|
mardi 4 juin 2002 Akademiam-Pirenena Malagasy Foibe momba ny teny. Tetikasa « Fanajariana ny teny malagasy » Daty : Marsa 2002
Misedra olana isika malagasy rehefa mikirakira isa sy tarehimarika. Inty, ohatra, isa iray voasoratra amin'ny tarehimarika : « 372 » : ahoana ny famakiana an'io ? Ary ireto isa isan-karazany ireto, ohatra : asa marika 12008 + 453 + 9024 na isa goavana 700682000000 na N° telefonna 22 210 84 na N° karapanondro 101 212 345 678 na N° hira 765 na andininy ao amin'ny Testamenta Vaovao : Joany 21.11 ? Ahoana daholo ny famakiana azy rehetra ireo ? Voavaky haingana ve ? Tafita ve ny hafatra izany hoe takatry ny mpihaino na voasoratra haingana sy eo no ho eo ve ny hevitr'ilay isa, izany hoe ny halehibeny (raha isa fandrefesana ilay isa) na ny anarany sy fanavahana azy (raha isa toy ny N° telefonna ohatra) ? Vita ve ny asa marika ? Tafiditra ve ilay N° telefonna ? Hita ve ilay hira ? Ary maninona no toa matetika miteny frantsay ireo olona ? Ny famakiana na fanononana am-bava ireo isa voasoratra amin'ny tarehimarika no tena olana lehibe ho an'ny mponina malagasy ankehitriny. Ny fitsipika omena manaraka no vaha olana. Ny tanjona dia ny hananana fari-pahalalàna farany izay kely indrindra takiana amin'ny mpianatra madinika ao amin'ny fampianarana Ambaratonga Voalohany (ary takiana koa ankehitriny amin'ny olon-dehibe sy ny manampahaizana indrindra indrindra) eo amin'ny fanisana : « Mahay mamaky teny, manoratra sy manisa ». Mamaky teny dia midika fa mahay mamaky teny sy fehezanteny ary mazava ho azy mamaky sy manoratra isa voasoratra ao anatin'ireny fehezanteny ireny. Ilàna fianarana sy fiofanana izany. Ireto àry ireo fitsipika ilaina ireo. I- Fitsipika voalohany Vakio amin'ny teny malagasy ireo tarehimarika folo voalohany : 1 : Iray, Iraika 2 : Roa 3 : Telo 4 : Efatra 5 : Dimy 6 : Enina 7 : Fito 8 : Valo 9 : Sivy 0 : Zero N.B. : Mariho tsara ny isa « Foana, Tsy misy » : 0 : Zero no fanononana azy, izany no manaraka ny tantaran'ny matematika ary iombonana eran-tany (fa tsy Aotra). II- Fitsipika faharoa Ny famakiana na fanononana isa sy ny fanoratana isa dia toy ny famakiana teny sy fanoratana teny : samy manomboka avy aty Ankavia ary tohizana miankavanana. Noho izany, atombohy avy aty Ankavia ny famakiana na fanoratana ny isa rehetra. Ohatra : 372 Fanazavana : Ny soratra rehetra eran-tany dia manaraka ny zotra marindrano ary ny todika dia todika Havia-Havanana ho an'ny ankamaroan'ny fomba fanoratana mampiasa ny abidia latinna (teny frantsay, anglisy, teny malagasy) na syrilika (teny rosianna). Izany no hilazana hoe : zotra marindrano ary todika Havia-Havanana no fomba arahin'ny teny malagasy ; izany koa no arahin'ny fomba fanisana malagasy vaovao, afohezina hoe : fandaharana ny sokajin'isa todika Havia-Havanana. (Ny soratra arabo dia zotra marindrano koa saingy todika Havanana-Havia ; ny manavaka azy anefa dia ny fanisana tsy manaraka ny todiky ny soratra, izany hoe tsy Havanana-Havia fa todika Havia-Havanana tahaka ny fomba fanisana rehetra eran-tany). III- Fitsipika fahatelo : famakiana na fanononana isa kely (< 1000) Ho an'ny isa kely (<1000) manana tarehimarika miisa 3 toy ny hita ao anatin'ny kilasy iray, oh. : 372, dia ampiasao ny tabilao fanisana kely ahitana ny sokajy telo. Anjatony Ampolony Venty 3 7 2 Toy izao ny famakiana io isa io :
Vokatra famakiana farany : 372 : Telonjato fitopolo roa
Fampiharana sy fanazaran-tena :
Testamenta Vaovao : Joany 21 –11 : « Dia niakatra tao an-tsambokely i Simona Petera ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153 ».
IV-Fitsipika fahefatra : famakiana na fanononana isa lehibe (>= 1000) Ho an'ny tranga faobe, isa lehibe (>=1000) manana tarehimarika mihoatra ny telo, oh : 28518906, dia ampiasao ny tabilao fanisana lehibe ahitana sokajy sy kilasy. Kilasin'ny Miliara Kilasin'ny Tapitrisa Kilasin'ny Arivo Kilasin'ny Venty Sokajin'ny Zato Sokajin'ny Folo Sokajin'ny Venty 2 8 5 1 8 9 0 6 Toy izao ny famakiana io isa io :
28 : Roapolo valo
28 x Tapitrisa è Roapolo valo tapitrisa
518 : Dimanjato folo valo 518 x Arivo è Dimanjato folo valo arivo
906 : Sivinjato enina 906 x Venty è Sivinjato enina (Venty) è Sivinjato enina
28 518 906 : Roapolo valo tapitrisa dimanjato folo valo arivo sivinjato enina V-Fitsipika fahadimy : fanoratana isa amin'ny tarehimarika Ny fanoratana ireo tarehimarika henonao dia atombohy avy aty ankavia ary tohizo tsirairay miankavanana araky ny feo henonao.
VI- Fitsipika fahenina : famoronana kilasy sy fanadiovana Ireto ny kilasy vaovao sy anarana vaovao : ny kilasin'ny Arivo sy ny kilasin'ny Miliara hanoloana ireo taloha (ny kilasin'ny Tapitrisa dia mbola manankery) Kilasin'ny Arivo (vaovao) : Kilasin'ny Tapitrisa : VII- Fitsipika fahafito : fanadiovana Esory ny kianteny mpandrohy SY sy AMBY na eny antenantenany na any amin'ny farateny. VIII- Fampiharana sy fanazaran-tena Famakiana na fanononana isa tsimivaky
Mba hitarihana ny saina noho ny fahazarana teo aloha dia azo tononina ihany ny teny AMBY. Rehefa zatra ianao sy ny manodidina anao dia ho tsapanao fa tsaratsara kokoa ny tsy mampiasa intsony io teny io. Na vakio tsirairay ny tarehimarika : IX- Famakiana na fanononana isa desimaly Araky ny safidinao ny fanokotokoana ny silaka desimaly (tsiroaroa na tsitelotelo na tsirairay).
3,1416 : Telo faingo folo efatra folo enina
3,1416 : Telo faingo iray efatra iray enina X- Fanononana N° telefonna Ho an'ireo isa nomerao manana tarehimarika maro (oh. : N° telefonna, N° karapanondro, N° kaonty banky, …) dia tokotokoy araky ny mahazatra (tsiroaroa na tsitelotelo efa elanelanin'ny fotsy).
Mariho tsara ny hadion'ity fanononana ity, tsy ahitana ny teny AMBY , tsy ilaina mihitsy eto amin'ny telefonna fa mitondra parazita.
XI- Fanononana N° Karapanondro Tokotokoina tsitelotelo no mahazatra :
XII- Fanoratana isa Miantsoa olona iray hafa, asaovy vakiany tsirairay ireo isa amin'ny fanazaran-tena etsy ambony ireo ary soraty averina ho tarehimarika. (Torohevitra : ny fomba fiasa tena tsara dia ny miara-miady hevitra sy mikaroka ao anatina tarika iray, mpiara-miasa na mpiray fikambanana na mpiray tanàna, sns.) XIII- Famakiana lahatsoratra ampahibemaso na amin'ny radio Vakio izao lahatsoratra ahitana isa sy tarehimarika izao : Toy izao ny vokatry ny fifidianana Filohan'ny Repoblika teto Madagasikara tamin'ny 16 Desambra 2001 :
Vato azon'ny kandidà tsirairay avy :
ooooooooooooOoooooooooooo Ny fomba fanisana natolotra eto, antsoina hoe « Fomba fanisana malagasy nohatsaraina » dia mahafeno ny fepetra rehetra takiana amin'ny fomba fanisana siantifika moderna : noho izany, ity « Fomba fanisana malagasy vaovao » ity dia fomba fanisana siantifika tanteraka : Tsy misy kilema / Zero default / Zéro défaut. Mahomby tanteraka io fomba fanisana vaovao io. Novolavolaina sy narindran'i |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||