarana fantatry ny mpahay Siansa eran-tany Fanandratana ny haren-tsaina sarobidy voarakitra amin'ireny anarana nomen'ny mponina ny zavatra manodidina azy ireny, na ny Tsimananaina, na ny Mananaina, Zavamaniry sy Biby. III. BIOLOJIAN'NY BIBY (essai de Manuel de Biologie Animale en langue malgache, destiné aux étudiants des Universités) Famelabelarana mitambatra ao anaty boky iray ny fomba fiainan'ny Zavamiaina (Biby)- ohatra : fihetsika sy fomba ampiasain'ny Varika rehefa mifidra toerana, sary 3,4-, nalahatra manaraka ny Systematika , nampiharana ny vokatry ny fikarohana momba ny fiteny siantifika malagasy ( Lexicologie et terminologies scientifiques en Biologie) (Annexe III in Thèse de Doctorat « Le malgache et son environnement. Rencontre de la Lexicologie et de la Biologie) ». M.Razarihelisoa, 1996.- ( 1 Résumé Trois ouvrages de Lexicologie et Terminologies scientifiques en malgache sur la nature et l'environnement à Madagascar I. « Nomenclatures de l'Avifaune de Madagascar, en latin, français, anglais, malgache officiel et formes régionales ». Dénominations en quatre langues (latin, français, anglais, malgache officiel et formes régionales) des 225 espèces d'Oiseaux identifiées à Madagascar (1977) ; 1002 vocables recueillis(1993) d'après les nombreux ouvrages et publications depuis le 17e siècle et récoltés auprès des populations dans différentes régions de l'Ile, depuis de nombreuses années. Bull.Etudes africaines, n.s. 19/20, 1993 : 131-195, Inalco II. « Lexicologie sur le monde physique et le cosmos, sur la flore et la faune dans les écosystèmes naturels à Madagascar ». Inventaire lexicologique du monde physique et du cosmos, inventaire des dénominations scientifiques et populaires du monde biologique, plantes et bêtes, dans les différents types d'écosystèmes naturels, mettant en relief la richesse de la biodiversité de la nature et l'originalité de la culture malgache.(110 pages) III. « Biolojian'ny Biby (un essai de manuel de Biologie Animale en malgache ) » Résultats des recherches en Lexicologie et Terminologies scientifiques (Biologie) appliquées dans une vision d'ensemble du mode de vie des différentes espèces animales, exposées dans l'ordre de la Systématique moderne. A titre d'exemple : les mouvements et l'utilisation des membres au cours des déplacements chez les Lémuriens. (fig.3,4)- BOKY MOMBA NY ANARAN'NY VOAHARY MANONTOLO I. ANARAN'IREO VORONA 225 KARAZANA FANTATRA ETO MADAGASIKARA, amin'ny fiteny efatra samihafa : latina, frantsay, anglisy, malagasy ofisialy sy tenimparitra. (Nomenclatures de l'Avifaune de Madagascar, en latin, français, anglais, malgache officiel et formes régionales) . Etudes Africaines, n.s. 19/20, 1993, Inalco,Paris Vorona 225 karazana no fantatry ny Siansa (1977) ; 1002 ny vokabolary voangona (1993). Nangonina avy tamin'ny boky sy lahatsoratra maro nivoaka hatramin'ny Taonjato faha-17 (Flacourt, Webber, Grandidier, Eaux et Forêts, etc.) sy tamin'ny mponina amin'ny lafivalon' ny Nosy , am-polo taona maro . Ny azo lazaina dia manan-karena ny fiteny malagasy. Hita amin'ireo anarana ireo koa fa iray fototra ihany ny teny malagasy. Misy pejy roa (p.140,141) ampisehoana ny endriky ny boky. Fa mba ahoana kosa no misy anarana samihafa ilazana vorona karazana iray ?
II famoronana sary Salobokomana I, II, III Fandinihana Vorompotsy I, III I III fandrafetana teny I fandinihana toetra isan-karazany (critères) : endrika amam-bika mampiavaka na manaitra (bolokibe,bolokikely), toe-batana ( loha misy sanga, tongotra avo dia), feo (kankafotra), lokon'ny volony (finingo maitso, vorompotsy), toerana fonenana (vorombararata), fomba fandeha na fihetsika hafahafa manaitra (salobokomana), foto-tsakafo (voronadabo), fotoana ahitana azy (fitilimbaratra), finoana mikasika ilay vorona (vorondolo), sns. II. famoronana sary avy amin'ny fandinihana ireo toetra ireo, ahitana ny toe-tsain'ny mponina (génie du people) III. fandrafetana voambolana ilazana ilay sary, ahitana ny hasoan'ny teny (génie de la langue) Vorompotsy dia ny lokon'ny volony no nanaovana ny anarany : I ….. III Salobokomana dia ny fomba fihetsik'ilay vorona rehefa misambotra bibikely ao anaty rano hataony sakafo no manaitra : velariny ny elany toy ny elo izay manome aloka mahamora ny ahitana ny bibikely ao anaty rano. Ny misaloboka lamba dia fihetsika fahita andavan'andro Ka io no sary noraisin'ny mponina nandrafetana ny anaran'ilay vorona. Mandalo ambaratonga telo : I….II…III ny fandrafetana anarana II. ANARANA ILAZANA NY VOAHARY MANONTOLO na ny Tsimananaina ety an-tany, an'habakabaka sy eny an-danitra, na ny Mananaina, zavamaniry sy zavamihetsika, amin'ny anarana siantifika sy amin'ny fiteny malagasy noforonin'ny II. ANARANA ILAZANA NY VOAHARY MANONTOLO na ny Tsimananaina ety an-tany, an'habakabaka sy eny an-danitra, na ny Mananaina, zavamaniry sy zavamihetsika amin'ny anarana siantifika sy amin'ny fiteny Malagasy noforonin'ny mponina amin'ireo faritra samihafa itsinjarana ny Tontolo iainana-vita-Nanahary eto Madagasikara. (Lexicologie sur le monde physique et le cosmos, sur la flore et la faune dans les écosystèmes naturels à Madagascar) Misy Toko roa lehibe ity boky ity : Toko I : NY TSIMANANAINA Ny Voambolana ilazana ny zavatra Tsimananaina dia nalahatra mifanaraka amin'ny faritra samihafa eo amin'ny tontolo-iainana : - ety an-tany : tany, vato, rano, ranomasina Toko II : NY MANANAINA, zavamiaina sy zavamaniry, fahita amin'ireo faritra samihafa itsinjarana ny Tontolo-iainana-vita-Nananahary : Alavelona, alabe sy tsingy, ala manaraka sisindrano, savoka, Toerana misy rano (mandeha na miandrona), na mando lava, banjana sy akata Tendrombohita sy tanety, alankoko sy vinany, alandroy, Faritry ny ranomasina : andranto, ankarana, andriaka. Nosoritana eo amin'ny saritani'I Madagaskara ny làlana nombana ; ny tarehimarika manondro ny anaran'ireo toerana samihafa nanaovana fandinihana mandritra ny taona maro ; soritra mainty ny làlana naleha tamin'ny firakodia, soritra mena tamin'ny fiaramanidina (fig 1) Misy fanazavana fohy mikasika ireo toerana notsidihina sy ny toetoetrany ankapobeny. Fitaratra roa mifanatrika kosa no nampiasaina nijerena ny Zavamananaina (zavamiaina sy zavamaniry) fahita amin'ireny toerana ireny, ka amin'ny Izany no natao dia : Teny famaranana : Ireny anarana ireny, izay harena sarobidy, no tena fototra iorenan'ny Sivilizasiona (na Riba) Malagasy. III. BIOLOJIAN'NY BIBY (ZAVAMIAINA) (Essai de Manuel de Biologie Animale en malgache, pour les étudiants des Universités) Boky fianarana misy Famelabelarana mitambatra anaty boky iray, anaovana indray mijery ny fomba faianan'ny Biby isan-karazana, aseho milahatra araka ny Systematika mahazatra. Sary fanazavana : Ny lafiny faharoa amin'ity boky ity dia : Fampiharana ny fikarohana natao momba ny fiteny siantifika Malagasy. Nilaina tamin'izany ny famolahana ny ny fiteny Malagasy fampiasa andavanandro handrafetana fiteny voatokana mifanentana ho an'ny sampam-pahalalana iray (langue courante --- langue spécialisée). Ilaina izany amin'ny fiteny filozofika, amin'ny teny siantifika sy ny hafa koa. Tsara ho tsaovana fa amin'ny fanoratana boky momba ny Siansa toy izao dia misy ambaratonga ny fomba fiteny azo ampiasaina : Misy « Teny mialoha » fanazavana ny fomba nanoratana nyBoky Ao amin'ny faran'ity Boky ity kosa dia misy (tab.1) : fampitahana ireo teny siantifika ampiasaina ato amin'ity boky ity amin'izay efa nampiasain'ny mpanoratra maro hatramin'ny Taonjato faha-19 (Baron, Sibree) ka mandrak' ankehitriny, mikasika ny Siansa biolojika. (Tableau synoptique et comparatif des termes adoptés dans « Biolojian'ny Biby » avec ceux utilisés par d'autres auteurs depuis le XIXe siècle). |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||