NY HAISORATRA
MALAGASY
Ireo mpanoratra ankehitriny / Ecrivains en ligne
Ato no misy ireo mpanoratra vaovao sy efa fantatra ary ireo rehetra izay te hametraka ny asany satria tia ny haisoratra.
Dans cette rubrique sont présentés des ecrivains de l'espace littéraire contemporain malgache englobant tout le continuum des genres depuis la littérature de tradition orale à l'usage de l'expression étrangère.
Bilaogy / Blog (vaovao !)
Tantara / Romans
Tononkalo / Poésie

Lesona sy fitsipika / Leçons de malgache
Amporisihina ireo mpampianatra sy mpikaroka momba ny teny sy ny fitsipi-panoratana. Lieu réservé aux enseignants, chercheurs sur la langue et les règles...
Tsipelina / Orthographe
Voambolana / Vocabulaire

Mpanohy any amin'ny namana / Nos Liens
Takalom-patsa ... ... vers d'autres sites

Mpanoratra Efa Fantatra / Auteurs Classiques
Ho an'izay te hametraka ny asan'ireo izay efa fanta-daza eo amin'ny haisoratra malagasy.
Pour ceux qui voudront mettre en ligne les incontournables de la littérature malgache.

Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle
Un espace privilégié pour les formes traditionnelles proches de l'oralité que ce soit le Kabary, le Hainteny ou les Proverbes.
Fomba amam-panao sy soatoavina
TANTARAM-PIRENENA

Panorama de la littérature malgache
Etat des lieux et perspectives

Sompitra / Bibliographie
Centres de documentation
Fandalinana / Etudes
Ouvrages de référence

Vaovao Farany / Actualités littéraires
Natao ho fampahafantarana ny famoaham-boky, fihetsiketsehana isan-karazany mahakasika ny haisoratra.
Cette rubrique est consacrée à l'actualité littéraire malgache : les sorties de livres et les évènements relatifs à la littérature malgache.
Vao niseho / Vient de paraître

Vous êtes ici : Ny Taloha sy ny Ankehitriny / Littérature Traditionnelle > NY RIBA SY NY OHABOLANA

NY RIBA SY NY OHABOLANA

lundi 20 octobre 2003, napetrak'i / mis en ligne par Antsiva


Nanana ny kolontsainy sy ny maha izy azy ary fatra-pandini-javatra ny Ntaolo malagasy. Tsy nianatra tam-boky izy fa ny fahaizany mandinika ny zava-boahary sy ny tontolo niainany no nanefy ny fomba fisainany sy ny fomba fijeriny ka zary loharano nanovozany ny fahaiza-miaina.
Miainga amin'ny zavatra hita maso sy mahazatra ny daholobe mandrakariva ny fomba fijeriny. Teraka avy amin'io ny fisainany mirakitra fomba amam-pahendrena lalina sy haren-tsaina vitsy mpanana. Azo fintinina amin'ny hoe tsileondriaka holovain'ny taranaka fara aman-dimby izany. Ny antsoina hoe Ntaolo eto dia ireo Malagasy rehetra efa nodimandry ka tsy nandairan'ny kolontsaina vahiny sy ny fanjanahantany fa nanana ny ribany.
Ny riba dia ireo toetra rehetra sy fomba amam-panao, ka mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-manana aina hafa rehetra, mampiavaka ny firenena iray amin'ny hafa ihany koa. Azo lazaina fa tsoa-kevitra avy amin'ny fampiasana ny teny hoe riba araka ny lovantsofina io famaritana io. Raha ny lovantsofina manko no atao jery todika dia midi-droa ny hevitry ny teny hoe riba. Ny heviny voalohany dia hoe "fivalanan-drano". Ny heviny faharoa kosa indray dia "rindrina".
Araka izany, ny riba dia toetra mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-manana aina hafa. Fa ny akoho, ohatra, raha mivalan-drano dia sady mandeha no manao ny ataony. Fandre mahazatra ny hoe : "ny olombelon-tsy akoho", rehefa mandeha lavitra amin'ny fiara fitaterana. Tonga dia fantatry ny mpamily fa poritra ilay olona ka tokony hajanona ny fiara. Ankoatra izay, ny olombelona ihany no manao rindrina fialokalofana fa ny an'ny zava-manana aina hafa dia lava-bato tsotra na toerana efa vita-nanahary.
Ny ohabolana kosa dia ilay fitaratra azo itarafana ny fomba fijerin'ny Ntaolo, ny fomba fisainany, ka ibaribarian'ny ribany izay maneho soatoavina tsy lany hamamiana. Teo amorom-patana no garabolan'ny Ntaolo ary teo amorom-pahitra sy teny am-balam-parihy kosa ny Oniversite-ny (Sekoly ambony). Teo anelanelan'ireo ny ambaratongam-pianarana amin'ny sekolin'ny fiainana nodiaviny ka ny ohabolana no azo heverina fa nitazona ny laka afovoany teo amin'ny fanabeazana. Ny ohabolana manko dia fitaratra nitarafana ny zava-boahary nanodidina ny Ntaolo, fitaratra nitarafana ny fomba fijeriny, eny, fitaratra nitarafana ny fomba fisainany, mirakitra fahalalana sy fahendrena tsy hain'ny taonjato sy ny tantara kosehina, tsileondriaka tsy hain'ny fiainana lozorina.
Ho famaranana dia indro atolotra antsika ity ohabolana iray momba ny vehivavy ity : "Ny vehivavy dia toy ny akondro andrefan-tanàna : tazanina mahamanimanina, atonina ialokalofana, akaikezina feno hafanana, iandrandra-misy voa mahavoky, raha halavirina mahalasa fisainana". Miainga amin'ny akondro, zava-misy fahita andavanandro ny Ntaolo entiny hanehoana sy hanandratana ny hasina ananan'ny vehivavy sy mampiavaka azy eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.

Frantsa 14 ôktôbra 2003

Antsiva


Dans la même rubrique :
PROVERBES MALGACHES
NY ANKAMANTATRA SY NY ANKIFIDY
Sombintsombiny amin'ny hainteny sy angano merina
OHABOLANA MALAGASY
Les douze collines de l'Imerina
Izahay Malagasy - Nous les Malgaches

HAISORATRA | PLAN DU SITE | PRESENTATION | NOUS ECRIRE | CHARTE | ESPACE PRIVÉ