NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Vaovao Farany / Actualités littéraires > Ny herin'ny teny teo amin'ny Malagasy

Ny herin'ny teny teo amin'ny Malagasy

lundi 3 janvier 2005, napetrak'i / mis en ligne par Nary


 

Ny herin'ny teny teo amin'ny Malagasy

Olon'ny Malagasy, marary teny ny Malagasy, sns. Tsy tonga ho azy anefa ireny fa nisy fiankinany tamin'ny teo aloha. Nanana fitandremana be tokoa izy raha hilaza zavatra na haneho hevitra eo anatrehan'ny hafa noho ny fahalalany fa manan-kery ny teny omena. Hery roa avy hatrany no fonosin'ny teny iray ho an'izay iantefany araka ny fandinihan'ny Ntaolo Malagasy ka nahatonga azy hitandrina.

Ny hery voalohany dia ilay fiatraikany hita maso avy hatrany eo amin'ilay itenenana. Setriny, na akony no ilazany azy. Mety ho faly ilay olona itenenana, mety ho tezitra, mety alahelo, arakaraka ilay zavatra ambara. Fa ny akony faharoa dia ilay hery mifono ao anatin'ilay teny izay ateraky ny hasina ananan'ilay mpiteny. Ity faharoa ity no tena notandreman'ny Malagasy fatratra satria fantany tsara ny akony eo amin'ilay itenenana. Na akony tsy eo no ho eo aza, mavesatra kokoa raha oharina amin'ilay voalohany.

Ny Hasin'ilay mpiteny

Misy ireo olona efa apetraky ny fiarahamonina ho manan-kasina avy hatrany ny teny ambarany. Toy ny Ray aman-dReny mananatra ny zanany, ny zoky manoro ny zandry. Tsy sahin'ireto faharoa mihitsy (zanaka sy zandry) ny nandika izay voalozan'izy ireo noho ny fahalalana ilay "Hasina". Misy koa anefa ireo manana ny hasina manokana ny zavatra ambarany noho ny tombom-pahalalana ananany raha oharina amin'ny olon-drehetra. Toy ny Mpanandro, Mpimasy, Mpisikidy, Mpitsabo, sns.

Ny vokatry ny tsy fanarahana ilay teny

Akony, na setriny, hoy isika, no ilazana ny vokatry ny tsy fanarahana ilay teny. Tsy hoe nateraky ny finoana fotsiny ny fisian'izany fa noho ny ilay "Hasina" mihitsy. Tratran'ny tsiny na Voatsiny, ny olona tsy manaraka ny teny voalazan'ireo manana ilay "Hasina". Matetika no faran'izay mavesatra ny zava-manjo amin'izany. Toy ny tsy fananana taranaka ho an'izay nosokanana tsy hivady, fiainanana tsy zarizary ho an'izay namotsifotsy ny tenin-dRay aman-dReny, sns.

Ny "Hasina" mitoetra amin'olon-kendry

Araka ny fandinihan'ny Ntaolo ihany dia tsy mitomeme-poana ny "Hasina" fa "Sakaizan'ny olon-kendry". Ny olona izay mahakajy izany fahendrena izany no manan-kasina. Olona fitaratry ny rehetra eo amin'izay ataony rehetra, mandala ny rariny, manaraka ny hitsiny, mitsinjo ny kely, filan-kevitry ny mila izany, tsara fitondran-tena, sns.

Ankehitriny ! Tsy mahalala ny lanjan'ny teny intsony ny sasany amin'ny Malagasy, hany ka milaza izay tiany hambara ny tsirairay. Toa tsy misy intsony na ny olom-pady aza fa izay sendra ny vava dia avoaka avokoa. Potika sy very nanaraka izany ihany koa ilay hasina na dia tokony hitondra soa ho an'ny tsirairay aza.

HaRy
Taratra
Wabadoo.mg du 31-12-2004


Dans la même rubrique :
The Sacrificed Generation : Youth, History, and the Colonized Mind in Madagascar.
Jacques Rabemananjara (1913-2005)
La bande dessinée a aussi son festival
Ny teny malagasy : teny enti-mampianatra ny taranja siantifika
NY MALAGASY SY NY « FAHENDRENY »
"Shipwrecks of Madagascar" ("Epaves de Madagascar")
"Fifandraisana sy fiaraha-monina"(Communication et société)
TSY LAVITRA AHO, AKAIKINAO IHANY !
« Il faut une Francophonie plus utile »
L'Edition 2006 du Prix du Jeune Ecrivain Francophone est lancée

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ