|
lundi 3 janvier 2005, napetrak'i / mis en ligne par Nary
Ny herin'ny teny teo amin'ny Malagasy Olon'ny Malagasy, marary teny ny Malagasy, sns. Tsy tonga ho azy anefa ireny fa nisy fiankinany tamin'ny teo aloha. Nanana fitandremana be tokoa izy raha hilaza zavatra na haneho hevitra eo anatrehan'ny hafa noho ny fahalalany fa manan-kery ny teny omena. Hery roa avy hatrany no fonosin'ny teny iray ho an'izay iantefany araka ny fandinihan'ny Ntaolo Malagasy ka nahatonga azy hitandrina. Ny hery voalohany dia ilay fiatraikany hita maso avy hatrany eo amin'ilay itenenana. Setriny, na akony no ilazany azy. Mety ho faly ilay olona itenenana, mety ho tezitra, mety alahelo, arakaraka ilay zavatra ambara. Fa ny akony faharoa dia ilay hery mifono ao anatin'ilay teny izay ateraky ny hasina ananan'ilay mpiteny. Ity faharoa ity no tena notandreman'ny Malagasy fatratra satria fantany tsara ny akony eo amin'ilay itenenana. Na akony tsy eo no ho eo aza, mavesatra kokoa raha oharina amin'ilay voalohany. Ny Hasin'ilay mpiteny Misy ireo olona efa apetraky ny fiarahamonina ho manan-kasina avy hatrany ny teny ambarany. Toy ny Ray aman-dReny mananatra ny zanany, ny zoky manoro ny zandry. Tsy sahin'ireto faharoa mihitsy (zanaka sy zandry) ny nandika izay voalozan'izy ireo noho ny fahalalana ilay "Hasina". Misy koa anefa ireo manana ny hasina manokana ny zavatra ambarany noho ny tombom-pahalalana ananany raha oharina amin'ny olon-drehetra. Toy ny Mpanandro, Mpimasy, Mpisikidy, Mpitsabo, sns. Ny vokatry ny tsy fanarahana ilay teny Akony, na setriny, hoy isika, no ilazana ny vokatry ny tsy fanarahana ilay teny. Tsy hoe nateraky ny finoana fotsiny ny fisian'izany fa noho ny ilay "Hasina" mihitsy. Tratran'ny tsiny na Voatsiny, ny olona tsy manaraka ny teny voalazan'ireo manana ilay "Hasina". Matetika no faran'izay mavesatra ny zava-manjo amin'izany. Toy ny tsy fananana taranaka ho an'izay nosokanana tsy hivady, fiainanana tsy zarizary ho an'izay namotsifotsy ny tenin-dRay aman-dReny, sns. Ny "Hasina" mitoetra amin'olon-kendry Araka ny fandinihan'ny Ntaolo ihany dia tsy mitomeme-poana ny "Hasina" fa "Sakaizan'ny olon-kendry". Ny olona izay mahakajy izany fahendrena izany no manan-kasina. Olona fitaratry ny rehetra eo amin'izay ataony rehetra, mandala ny rariny, manaraka ny hitsiny, mitsinjo ny kely, filan-kevitry ny mila izany, tsara fitondran-tena, sns. Ankehitriny ! Tsy mahalala ny lanjan'ny teny intsony ny sasany amin'ny Malagasy, hany ka milaza izay tiany hambara ny tsirairay. Toa tsy misy intsony na ny olom-pady aza fa izay sendra ny vava dia avoaka avokoa. Potika sy very nanaraka izany ihany koa ilay hasina na dia tokony hitondra soa ho an'ny tsirairay aza. HaRy |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||