|
lundi 10 juin 2002, napetrak'i / mis en ligne par Nary HAINTENY MERINA Tiako hianao Tiako hianao Tiako hianao Tiako hianao Tiako hianao Izany aho vao tianao tokoa Je vous aime. Je vous aime Je vous aime. Je vous aime. Je vous aime. C'est maintenant que vous m'aimez tout à fait. Traduction de Jean Paulhan. ANGANO MERINA RESIM-PAHORIANA KA NAMITAKA. 1 Niainga, hono, ity zanak'olona mpanankarena sy ity zanak'olo-malahelo mba hamandri-borona, ka nahazo vorona roa ilay zanak'olo-malahelo ; fa ilay zanaky ny mpanankarena kosa tsy mba nahazo. Dia niteny tamin' ilay zanak'olo-malahelo izy hoe : " Aiza hovidiko ireto vorona azon' ialahy." Dia nifampiady varotra teo izy roa lahy, ka raikitra, ary omby roa no takalony. Tama-nahazo ilay zanak'olo-malahelo, ka lasa indray namandrika tany an-tsaha ; nefa tsy nahazo, fa nody maina. Nony tonga tany an tanàna izy, dia indreo ny fatin'ireo ombiny takalom-borona niampatra teo am-pahitra ny anankiray, ary ny anankiray nitsitra teo am-bavahady ; ka gaga sady nalahelo izy. Dia naniraka ny ray aman-dreniny izy ka nanao hoe : " Endaho ny ngozy, ary manaova ampempa maromaro, sady anefeo antsy aho, ary akao sodina koa, ka rehefa azo avokoa ireo, dia zairo ao anatin' ny ngozy aho sy ireo zavatra ireo, ka ataovy mitovy endrika amin' ny omby. Rehefa izany, dia ento manatona ny tranon' ny mpanankarena ny sarin' omby ; ary raha tonga any, dia amin' ny zoro firarazana atsangana, ka arinareo tsara. Rehefa izany, dia asaovy jeren' ny tompon-trano sady dokadokafy ka ataovy hoe : Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo !" Dia nentin-drainy aman-dreniny ilay sarin'omby, araka izany teniny izany, ka nony tonga tao an-trano dia nodokadokafana hoe : "E, soa lahy, meja lahy, mendrika lahy, bikàna lahy, anjanajanana lahy, mateza dinihina lahy, soa bangobangoina lahy, indrisy lahy. Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo ! " Dia notsofin' ilaiaka tao anaty ngozy ny sodina, ka nivarakahaka ary nitolagaga foana teo ilay mpanankarena raha nandre izany. Dia niady varotra hividy izy, ka raikitra ariary zato sy omby zato no vidiny. Dia lasa nody izy mivady nitondra ny vola sy ny omby. Nony harivariva ny andro, dia mba niantso kosa ilay mpanankarena ka nanao hoe : " Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo ! " Dia notsofiny tahaka ny teo indray ny sodina, ka aoka izany ny hafalian' ilay mpanankarena. Kanjo nony alina ny andro, rehefa natory avokoa ny tao an-trano, dia notatahany ny antsy ny ngozy, ka nandositra nody tany amin-drainy aman-dreniny izy. Rehefa maraina ny andro, dia nasain'lay mpanankarena naneno indray izy, nefa inona intsony no haneno eo, fa efa lasa nandositra ilaimontana ! Dia gaga ilay mpanankarena, sady nalahelo ny fananany be very maina. Nony tafahoana tamin-drainy aman-dreniny ilay fetsy ratsy dia niteny hoe : " Eny iky, ry ikaky sy ineny ! mafy tokoa lahy ny fahoriana, fa mampanenoneno foana eny an-joron-tranon' olona mba hamitaka I " Izany, hono, no nisehoan' ilay teny hoe : " Mirediredy foana hoatra ny andriandahy lany harena." TOKIN' AINA NY MARlNA ATAO. Nisy, hono, vehivavy anankiray sy ny zanany izay reradreraka tamin'ny fivelomana, ka nanihika no mba nataony filana. Nefa na dia nahantra fadiranovana aza izy, dia nofadiny mihitsy ny halatra. Indray andro dia sendra nanihika tany an-keniheny izy mianaka ka tratra hariva tany. Dia nitomany te hody ny zanany ka nanao hoe : " Matahotra aho, ry ineny, fa alina ity ny andro, sady mangingina loatra isika mianaka aty an-keniheny ! " Fa nanome toky azy reniny ka nanao hoe : " Aza matahotra foana, ry sombinaiko, fa ny olo-marina tsy mba matimaty foana tsy akory." Kanjo tamin' izay sendra tamy kosa ireto olon-dratsy roa lahy : ny iray mpamono olona, ny iray mpamosavy. Nivadi-po tery ilay zazavavy nony nahita azy ka nanao hoe : " 'Ndeha handositra, ry ineny fandrao dia vonoin' ireo eto isika mianaka ! " Nefa tsy nanaiky reniny, fa namaly hoe : " Aza matahotra anaka, fa ny marina tsy mba matimaty foana tsy akory." Rehefa tonga teo amin' ireo jiolahy, dia tsy sahy namono azy mianaka tsy akory, satria vehivavy izy sady tsy nihaingo loatra, fa izao no resadresaka nataony : "'Ndeha hoentintsika hamidy ireto, ka hozaraintsika ny vola vidiny." Dia nentiny tany anaty ala izy mianaka, fa nisy lava-bato fieren' ny jiolahy tany. Nony tonga tany izy, dia lasa ilay jiolahy nitady olona hividy azy mianaka, fa ilay mpamosavy kosa nijanona nahandro vary. Ary izao no hevi-dratsin'izy roa lahy ireo : Nanasa antsy ilay jiolahy hamonoany ilay mpamosavy mba hahazoany ny babo ho azy irery, rehefa maty io. Ilay mpamosavy kosa dia mba nihevitra izay tokony hahazoan' ireo babo ho azy samy irery, ka dia nasiany vorika ny varin' ilay jiolahy. Samy tanteraka tokoa ny hevi-dratsin'izy roa lahy, fa norasain'ilay jiolahy tamin' ny antsy ilay mpamosavy ka maty. Ary nony avy hatreo kosa, dia nahatsiaro noana izy ka hihinana ny vary, dia maty nitsitra teo koa. Nony nahita izany reniny, dia niteny tamin' ny zanany vavy hoe : "Hitanao ary anaka, fa tanteraka tokoa ilay nolazaiko taminao hoe : Ny olo-marina tsy mba matimaty foana tsy akory." Dia lasan' izy mianaka avokoa ny fananana izay nangalarin' izy roa lahy, ka tonga mpanjatobe tampoka foana teo izy mianaka. INVAINCU PAR L'ADVERSITÉ, IL UTILISE UNE SUPERCHERIE Une fois, dit-on, le fils d'un homme riche et le fils d'un homme pauvre allèrent ensemble piéger des oiseaux. Le fils du pauvre en attrapa deux, celui du riche n'en attrapa aucun. S'adressant alors au fils du pauvre, il lui dit : "Combien, les oiseaux que tu as attrapés ? Je te les achète." Un marchandage s'en suivit et ils tombèrent d'accord pour deux bœufs. D'habitude, le fils du pauvre réussissait ses captures, et il repartit dans la campagne tendre ses pièges ; mais il n'attrapa rien et revint bredouille. Or, revenu au village, voici que les boeufs qu'il avait troqués contre les oiseaux gisaient raides morts, le cadavre de l'un à l'intérieur du parc à boeufs, l'autre étendu au portail ; il en fut étonné et consterné. Il donna alors à son père et à sa mère ces instructions : "Prenez la peau d'un bœuf, faites une bonne quantité de gâteaux de farine de riz, forgez-moi un couteau et procurez-vous une flûte. Quand vous aurez réuni ces objets, cousez moi avec tout cela dans la peau et donnez-lui l'allure d'un boeuf. Cela fait, portez ce mannequin de bœuf à la maison du riche et arrivés là, dressez-le, bien d'aplomb à l'angle des prières des ancêtres. Ensuite, invitez le maître de la maison à venir voir ce bœuf dont vous vanterez les qualités et vous direz au bœuf : 'Chante donc, ô taureau à la belle voix !' " Les parents portèrent donc le mannequin de bœuf comme leur fils le leur avait dit, puis arrivés à la maison, ils louèrent l'animal : "Oh ! que tu es beau ! Quelle élégance ! Tu es superbe ! Quelle prestance ! Quelle taille ! On ne se lasse pas de te contempler ! que tu es bien paré ! Quelle merveille ! Chante un peu, o taureau à la belle voix !" Et alors, le compère qui était dans la peau du bœuf se mit à jouer de la flûte. En entendant cela, le richard ne se sentit plus de joie et fut au comble de l'admiration. Il discuta du prix afin d'acheter ce bœuf. L'affaire fut conclue pour cent piastres et cent bœufs. Et les deux époux s'en revinrent chez eux avec l'argent et les bœufs. Vers la fin de l'après-midi, l'homme riche se mit à appeler en disant : "Chante un peu, o taureau à la belle voix !" La flûte joua comme précédemment, à la très grande joie de l'homme riche. Mais pendant la nuit, alors que tous ceux qui étaient dans la maison dormaient, le fils du pauvre décousit la peau avec son couteau, s'échappa et retourna chez ses parents. Au matin suivant, le riche ordonna de nouveau au 'boeuf de chanter, mais d'où serait venue la musique ? Le vaurien s'était sauvé ! Le riche fut stupéfait et regretta ses biens dépensés en pure perte. Lorsque le malin malhonnête se retrouva chez ses parents, il leur dit : "Eh oui ! papa et maman ! L'adversité est bien pénible ! Elle conduit à faire de la musique au coin de la maison de quelqu'un pour le tromper !" C'est de là que viendrait, dit-on, l'expression : "Extravaguer comme un noble ruiné." L'HONNÊTETÉ REND IMPAVIDE. Il y avait une fois, dit-on, une femme et sa fille qui s'échinaient à gagner leur vie et pour subsister elles péchaient au panier. Cependant, bien que misérables et au dernier degré de la pauvreté, elles s'étaient toujours interdit de voler. Un jour qu'elles se trouvaient à pêcher dans un marais, elles furent surprises par la tombée du jour. La fille pleura pour rentrer à la maison, elle disait : "Maman, j'ai peur car il fait nuit et nous sommes toutes seules dans ces marais !" Mais sa mère la réconfortait lui disant : "Ma chérie, n'aie donc pas peur, les gens honnêtes n'ont jamais rien à craindre ! Or, juste à ce moment-là, survinrent deux chenapans : L'un était un assassin et l'autre un sorcier. La jeune fille fut saisie de frayeur en les voyant et elle dit : "Sauvons-nous, maman, de peur qu'ils ne nous tuent !" Mais la mère refusa et lui répondit : "N'aie pas peur, mon enfant, car les gens honnêtes n'ont jamais rien à craindre !" Quand les deux brigands les eurent rejointes, ils n'osèrent pas les leur car c'étaient des femmes et de plus, elles ne portaient guère de bijoux. Voici ce que les deux hommes se dirent : "Emmenons-les pour les vendre et nous nous en partagerons le prix." Il conduisirent donc les deux femmes dans la forêt où il y avait une caverne qui leur servait de repaire. Quand ils furent arrivés là, l'un des brigands partit pour chercher des acheteurs pour la mère et sa fille, le sorcier lui, resta pour faire cuire le riz. Mais voici les mauvais coups que les deux hommes combinèrent l'assassin aiguisa son couteau pour tuer le sorcier et s'approprier le butin pour lui tout seul quand celui-ci serait mort. Le sorcier, de son côté, ayant aussi réfléchi à ce qu'il pourrait faire pour conserver le butin à son seul profit, mit du poisson dans le riz de l'autre brigand. Les projets criminels de ces deux hommes s'accomplirent : le brigand avec son couteau assassina le sorcier qui mourut. Cela fait, comme il avait faim, il mangea le riz et tomba raide mort lui aussi. Voyant cela, la mère dit à sa fille : "Tu vois, mon enfant, ce que je l'avais dit s'est accompli : les gens honnêtes n'ont jamais rien à craindre !" Elles emportèrent tous les biens que les deux hommes avaient volés et elles devinrent subitement très riches.
Nalaina tao amin'ny Anganon'ny Ntaolo, nangonin'i Lars Dahle sy John Sims ary nadikan'i Denise Dorian sy Louis Molet |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||