|
samedi 20 mars 2004, napetrak'i / mis en ligne par Dadarabe IZA ARY I DADARABE ? Izaho « DadaRabe », na i RABE Andriamanarivo Paoly, na koa " Rova" ho an'ny mpianakavy dia teraka tao Iarivo t@ volana novambra 1968. Dina (Solomahefa RABE), monina ao Voronej (Russie) ; Ambohimanga (Avaradrano) no fiavian'ny rainay, Ambohimamory (Atsimondrano) no fiavian'ny reninay. Ireo RAD-nay kosa dia any avaratr'i Madagasikara (Antsiranana) no monina sy misotro ronono rehefa nahavita ny adidy tamin'ny zanaka sy ny fiaraha-monina. "Entrepreneur en bâtiment" ny raiko, Directeur n'ny "Entreprise RABE". Mpampianatra taranja "Malagasy" teny amin'ny Lycée ny reniko, chargé de cours teny amin'ny CUR Antsiranana koa izy fahiny. Ny fahazazanay dia tsaroako fa feno lalao sy revy tsy tapitra satria mifanakaikikaiky taona izahay ary be namana. Mpianatra mazoto daholo nefa satria samy namely mafy tany amin'ny misy azy avy. Fitaizana kristiana no fitaizana anay. Nanao sekoly alahady, nampianatra sekoly alahady avy eo, nanao chorale, sns. Ny rainay moa dia filohan'ny fiangonana, ny reninay kosa dia filohan'ny fikambam-behivavy (h@izao) ary diakona (h@zao). Ny fitaizana anay navesa-danja ihany koa dia ny fitiavana ny maha-malagasy ary koa ny tanindrazana. Mbola kely izahay dia efa mpikambana sy mpandray anjara mavitrika tamin'ny asan-tanindrazana : fambolena hazo, fanadiovana tanàna, fivoriana ara-politika, hetsika ho an'ny tanora, fampianarana ireo antitra, sns. Nitohy hatraty aoriana izany ary zary lasa fiainana hiainanay. Nony niha-lehibe izahay dia samy nanao ny fianarana nahafinaritra ny fony. I Dina nanao histoire tany Russie, i Ranja nianatra fampianarana tetsy amin'ny EN3 (lettre anglaise) ary nahavita PhD "soil science" (North Carolina University), i Manda ingénieur tetsy amin'ny Agro (Ankatso) ary mamita Doctorat "génie des procédés" etsy Compiègne (UTC). I Ramy nahavita licence (lettre allemande) tetsy Ankatso dia lasa nanohy fianarana any USA. Mifandray tsy tapaka izahay. Mora moa izany noho ny teknolojia ankehitriny. Izaho kosa fianarana ho dokotera no nataoko tetsy Ankatso. Nankaty Frantsa aho rehefa afaka ny concours fidirana ho DIS Psychiatrie (Diplôme Interuniversitaire de Spécialisation). Nahavita Maîtrise de Sciences Biologiques et Médicales (Faculté de médecine de Marseille), DEA Anthropologie Bioculturelle (Faculté de droit et de science politique Aix-Marseille) koa aho. Ankehitriny dia mamita ny Doctorat en sciences sociales (Anthropologie - Histoire - Sociologie) ao amin'ny EHESS. Manambady aho, i HAINGO Prisqua, ary manan-janaka roa : RABE Hasina , RABE Fitia. Eto Aix izahay no monina. Dokotera-Psychiatre (assistant spécialiste) ao amin'ny Centre Hospitalier Pays d'Aix no asako. Zaza malagasy aty an-dafy fa miteny gasy tsy miam-bakavaka i Hasina. Tsy mbola mahay miteny i Fitia satria mbola vao herin-taona. Licence en droit public (Ankatso) ary Maîtrise en Sciences Sanitaires et Sociales, option santé publique (Fac. Méd Marseille) no nataon'i Haingo. Manoratra, manao mozika, miasa, no fandaniako fotoana. Efa namoaka boky tononkalo aho "Dia nisy ny mazava". Maro koa ireo tononkalo nosoratako (500 mahery), mamoron-kira ihany koa ary mandray anjara amin'ireo fety an-kira ety amin'ny manodidina an'i Marseille. Tsy ho ela intsony izahay dia hitodi-doha any Madagasikara. Ny devise-ko : ANDRIAMANITRA - TANINDRAZANA - FIANAKAVIANA DadaRabe Aix-en-Provence |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||