|
KOLO
mardi 10 février 2004, napetrak'i / mis en ligne par Railovy
FANASANA SORATONON'2004 : Ny Fikambanana KOLO dia manasa antsika rehetra tapaka sy namana ary havana aman-tsakaiza amin'ny Soratonon'2004®. Ao anatin'izany ny fifaninanana sora-tononina sy ny fanolorana ny amboara tononkalo amin'ny teny malagasy voalohany nosoratan'i Aina izay horavahana rindrankira. Io tontolo andro io dia ho eo ambany fiahian'i Bessa, mpanakanto fanta-daza efa iarahantsika mianakavy mahalala ny fandalàny ny teny malagasy. Ny fotoana dia ny Asabotsy faha-20-n'ny volana martsa 2004 ho avy izao ao amin'ny Faculté de Chirurgie Dentaire - 1, rue Maurice Arnoux 92120 - Montrouge manomboka amin'ny 13h30 tolakandro. Santarina amin'ny Soratonon'2004 izany ary arahin'ny fanolorana ny amboaran-tononkalo "Farango sosona" amin'ny fito ora sy sasany hariva. Hanafàna ny rindran-kira sy tononkalo : BESSA sy LOLA, Rija RAMANANTOANINA, Datita RABESON, Aina ary eo koa no hanolorana ny lokan'ny Soratonon'2004®. Tongava maro hanandratra ambony ny maha malagasy antsika na dia lavitra ny tanindrazana aza e ! Ny fandraisana anjara dia 5 euros (Soratononina) na 10 euros (raha miampy rindran-kira). Fomba fisoratana anarana " Soratonon'2004®" : Misy telo ny sokajy hifaninanana : Alefaso amin'ny mailaka ny fisoratanao anaranana miaraka amin'ny anarana sy fanampin'anarana ary ny sokajy hifaninananao. Mariho koa ny sekoly niaviana raha te handray anjara amin'ny fifaninanan'ny maintimolaly ianao. Raha mila fanazavana fanampiny dia tsidiho ny tranonkala www.kolo-malagasy.org Azo antsoina Jarisoa (01.48.80.66.03 na 06.15.95.23.82) na Mamy (06.62.34.68.10) KOLO |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||