IZA MOA I HILA ?
Hilarion Fidèle Solo Rakotovololona no tena anarany. Hilarion na Hila no tena fiantsoan'ny mpinamana azy. Izay rahateo no tena nahakinga ny rehetra. Teraka tamin'ny taona 1951 izy tao Antananarivo.
Rehefa avy namita ny fianarany Ambaratonga faharoa tao amin'ny lycée J.J Rabearivelo, Antananarivo izy tamin'ny taona 1974, dia niakatra teny amin'ny Oniversité - Ankatso, ka nanohy fianarana tao amin'ny sampana Tantara sy Jeografia, ary nisafidy ny Jeografia izy tamin'izany. Tsy nanakana azy tsy hirona tany amin'ny sampana tantara izany, ka nahatonga azy nisafidy ny taranja Arkeolojia izay efa nanintona azy sy ireo namany efa taona maro mialoha.…
Niditra niasa tao amin'ny Mozea-n'ny Oniversité (Musée d'Art et d'Archéologie) Isoraka izy tamin'ny taona 1979, ary tsy niala tao intsony hatramin'ny farany. Mpampianatra mpikaroka izy, ary tena noraisiny am-po ny tarigetran'ny mpandalina tantara hoe "mitady ny fototry ny tantara", fa "tsy misy fampandrosoana hirindra raha tsy misy ny tantara ifotorany".
Nanohy ny asa fikarohana tany Ankadivory (Antananarivo Avaradrano) izy, saika hataony izany hanomanany ny "Thèse de doctorat"-ny. Tsy tanteraka hatramin'ny farany anefa io fa nosomparan'ny aretina izay hitarika fahafatesana ho azy.
Maty i Hilarion tamin'ny sabotsy 28 mai 1994, teny amin'ny hopitaly Lehibe Girard Et Robic, Antananarivo. Mbola tanora satria 42 taona monja izy tamin'izany. Mpikaroka, mpampianatra, nefa koa tena olona tsotra tsy mba tia haitraitra, ary tena vonona manatanteraka ny asa tandrify ataony i Hila. Tia mamaky boky, tia mikalokalo, ary tia manoratra. Nitombo tao anatin'ny fotoana mamaivain'ny Tantaran'i Madagasikara rahateo moa, ka niara-nandefa aingam-panahy tamin'ireo namany. Ohatra soa no navelany ho an'ny namana sy tapaka tsy mahafoy azy ary tsy foiny : fandaozan-tantely , ka maty mamela mamy. Ny fotoana no mandeha , ny fahatsiarovana azy kosa mipololotra avy ao am-po.
CLA.