NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne > 'NDAO MIHITSY IANAO HO NAMAKO

'NDAO MIHITSY IANAO HO NAMAKO

jeudi 16 mars 2006, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva


Lasa niverina any amin'i Zanahary ilay kalesy afo. I Soa irery no nangenahena lasam-borona teo. Tena mbola tsy naniry handao izao fiainana izao tokoa izy. Tsy nangataka ny ho faty izy. Tovovavy tia mihira izy. Rehefa hira tiany ho hay dia averimberiny sy tsy afaka am-bavany. Izany no nahatonga azy nametsovetso ilay hira tsy fanao alohan'ny hatoriana. Tena tsy vokatry ny fony tokoa ny handao sahady ny havana aman-tsakaiza, ny tapaka sy namana, ny asa, ny mpiara-belona, ny Fiangonana, izao hita maso rehetra izao. Fantany fa tsy tompon'ny aina izy koa matetika rehefa mivavaka izy dia misaotra ny Mpahary fa nahazo tombon'andro. Tsy afaka manampy na dia segondra iray amin'ny androm-piainany aza izy. Ny faniriany dia ny mba hahazoany mamita ny adidiny alohan'ny fotoana handaozany izao fiainana izao.

Raha mbola lasam-borona toy izany izy dia nandre feo tsy nampoiziny toa mitaraindraina avy ao an-damosiny. "Ianao no tokony ho nandeha nefa izaho no lasa", 'ndao mihitsy ianao ho namako fa mangina loatra aho", hoy ilay feo. Niherika izy ary akory ny hagagany nahita an'i Noro havan'i Maria tamy nanatona azy tao amin'ny nofiny. Zafin'ny mpianadahy amin'i Maria i Noro, tovovavy tanora sy tomady tokoa ary tokony ho teo amin'ny fahatelo amby roapolo ranonorany teo.
-  "Ianao no tokony ho nandeha nefa izaho no lasa, 'ndao mihitsy ianao ho namako fa mangina loatra aho", hoy indray izy.

-  "Mbola be ny adidiko, hoy Soa ka tsy vonona ny handeha izany aho".

Nisento i Noro. Tena tsy azo laizina ny valin-tenin'i Soa. Fandavana ankitsirano tsotra izao. Niala nenina hatrany anefa i Noro ka mbola namerina niteny hoe :

-  "Ianao no tokony ho nandeha nefa izaho no lasa, 'ndao mihitsy ianao ho namako fa mangina loatra aho".

Tsy vonona ny handeha izany anefa i Soa ka nanantitrantitra hoe :

-  "Mbola be ny adidiko, ka tsy vonona ny handeha izany aho".

Fandavana ankitsirano no nasetrin'i Soa ny fangatahan'i Noro. Sanatria tsy fiavonavonana na tahotra ny ho faty. Tsy matahotra ny ho faty izy akory. Làlana izoran'ny velona rehetra izany. Mbola tsy te handeha fotsiny izy satria heveriny fa mbola be ny adidy mitambesatra eo amin'ny sorony.

Lasa nanohy ny diany i Noro. Tsy nanaiky handeha mihitsy i Soa ka heriny nitodi-doha ho any amin'izay niaviany. Toa tsy hitan'i Soa akory ny nandehanany. Nisafotofotoan'ny eritreritra samihafa ny lohan'ity tovovavy. Tsaroany ho fenofeno izany ny fony. Te hitomany mafy izy saingy mova tsy ny misy zavatra manakana azy tsy handrotsa-dranomaso. Rehefa nanopy ny masony kosa izy dia nahatsikaritra tovolahy mitakoko mitomany eo ambody fasana.

Taitra tamin'ny torimasony izy. Toa nitamberina tao an-tsainy ny zava-nitranga rehefa tao anaty nofiny. Lasa saina ny amin'ny mety ho hevitry ny nofiny izy. Sanatria ve dia ho faty tokoa i Noro ? Mafy taminy ny nieritreritra izany. Tsy ariny intsony ka nofohaziny i Maria.

-  "Miala tsiny indrindra aho raha manaitra anao ry Maria, hoy Soa".
-  "Fa misy inona ?" hoy Maria sady manoaka sy mikoso-maso izy.
-  "Hafahafa be mihitsy ny nofiko", hoy Soa.
-  "Hafahafa ahoana ?" hoy Maria.
-  "Hafahafa e". Tokoa raha tsy mahalasa saina ahy. Mbola tsy nanonofy toa izany aho hatramin'izay nahatsiarovako saina.

Dia nanomboka nitantara ny amin'ny fahatongavan'ilay kalesy afo i Soa.
-  "Tena nanohina ahy loatra, hoy izy, ny fihaonako tamin'ilay kalesy aho. Raha tsy noho ny adidiko mbola tsy vita dia ho efa lasa nanaraka azy tokoa aho. Ataoko ahoana ny ho fandaozana izao rehetra izao nefa fantatro fa misy adidy mbola tsy efako sady miankina amiko ny fanatanterahana azy ?"
-  "Fa ianao no iza no hiankina aminao irery ny fanatanterahana azy ?".
-  "Tsy mihevitra ny tenako ho "izao" na "izatsy" aho, hoy Soa, saingy fantatro fa tsy mbola tokony handeha aho. Rehefa tonga ny fotoana dia handeha ihany aho. Fa hono ho'aho ? Mpihavana akaiky moa ianareo sy Noro ô ?"
-  "Fa inona koa no nahalasa ny sainao any amin'i Noro ?"
-  "Valio aloha ny fanontaniako e ! Ianao ange no nahafantarako azy, telo taona lasa izay e !"
-  "Mampivady resaka koa ity Soa ity. Tsy rony, tsy ventiny eo dia miampita any amin'i Noro ny resaka."
-  "Mahalasa fisainana ahy mihitsy izay nanofisako azy izay."
-  "Mahalasa fisainana ahoana ?"
-  "Nofiko nanatona ahy izy sady niteny hoe : "ianao no tokony ho nandeha nefa izaho no lasa, ndao mihitsy ianao ho namako fa mangina loatra aho."
-  "Eisy..., mba nofy ririnina ny anao. Nofy ririnina e !"
-  "Indraindray ange ireny nofy ireny misy tanteraka ry Maria e ! Tsaroanao ny nofin'i Josefa ao amin'ny Baiboly ? Nampalahelo ahy koa ny nahita ilay tovolahy nitakoko nisentosento sy nitomany teo ambody fasana. Ny endriny aloha tsy hitako fa ny tolokony no reko.
-  Ny vadin'i Noro angamba izany. Hay mbola tsy nambarako anao moa fa nanambady izy ? Mbola tsy nahita tanora nifankatia toa izany aho hatramin'izay niainako. Sambatra mihitsy izy an ! Sady tiam-bady no tian-drafozana. Ao aminy daholo na endrika, na bika, na hatsaran-tarehy, na fahaizana. Raha ny fandre matetika dia tsy mahay miaraka ny vinantovavy sy ny rafozambavy. Ry zareo kosa dia nifanaraka hatrany. Vao oviana koa i Noro izao no nividianan'ny rafozany masinina fanjairana ! Ny vadiny koa nanome azy masinina fanaovana ba tamin'ny tsingerin-taona nahaterahany."
-  "Tsy te hijanona eto intsony aho ry Maria, hoy Soa, verivery hevitra. Tsara raha mba maka rivotra any Faratsiho indray isika. Sa ahoana ny hevitrao ? Sady mamangy ny iraitampo aminao koa ange isika amin'izay e !"
-  "Izaho indray ve no ho sarotiny amin'izany, hoy Maria. Satriny aza."

Ny ampitson'iny ihany dia nampirimin'i Soa sy Maria ny entan-keliny ary lasa niriotra ho any Faratsiho ry zareo.

Veloma indray aloha Iarivo !

Frantsa, 15 martsa 2005

Antsiva


Dans la même rubrique :
VELOMA
RESA-BEHIVAVY
NANKAIZA ILAY VODIONDRY ?
Ny marina ?
NANKAIZA ILAY VODIONDRY ?
TAO TRANO
ANTSAM-PITIAVANA
ALAIM-PANAHY
ENY HO AHO
Ampaherezo

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ