|
VOAMBOLAN'NY FIFAMANGIANA dimanche 25 mai 2003, napetrak'i / mis en ligne par Nary Ireo tsara ho fantatra momba ny fifamangiana eo amin'ny Malagasy« Izay mahavangivangy tian-kavana » hoy ny Ntaolo ». Misy àry ny fifamangina ateraky ny fifankatiavana eo amin'ny fiainana an-davanandro : « trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana » Fa misy dia misy koa ny fifamangiana ateraky ny fifampitondrana eo amin'ny fiainam-piarahamonina. Fiainam-piarahamonina izay heverin'ny Ntaolo ihany koa fa ony misampantsapana tsy maintsy iampitapitana. Ary dia ireny no miteraka ny atao hoe : riban'ny fiampitana. Misy tokoa àry riba samihafa entina manamarika ny fiampitana ireny dingana samihafa eo amin'ny fiainana maha-olombelona ireny. Ary izy ireny dia voamarika hatrany amin'ny fifamangiana. Ny fanambadiana :Izay atao eo amin'ny fangataham-panambadiana : Rehefa mamangy ny fianakavian-drazazavavy ny an-drazazalahy fa hangata-bady, dia misy fanomezana atao ao, kanefa izany dia ialohavan'ny kabary am-panambadiana hatrany. Anjaran-dry zareo mpikabary io, fa izay tsy maintsy hosinganintsika kosa dia ireto :
Any amin'ny faritra sasany, dia tsy maintsy mbola hamafisina eo amin-drazazavavy io famatoram-panambadiana raketin' ny vodiondry io, satria na dia efa nanaiky aza ny ray aman-dreny, dia mbola tokin'izy zazavavy ihany ny zavatra rehetra. Koa atolotra azy amin'ny endrika tanty (saronan-karona) izany vodiondry izany. Saingy dia arahina fanontaniana an-karihary manadihady azy raha toa ka tantiny tokoa ny satam-panambadiana izay idirany. Raha hamafisiny sy ankatoaviny izany, dia izay vao tena atolotra tanteraka ny reny niteraka azy io vodiondry io. Ny takalon'izany eo amin-drazazalahy moa dia ny fanadihadiana ny amin'ny tokim-pitiavany an-drazazavavy, talohan'ny nanekena ny fangatahany, ka nanolorany ny vodiondry. Any amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara aza, dia naka anarana hafa io vodiondry io : "diafotaka". Raha solona asa no atolotra amin'ny vodiondry, amin'ny diafotaka kosa dia omby roa mivady no omen-drazazalahy ny ho rafozany. Anjaran'izy mivady no mampitombo an'ireo mba ho tonga harena-valibabena avy aminy sy ny zanany vavy. Fa na ho inona na ho inona anarany sy karazany, dia eo foana ilay fitsinjovana sy fandalàna ny ray aman-dreny nipoiran'ny vady. Fa « raha tiana tokoa ny vady, dia ny rafozana no tsinjovi-mandeha ». Tsara ihany koa ny manamarika fa ankehitriny dia efa miverina mitafy lamba avokoa ny ankamaroan'ny lehilahy sy ny vehivavy manatrika ny fangataham-panambadiana sy vodiondry. Ary isan'ny mofo zaraina eo amin'ny lanonam-pisakafoana amin'izany ny koban-dravina. Mitady ny very ve sa mamerina ny lasa ? Asa ! … Fa izay aloha no zava-misy. Izay atao eo amin'ny fifamangian'ny mpianakavy : Fa rehefa ny fianakaviana sy ny namana aman-tsakaiza kosa no mamangy ny mpanambady, na mialoha ny andro ampakarana, na mandritra, na ao aoriana tsy ela koa aza, dia tsodrano no anaran'ny fanomezana omena. Ary izany dia arahana firarian-tsoa hatrany, tahaka ny hoe : « Arahabaina fa nahazo tokantrano. Maharena tokantrano ary mahareta hatramin'ny farany : ho toy ny lamban'akoho anie ianareo ka faty no hisarahana. Miteraha fito lahy, fito vavy, na koa hoe izay irina sy tadiavina » Raha mitsidika any an-trano ny mpamangy, dia tsy mba misy pitsopitsony ity fomba ity, fa atomboka amin'ny resaka fanao mahazatra tahaka ireny rehefa mihaona ireny, dia somary laroina vazivazy kely hampihomehy. Ka rehefa tsapa fa mitohy tsara ny fifandraisana dia, atsofoka amin'izay ny resaka famangiana. Ny momba ity tsodrano ity dia azo atao ny manolotra tokoa fanomezana, ka na izany zavatra ilaina amin'ny tokantrano no omena, na koa tena mari-pahatsiarovana niangaliana manokana mihitsy. Fa hita koa anefa ny manome fanaka tahaka ny kidoro, lovia sy sotro, pofo, fanaka mihitsy aza. Fa amin'ny faritra sasany koa dia misy fanomezana saronan-karona maromaro ihany koa, tahaka ny hoe saronan-karona fitahirizana fitafiana, sakafo, vola, masomboly tahaka ny tsaramaso, voan'anana, vary. Mbola iainana any ambanivohitra rehetra any izany, saingy miova endrika kosa rehefa manatona ny tanàn-dehibe samihafa. Fa mety koa ny manolotra vola, ary indraindray aza ny mpanambady dia mangataka mihitsy ny anaovana izany, ka milaza ao amin'ny fampandrenesana fa « ny fomba malagasy no hatao eo amin'ny famangiana ». Tsy misy maharatsy izany satria tsy zava-mora tokoa ny manorina tokantrano. Ny mitera-baoTanteraka eto ilay tsodrano nomena tamin'ny andron'ny fampakarana. Koa faly indray ny havana aman-tsakaiza miarahaba ny terabao. Tsy misy pitsony koa ny fitsidihana fa dia toy ny isanandro ihany. Mbola manan-toerana koa ny vazivazin-dresaka samihafa. Mahatsara ny fifandraisana foana ny fitsikitsikian'ny rehetra. Rehefa mandrimandry tsara àry ny resaka, dia aroso ny fanolorana ny fanomezana. Rompatsa indray kosa no anaran'io zavatra atolotra io. Tsara ny manamarika fa raha ny tantaran'ny fahalalam-bahoaka momba ny fitaizana no asian-teny, ny patsa dia tena mahasoa tokoa ho an'ny vehivavy miterabao, tahaka ny tongotr'omby, ny vavan'omby, ny vavonin-kena. Ireto farany ireto aza moa voalaza fa, ankoatra ny hoe mitondra hery mety hanasitrana ny aretina sasany tahaka ny farasisa, dia mampatsiro sy mampatavy ny nono izy ireo, ka mahatonga ny zaza haroroka sy ho botrabotra haingana. Ny rom-patsa kosa, rehefa hamarinina amin'ny fahalalana siantifika ankehitriny, dia fantatra fa " calcium " velona. Noho ny fivoaran'ny fiainana, ary indrindra noho ny efa fahasarotany, dia nosoloin'ny olona vola io rompatsa io. Ka rehefa manolotra azy dia arahina vavaka sy tsodrano hatrany izany, tahaka ny hoe : " maroroha taiza, beaza faingana ny kilonga hifanantitra aminareo mivady " Tahaka ny efa fanao, dia fomba ihany koa ny manolotra vatomamy ho an'ny mpamangy amin'ny fotoana tahaka itony. Ny famorana :Isan'ny fomba iray voalaza ao anaty Baiboly io fora io. Nolovaina avy any atsinanana raha izany. Fa ho antsika dia fiampitana avy amin'ny maha-vehivavy mankamin'ny maha-lehilahy io. Isan'ny fomba sarotra sy maro karazana koa. Kanefa ny tsotra indrindra dia izay tanterahina eo anivon'ny fianakaviana iray ao amin'ny tanàna iray, izay no hasian-teny. Arahaba ririnina moa no fanao eo. Ary ny fanomezana dia ny kilalao anadalana ny zazalahy kely no tena mahamaika. Izany anefa tsy manakana ny fanomezana vola ihany koa, satria ny manao zavatra tsy mora akory, ka isan'ny azo lazaina hoe anjara biriky entina eo amin'ny fanatanterahana ny famorana izany. Ny aretina :Zava-pisy ary tandra vadin-koditry ny fiainana koa ny fisian'ny aretina. Mifamangy sy mifankahery ary mifanampy ny rehetra manoloana izany. Satria « izay marary andrianina », hoy ny fitenenana. Tsy mba voninkazo tahaka ny fanaon'ny firenen-kafa no atolotra eo, fa ny atao hoe ranom-boankazo. Mety ho tena voankazo novimbinina io, fa matetika dia vola no atolotra, ary izany dia arahina firarian-tsoa hatrany ho an'ny marary mba hody soa ny fahasalamany. Ny handeha lavitra :Tsy dia mateti-pitranga ity, kanefa dia misy ihany eo amin'ny fiainan'ny fianakavina sy ny fiarahamonina. Tsodrano, izay no atolotra eto, satria ny tsodrano zava-mahery, hoy ny Ntaolo. Tsy ilay vola atolotra araka izany no zava-dehibe, fa ny firarian-tsoa sy vavaka ataon'ny havana aman-tsakaiza ho an'izay handeha lavitra : « tsy ho azon-tsampona, tsy ho azon-tambàna, ho tsara mandroso, ho tsara miverina » Ny fahoriana :Tsy misy lehibe sy manan-danja mihoatra noho ity fomba iray ity, satria ny fiampitana eto dia tsy tsotra tahaka izay efa voaresaka hatramin'izao, fa sarotra dia sarotra, satria « fiampitana avy amin'ny fiainan'ny fahavelomana mankamin'ny fiainan'ny fahafatesana », na koa « fialana amin'ny sata maha-olona ary fiampitana amin'ny sata maha-razana ». Tsy akasintsika eto ny fomba fijery samihafa mikasika ny ao ambadiky ny fahafatesana, fa dia izay fomba niheveran'ny Ntaolo azy fotsiny no hanorenantsika ny resaka. Mbola maro samihafa koa ny fomba amam-panaontsika raha io lafiny fahafatesana io no dinihina, fa dia izay fanaon'ny ankabeazam-bahoaka ihany no hasiana teny etoana. Ny fomba rehetra voalaza tetsy aloha dia lazain'ny Ntaolo fa tafiditra ao amin'ny antsoiny hoe « soa », ary ny « soa mampiadana », hoy izy. Ny dikan'izany dia tsy dia azo ifanomezan-tsiny loatra, na ny fahataràna eo amin'ny fanatanterahana azy, na koa aza eo amin'ny tsy fahafahana manatanteraka azy. Fa amin'ny fahoriana kosa dia mavesatra ny fanomezan-tsiny ho an'izay tsy mahavita ny adidiny. Ilana fitandremana àry ny fanatanterahana ity fomban-drazantsika ity. Tsy mivantana ny fomba firesaka eto fa amin'ny alalan'ny sarin-teny samihafa. Sarinteny mikendry ny kanto izay mety ho tafiditra ao anatin'ny paikan-kevitra fanamaivanana ny fahoriana. Tsy amin'ny fotoam-pifaliana ihany akory no tokony hanehoana ity kanto ity, fa amin'ny fotoana maha-ory fo ihany koa noho ny fandaoza-malala. Mikendry indrindra ny hahamaivana ny fandraisana ny hevitra ampitaina amin'ny fotoam-pamangiana koa àry ny sarinteny. Koa satria fahoriana no resahina, dia adidin'ny mpamangy ny misoroka izay rehetra mety hiteraka fanaintainana eo amin'ny fo efa maratran'ny mana-manjo. Raha havana no mijoro dia fandre eo ny hoe : « Tsy zoviana aminareo moa izahay mijoro etoana, satria ny efa fantatrareo rahateo. Fa isika izao no toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany . Isika izao no Ilailava mandry amorom-patana, koa zovy fa izaho ihany. Isika izao no velona iray trano, maty iray fasana. Fa mby amin'ny teny ny Ntaolo hendry hoe : raha avy izay fahoriana, dia misia mijoro ho mpamangy, ary misia mipetraka hovangiana » Raha namana na mpiara-monina kosa dia fandre ny tahaka ny hoe : « isika izao no toy trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana ». Rehefa faritana indray ny momba ilay olona nindaosin'ny fahafatesana, dia tahaka izao no fandre : raha lehilahy lehibe : « toro ny vato nandiavana, folaka ny andry niakinana, lasa ilay tabiha sy reharehan'ny fianakaviana sy ny firenena ». Raha vehivavy lehibe kosa dia azo ampiana hoe : « lasa ilay kitapo nifonosana, ilay reny mpanambitamby sy mpanafosafo ». Raha tanora na ankizy : « nihintsana mbola maraina, na mbola antoandro ilay natao ho fanantenan'ny ampitso mamirapiratra… » Rehefa miresaka ny amin'ny fahafatesana indray dia tahaka izao no fandre : « tora-bato avy any an-danitra ny fahafatesana ; ny hafatesan-tsy heloka, ny haveloman-tsy hitsiny, fa anjara sy lahatra izao ary entin'ny miankandrefam-baravarana rehetra, tombon-dalana ny azy fa isika rehetra dia mbola handia izao… » Rehefa mamaly kabary ny mana-manjo dia tsy avy hatrany dia miredona ny hoe « aza misosoka alahelo intsony, tompoko ! » ny mpamangy. Fa atolotra indray aloha ilay adidy dia ny famangiana izany. Fa rehefa vita izany vao tokony hiaraha-miredona io voalaza etsy aloha io. Tsy tsara ihany koa ny milaza rehefa hanolotra ny famangiana hoe : « araka ny fomban-drazana izay tsy hita ny maharatsy azy … ». Ny mety dia ny fampitahana fampilaharana io fomba io amin'ny fanaon'ny krisitianina, ohatra. « Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha ory amin'izay ory ; mifampitondrà izay mavesatra ». Ny Ntaolo kosa nilaza hoe : « ny velona arahim-potsimbary ary ny maty arahin-dambamena… » Raha mbola eo am-bohitra àry ny razana dia : « solon-dranombary tsy masaka ary rambon-damba ampombaina ny maty » sy ny mitovy amin'izany no fanao. Rehefa voalevina kosa ny razana dia « fao-dranomaso », izay no anarana iantsoana ilay famangiana atao. Adidy tsy maintsy efaina eo amin'ny fiarahamonina ireo. Adidim-pihavanana, adidim-pifankatiavana. Nefa koa adidy tena mampiavaka antsika, satria tafiditra ao amin'ny antsoina hoe tsaran'ny razantsika. Ndremiadana |
Dans
la même rubrique :
|
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||