|
lundi 20 octobre 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva Mahavariana sy mahasondriana tokoa ny mijery sy mandinika ny fomba fijery sy fomba fisainan'ny Ntaolo malagasy. Tsy nataony ambanin-javatra mihitsy ny fanabeazana ny taranaka. Anisan'ny fomba fitaizan-tsaina sy fanabeazana teo amin'ny Ntaolo ny ankamantatra sy ny ankifidy. Samy azo asokajy ho anisan'ny literatiora am-bava ireo sady kilalaon-tsaina mahavariana sy mahafaka andro tokoa. I. NY ANKAMANTATRA Ny ankamantatra dia avy amin'ny fototeny hoe fantatra. Misy zavatra tian-kofantarin'ny mpihaino ary ilana valin-teny eo no ho eo fa tsy miandry ela. Misy olona iray mpitarika mametra-panontaniana izay miandoha hatrany amin'ny hoe : "Inona àry izany" ?. Miantefa amin'ny mpivory rehetra mandray anjara amin'ity kilalao ity ny fanontaniana ary izay mahita na mahalala dia mananga-tànana ka manome ny valiny avy hatrany. Indreto misy ohatra vitsivitsy atolotra antsika : 1 - "Inona àry izany : andrahoin-tsy masaka, atono mora foana" ? Tsy sarotra amin'ny ankamaroan'ny mpandray anjara ny hamantatra ny valin'ity fanontaniana ity. Zava-misy eo amin'ny fiainana andavanandro manko. Inona tokoa re no tsy mety ho masaka rehefa andrahoina nefa rehefa atono dia vetivety foana ny fiovana hita eo aminy ? Azon'ny mpihaino an-tsaina avy hatrany fa volo io. Tsy miova ny volo raha atao ao anaty vilany na dia hoketrehina ela ao aza. Mikarainkona avy hatrany kosa izy raha vantany vao atao ao anaty afo ka tsy misy horaisina intsony. Arak'izany dia mamaly izay mahita voalohany ka miteny hoe :
2 - Inona àry izany : izay teraka lahy avokoa ? Mety ho latsadatsaka kokoa noho ny ankamantatra teo aloha ny isan'ny olona hahita ny valin'ity fanontaniana ity avy hatrany. Mety ho lasa ny eritreritra hoe "inona tokoa re no mety ho lahy avokoa ny aterany" ? Ny kilalaon-tsaina eto anefa dia miharo kilalaon-teny ihany koa. Izay fatra-pandini-javatra sy kinga saina dia hahatakatra fa tsy inona tsy akory izany fa :
Tsy fandre sady tsy fampiasa na oviana na oviana ny hoe : ny vavin-jiro fa ny lahin-jiro hatrany. Tsy mahagaga àry raha miteny ny mpanontany hoe : "izay teraka lahy avokoa." Ny teny hoe ny lahiny dia fahita ihany koa amin'ny fomba fiteny toy ny hoe : lahim-bahona (tige de l'aloès), lahim-panalahidy (pêne des serrures). 3 - Inona àry izany : Ingahibe misonanina ; izy mirahalahy mpitan-defona ; Iketaka mpiaro lalitra ; izy efa-dahy mpilanja ?" Mety somary hampiasa saina tokoa ity ankamantatra ity. Samy manana ny anjara toerany sy ny anjara asany ny mpandray anjara tsirairay. Ny mpandray anjara voalohany dia Ingahibe. Ny anjara asany dia misonanina, izany hoe mipetraka manaja tena (eto : eo ambony filanjana) eo am-pijerena ny hafa miasa. Ireo hafa miasa dia tsy iza fa ny mpitan-defona sy ny mpiaro lalitra ary ny mpilanja.
Araka izao ankamantatra izao dia tsapa ho fatra-pandini-javatra tokoa ny Ntaolo malagasy. Hainy ny mampifandray ny zava-misy iainany andavanandro amin'ny tontolo iainany. Hita taratra eto ny fanajana ny raiamandreny izay efa antitra (Ingahibe). Avo toerana ny trafo, lanjain'ny tongotra efatra ary tsy ampanaovina asa handreraka azy intsony fa dia mijery azy rehetra miasa kosa. Tsy misy mpanelingelina Ingahibe. Hatramin'ny lalitra aza tsy ho afaka hanakotaba ny filaminan-tsainy satria eo Iketaka misahana ny asa fandroahan-dalitra. II. NY ANKIFIDY Ny ankifidy kosa indray dia miendrika ankamantatra ihany saingy misy safidy asaina ataon'ny mpamaly ny fanontaniana. Tsy mba miandoha amin'ny fanontaniana hoe : "Inona àry izany ?" ity kilalaon-tsaina ity fa avy hatrany dia manontany ny safidin'ny mpihaino. Avy amin'ny fototeny hoe fidy nahazoana ny hoe safidy manko ny teny hoe ankifidy. Avy amin'ny fahaizan'ny ankizy sy ny tanora mamaly ireny matetika no ahitany taratra sahady ny mety ho toetoetrany sy fomba fisainany. Ao amin'ny ankifidy, araka izany, dia sady mamantatra ny hevitra mifono ao anatin'ilay fanontaniana no misafidy ihany koa izay tiana ho an'ny tena amin'ireo. Koa amin'ny maha ankifidy azy dia miandoha amin'ny hoe : "alao izay ho anao" izy. Indreto misy ankifidy vitsivitsy atolotra antsika : 1 -Alao izay ho anao : be maso anaty vero sa kely maso anaty vato ? Inona no mety ho be maso anaty vero ? Rehefa alefa ny fisainana dia fantatra avy hatrany fa omby io. Ny mpitsoriadriaka anaty vato kosa dia ny saka. Fampitahan-javatra roa samihafa no hita eto. Fampisafidianan-javatra roa samihafa ihany koa. Ny voalohany dia be maso, ny faharoa kosa dia kely maso. Anjaran'ny tsirairay ny mifidy izay tiany. 2 - Alao izay ho anao : tari-damban'Ikalataraiky sa lanja basin'Ikotoadala ? Inona no tiany ambara amin'ny hoe tari-damban'Ikalataraiky ? Inona koa no sary tiany aseho amin'ny hoe lanja basin'Ikotoadala ?. Raha ny mety ho nantenaina manko dia hoe tafy lamban'Ikalataraiky. Eto anefa dia tari-damba. Avy amin'ny hoe tarika sy lamba. Itsy voalohany antsoiny hoe Ikalataraiky, ny faharoa kosa dia Ikotoadala.
Oharin'ny mpampisafidy amin'ny vehivavy iray taraiky izay mila tsy haharay lamba intsony ny kary. Manana ny maha izy azy sy misy dikany manko ny fomba fitafy lamban'ny vehivavy. Raha tsy tafina araka ny tokony ho izy dia mampiletsy lanja ny mitafy azy. Ikalataraiky eto dia tsy manome hasina mihitsy ny fomba fitafy lamba amin'ny maha Malagasy. Tsy entinentim-poana koa ny basy izay fitaovam-piadiana hiarovana amin'ny fahavalo mety hanafika. Mivaona amin'ny fahita andavanandro ny fitoeran'ny tandroka izay fiarovan'ny omby ny tenany. Ny an'ny omby manko dia eo amin'ny lohany no misy ny tandroka. Izany no mety ho niantsoana azy hoe Ikotoadala. Koa raha aroso ny ankifidy dia azo an-tsaina avy hatrany fa ny tandrok'omby no ho fidin'ny maro. Sady fiarovana io no maneho endrika ny harena sy ny tanjaka. 3 - Alao izay ho anao : sintonina ny lohany mitonjika ny rambony, sa sintonina ny rambony mitonjika ny lohany Biby roa samihafa izay samy manana ny maha izy azy no voalaza eto. Eo amin'ny fombafombany no hamantaran'ny mpandray anjara amin'ity kilalaon-tsaina ity azy. Fomban'ny osy ny mitonjin-drambo raha sintonina ny lohany. Fomban'ny kary koa ny mitonji-doha raha sintonina ny rambony. Ho an'izay mahalala dia ho fantany avy hatrany fa osy sy kary ireo. Samy misy fihetsika mahery vaika na ny osy na ny kary koa asakasak'izay hifidy ny iray amin'ireo satria safidy fa tsy didy ny ankifidy. FEHINY Mifaniho faka ny fiainan'ny olombelona sy ny tontolo iainana. Eo amin'ny tontolo iainana no miainga ny garabolam-pitaizana sy ny fanabeazana. Tsy nilatsaka avy tany an-danitra fa toy ny fitaratra maneho ny fifandraisain'ny Ntaolo tamin'ny tontolo niainany ny ankamantatra sy ny ankifidy izay mitaky toe-tsaina tia mandinika sy mamakafaka. Vakoka sarobidy sy hanitra nentin-drazana tsy lany hamamiana ireo. Kolontsaina tena manana ny maha izy azy hatrany koa. Rariny sy hitsiny noho izany raha omena ny anjara toerany hatrany ny ankamantatra sy ny ankifidy eo amin'ny fitaizana sy ny fanabeazana. Frantsa 19 ôktôbra 2003 Antsiva |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||